Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Negeba

Negeba

(Negèba) [Atsimo].

Voalaza fa avy amin’ny fototeny midika hoe “karakaina” ny teny hebreo hoe negev, ary matetika no ilazana ilay toerana tsy dia misy orana any atsimon’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. Nanjary nidika hoe “atsimo” koa ny hoe negev ka nilazana lafiny atsimo (No 35:5), sisin-tany atsimo (Js 15:4), ary vavahady atsimo (Ezk 46:9). Misy Baiboly mampifangaro ny hoe negev (ilay toerana antsoina hoe Negeba) sy ny negev (atsimo), ka mahadiso hevitra. Ohatra amin’izany ny Genesisy 13:1: Misy Baiboly nandika ilay negev ao hoe “atsimo” (Kat., Prot.) ka toy ny hoe nandeha nianatsimo i Abrahama rehefa niala tany Ejipta. Raha ny marina anefa dia nianavaratra nankany Negeba izy rehefa nankany Betela. Maro ny Baiboly maoderina nisoroka izany fahadisoan-kevitra izany.​—TV, DIEM.

Negeba (any atsimon’i Joda). Faritra ngazana izy io ankehitriny fa be mponina kosa fahiny

Ny vohon-tanin’i Negeba. Toa tafiditra ho anisan’i Negeba fahiny ilay faritra eo anelanelan’i Beri-sheba (any avaratra) sy Kadesi-barnea (any atsimo). (Ge 21:14; No 13:17, 22; 32:8) Nilaza i Isaia mpaminany fa toerana sarotra iainana sady falehan’ny liona sy ny leopara ary ny bibilava izy io. (Is 30:6) Zara raha misy loharano sy lavadrano ary dobo any amin’ny faritra avaratra amin’izy io, ary anisan’ireo hazo vitsy kely maniry any ny tamariska. (Ge 21:33) Misy faritra roa kely sy iray lehibebe feno dongom-pasika any atsimoandrefan’i Beri-sheba. Saika lembalemba avokoa anefa i Negeba, tokotokony ho 450 m ka hatramin’ny 600 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Mahatratra 1050 m mahery anefa ny haavon’ny tendrony sasany. Eo atsimon’i Beri-sheba sy eo atsinanany dia ahitana tandavan-tendrombohitra mikitoantoana, avy any atsinanana miankandrefana.

Tantarany. Toa be mponina ny faritr’i Negeba fahiny satria ahitana lavaka fanangonan-drano sy rindrina rarivato ary tanàna rava maro any. Tany i Abrahama sy Isaka no nahita tanimbilona ho an’ny ondry aman’osiny maro be. (Ge 13:1, 2; 20:1; 24:62) Tamin’ny andron’i Abrahama koa no nandresy an’ireo mponina tao Negeba i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama sy ny mpanjaka telo hafa.​—Ge 14:1-7.

Taonjato maro tatỳ aoriana, dia avy tao Negeba ireo mpitsikilo israelita nirahin’i Mosesy no niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Ny Amalekita no nonina tany Negeba tamin’izay. (No 13:17, 22, 29) Resin’ireo Israelita notarihin’i Josoa ny mponina rehetra tany Negeba (Js 10:40; 11:16), ary lasa anisan’ny faritanin’ny fokon’i Simeona ireo tanàna tao. (Js 19:1-6) Nonina tany Negeba koa ireo Kenita mpifindrafindra monina, izay havan’i Mosesy avy amin’ny vadiny. (Mpts 1:16; ampit. 1Sa 15:6, 7.) Tsy ny Israelita foana anefa no nifehy an’iny faritra iny. Rehefa nandeha mantsy ny fotoana dia imbetsaka izy ireo no niady tamin’ireo Kananita nonina tany Negeba, indrindra fa tamin’ireo Amalekita. (Mpts 1:9; 6:3; 1Sa 15:1-9; 30:1-20) Notafihin’i Davida ny Gesorita sy ny Girzita ary ny Amalekita tany Negeba, tamin’i Davida nonina tao Ziklaga, tanàna nomen’i Akisy mpanjaka filistinina azy. (1Sa 27:5-8) Toa tamin’ny andro nanjakan’i Davida anefa vao azon’ny Israelita tanteraka i Negeba, rehefa resy ny Edomita. (2Sa 8:13, 14) Azo inoana fa tany amin’iny faritra iny i Ozia mpanjakan’ny Joda no nanorina tilikambo sy nihady lavaka maro fanangonan-drano.​—2Ta 26:10.

Rehefa avy noravan’ny Babylonianina i Jerosalema, dia naminany i Obadia fa hampodina ny Israelita ka honina indray ao amin’ny taniny (anisan’izany i Negeba).​—Ob 19, 20.