Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nefilima

Nefilima

(Nefilìma) [Mpanjera; Ireo Mampianjera [ny Hafa]].

Nadika avy amin’ny teny hebreo hoe nefilim izy io. Miseho in’efatra izy io ao amin’ny Baiboly, ary amin’ny endriny milaza maro daholo. (Ge 6:4 [indroa]; No 13:33 [indroa]) Azo inoana fa avy amin’ilay matoanteny hebreo hoe nafal (manjera na mandavo) ny hoe Nefilima. Matoantenin’ny mpampanao izy io, toy ilay ao amin’ny 2 Mpanjaka 19:7 hoe ‘hatao izay hahalavo.’

Milaza ny Baiboly fa tsy nankasitrahan’i Jehovah ny mpiara-belona tamin’i Noa talohan’ny Safodrano. Voalaza ao koa fa naka vady an’ireo zanakavavin’olombelona tsara tarehy “ireo zanak’Andriamanitra.” Miresaka momba ny fisian’ny “Nefilima” ny Baiboly avy eo, ka milaza hoe: “Teto an-tany ny Nefilima tamin’izany andro izany, sy taorian’izany koa, fony nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’olombelona ireo zanak’Andriamanitra. Dia niteraka zazalahy tamin’izy ireo ny zanakavavin’olombelona. Ireny Nefilima ireny no olo-mahery [heb.: haggibbôrim] fahiny, sady lehilahy nanan-daza.”​—Ge 6:1-4.

Iza moa ireo Nefilima? Nandroso hevitra maromaro momba izany ireo mpivaofy teny ara-baiboly rehefa nandinika ny andininy faha-4. Ao ireo mihevitra fa anjely nanota ny Nefilima. Ny teny niavian’ny anarana hoe Nefilima no nahatonga azy ireo hilaza izany. Azo lazaina hoe lavo mantsy, hono, ireo anjely nanota ireo. Eo koa ireo mihevitra fa ny teny hoe Nefilima mihitsy no midika fa ‘nianjera avy tany an-danitra’ izy ireo, satria ‘nateraky ny zavaboary avy any an-danitra.’ Niavaka ny hevitra naroson’ireo manam-pahaizana ireo mba hanaporofoana izany! Ny manam-pahaizana hafa kosa nifantoka tamin’ilay teny hoe “sy taorian’izany koa” (and. 4) ka milaza fa tsy anjely nanota na “olo-mahery” ireo Nefilima ireo, satria efa “teto an-tany ny Nefilima tamin’izany andro izany”, izany hoe talohan’ny nanaovan’ireo zanak’Andriamanitra firaisana tamin’ny vehivavy. Milaza àry izy ireo fa ny Nefilima dia olona ratsy fanahy toa an’i Kaina, izany hoe mpandroba sy mpampijaly kely ary mpanjakazaka, izay nandehandeha tetỳ an-tany talohan’ny nandringanana azy tamin’ny Safodrano. Mbola misy manam-pahaizana hafa koa milaza fa tsy anjely ny Nefilima, fa safiotra naterak’ireo anjely nitafy nofo mba hanao firaisana tamin’ny zanakavavin’olombelona. Nilaza izany izy ireo rehefa avy nandalina ny dikan’ilay anarana hoe Nefilima sady namakafaka ny teny manodidina ny andininy faha-4.

Ny “gibbôrim” ihany no Nefilima. Nahitsin’ny Baiboly sasany ny toerana misy an’ilay hoe “sy taorian’izany koa”, ary nafindrany eo amin’ny voalohandohan’ny andininy faha-4, ka midika izany fa iray ihany ny Nefilima sy ireo “olo-mahery” (gibbôrim) voaresaka eo amin’ny faramparan’ilay andininy. Izao, ohatra, no lazain’ny Baiboly iray: “Ny Nefilima [heb.: hannefilim] nitoetra tambonin’ny tany tamin’izany andro izany, sy taorian’izany koa, raha nivady tamin’ny zanakavavin’ny olona ny zanak’Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery [heb.: haggibbôrim] hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.”​—Ge 6:4, Prot.; jereo koa ny JM sy ny BFC.

Hita amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo koa hoe ny “Nefilima” ihany ireo “olo-mahery”, satria samy nadikany hoe gigantes (olona goavam-be) ireo teny roa ireo.

Raha hiverenana indray ny fitantaran’ny Baiboly, dia izao no voaresaka eo amin’ny andininy voalohany ka hatramin’ny faha-3: Naka vady “ireo zanak’Andriamanitra”, ary niteny Andriamanitra hoe tsy handefitra amin’ny olona intsony izy rehefa afaka 120 taona. Milaza, avy eo, ny andininy faha-4 fa teto an-tany ny Nefilima “tamin’izany andro izany”, izany hoe tamin’ny fotoana nilazan’i Jehovah fa tsy handefitra intsony izy. Asehon’ny tohin’ilay andininy fa mbola tetỳ an-tany ny Nefilima “taorian’izany”, fony mbola “nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’olombelona ireo zanak’Andriamanitra.” Manazava bebe kokoa momba ny vokatry ny nanaovan’ireo “zanak’Andriamanitra” firaisana tamin’ny vehivavy ny tapany farany amin’ilay andininy.

Iza ireo “zanak’Andriamanitra” niteraka an’ireo Nefilima?

Iza tokoa “ireo zanak’Andriamanitra” ireo? Misy milaza fa mpivavaka tamin’i Jehovah izy ireo, fa tsy toy ny sarambaben’olona ratsy fanahy tamin’izany. Marina ve izany? Tsy izany mihitsy. Resahin’ny Baiboly mantsy fa nampirongatra ny faharatsiana teto an-tany ny nanambadian’izy ireo ny zanakavavin’olombelona. Ankoatra izany, dia tsy nisy olona nankasitrahan’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany, afa-tsy i Noa sy ny vadiny, ary ny zanany telo lahy sy ny vadin’izy ireo avy. Izy ireo ihany àry no tsy maty tamin’ny Safodrano.​—Ge 6:9; 8:15, 16; 1Pe 3:20.

Raha olona toa antsika ihany àry ireo “zanak’Andriamanitra” ireo, nahoana ny taranany no “nanan-daza” kokoa noho ny taranaky ny ratsy fanahy na ny taranak’i Noa, lehilahy tsy nivadika? Nahoana koa no resahina hoe zavatra tsy fahita ny nanambadian’izy ireo ny zanakavavin’olombelona, nefa efa 1 500 taona mahery ny olona no nanambady sy niteraka?

Tsy maintsy ho anjely na “zanak’Andriamanitra” tsy hita maso àry ireo zanak’Andriamanitra resahina ao amin’ny Genesisy 6:2. Antsoina hoe zanak’Andriamanitra mantsy ny anjely, ao amin’ny Joba 1:6; 38:7. Manamarina izany i Petera tamin’izy nanoratra momba “ireo fanahy tao am-ponja, izay tsy nankatò fahiny, rehefa niandry tamim-paharetana Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa.” (1Pe 3:19, 20) Niresaka momba “ireo anjely izay tsy nitana ny toerany tany am-boalohany” koa i Joda. Nolazainy fa “nandao ny fonenana sahaza azy” izy ireny. (Jd 6) Afaka nitafy nofo ny anjely ka toy ny olona no fahitana azy. Nanao izany ny sasany rehefa nitondra hafatra avy tamin’Andriamanitra. (Ge 18:1, 2, 8, 20-22; 19:1-11; Js 5:13-15) Ny lanitra anefa no tokony ho fonenan’ny anjely, ary mpanompo eo ambany fahefan’i Jehovah izy ireo any. (Da 7:9, 10) Raha mandao ny lanitra àry ny anjely mba honina etỳ an-tany, ary miala amin’ny fanompoana nanendrena azy mba hanao firaisana amin’olombelona, dia mandika ny lalàn’Andriamanitra sy manao zava-betaveta.

Milaza ny Baiboly fa ‘fanahy ao am-ponja’ ireo anjely tsy nankatò ireo ankehitriny, satria ‘natsipy any amin’ny Tartara’ ary “notehirizin’Andriamanitra sy nofatorany mandrakizay ao amin’ny haizim-be, ho amin’ny fitsarana amin’ilay andro lehibe.” Toa midika izany fa tsy afa-manao zavatra firy intsony izy ireo, ary tsy afaka mitafy nofo toy ny talohan’ny Safodrano intsony.​—1Pe 3:19; 2Pe 2:4; Jd 6.

Nitombo be ny faharatsiana. Lazaina fa “lehilahy nanan-daza” ireo “olo-mahery fahiny” naterak’anjely ireo. Tsy tsara laza teo anatrehan’Andriamanitra anefa izy ireo, ka maty tamin’ny Safodrano, fa tsy tafavoaka velona toa an-dry Noa mianakavy. “Nefilima” izy ireo, ary mpampijaly kely sy mpanjakazaka, ka azo antoka fa anisan’ny nahatonga ny fiainana hiharatsy. Nahalala ny fomba nanaovana ny vatan’olombelona ny anjely rain’izy ireo, sady afaka nitafy nofo. Tsy namorona zavamananaina vaovao anefa ireo anjely ireo. Anjely nitafy nofo kosa izy ireo. Nanambady vehivavy àry izy ireo ka niteraka. Safiotra, araka izany, ireo “olo-mahery” naterany, ary tamin’ny fomba tsy ara-dalàna no nampisy an’ireny zanany ireny. Toa tsy niteraka kosa anefa ny Nefilima.

Ny Nefilima sy ny angano. Nalaza ny Nefilima ary natahoran’ny olona. Izany angamba no nampisy an’ireo angano maro noforonin’ny mpanompo sampy, izay niely naneran-tany taorian’ny nampisafotofotoana ny fitenin’ny olona tao Babela. Hita amin’ireny angano ireny hoe ilay fitantarana ao amin’ny Genesisy ihany no novana be sy namboamboarina. Miavaka ny fitovian’ireny angano tranainy ireny (ohatra iray monja amin’izany ireo angano grika), satria samy milaza hoe nisy andriamanitra sy andriamanibavy nanambady olombelona ka niteraka. Olona matanjaka lavitra noho ny sarambabem-bahoaka, hono, ny zanak’izy ireo, na koa olona nampahatahotra satria sady andriamanitra no olona.​—Jereo GRESY, GRIKA (Fivavahana).

Tatitra natao hampitahorana. Zavatra diso no nolazain’ireo folo lahy nijery taratra ny tany Kanana, rehefa niverina tany amin’ny Israelita tany an-tany efitra izy ireo, ka nilaza hoe: “Goavam-be ny olona rehetra hitanay tao. Hitanay tao ny Nefilima, dia ireo taranak’i Anàka, izay avy amin’ny Nefilima, hany ka toy ny valala ny fahitanay ny tenanay, ary toy izany koa ny fahitany anay.” Azo antoka fa goavana be ny olona sasany tao Kanana, araka ny voalazan’ny andinin-teny hafa. Tsy nantsoina hoe Nefilima mihitsy anefa izy ireo raha tsy eo amin’io fitantarana io, izany hoe rehefa “nilaza zavatra ratsy” momba an’ilay tany izy folo lahy. Nofidiny tsara ny teny nampiasainy satria te hampahatahotra sy hampihorohoro an’ireo Israelita izy ireo.​—No 13:31-33; 14:36, 37.