Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nehemia, Bokin’i

Nehemia, Bokin’i

Boky ao amin’ny Soratra Hebreo mitantara ny zava-nitranga fony i Nehemia no governoran’i Joda sy taloha kelin’izay. (Ne 5:14; 13:6, 7) Nosoratan’i “Nehemia zanak’i Hakalia” (1:1) izy io, ary nampiasa matetika ny teny hoe “aho” sy “ahy” izy.

Fotoana voaresaka sy fotoana nanoratana azy. Tamin’ny volana Kisleo (Novambra-Desambra), tamin’ny taona faha-20 ilay tantara no nanomboka. (Ne 1:1) Ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy izy io, araka ny Nehemia 2:1. Tsy ny Nisana (Martsa-Aprily) no nataon’i Nehemia volana voalohany tamin’ilay taona faha-20, satria tsy ho alohan’ny Nisana (Ne 2:1) mihitsy ny volana Kisleo. Mety ho Tisry (Septambra-Oktobra) àry no nataony volana voalohany tamin’ilay taona faha-20 (taona isaina mifanaraka amin’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany). Tisry koa amin’ny Jiosy ankehitriny ny volana voalohany amin’ny taona sivily. Mety ho nisaina nanomboka tamin’ny fotoana nahazoan’ilay mpanjaka fahefana koa anefa ny taona nanjakany. Ny Babylonianina kosa zatra nanisa nanomboka tamin’ny volana Nisana ka hatramin’ny Nisana ny taona nitondran’ny mpanjaka persianina, araka ny hita amin’ireo takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika.

Volana Nisana taona 455 T.K. ilay Nisana tamin’ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy. Manaporofo izany ny tantara marina sy ireo faminanian’ny Baiboly tanteraka. (Jereo PERSA, PERSIANINA [Ny fitondran’i Ksersesy sy Artaksersesy].) Midika izany fa tamin’ny 456 T.K. ny volana Kisleo talohan’ilay Nisana tamin’ny taona faha-20, ary tamin’ny 443 T.K. ny taona faha-32 nanjakan’i Artaksersesy (daty farany noresahin’i Nehemia [13:6]). Izay nitranga nanomboka tamin’ny Kisleo 456 T.K. ka hatrany aoriana kelin’ny 443 T.K. àry no voaresaka ao amin’ilay boky.

Tamin’ny taona faha-32 nanjakan’i Artaksersesy i Nehemia no niala tao Jerosalema. Rehefa niverina izy, dia hitany fa tsy nanohana an’ireo mpisorona sy Levita ny Jiosy, tsy notandremana ny Sabata, maro no nanambady vehivavy hafa firenena, ary tsy nahay fiteny jiosy ny zanak’izy ireny. (Ne 13:10-27) Elaela ihany àry i Nehemia no tsy tao Jerosalema matoa niharatsy toy izany ny toe-javatra tao. Tsy fantatra marina anefa hoe hafiriana taorian’ny 443 T.K. no vita ilay boky nosoratany.

Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Manandratra an’i Jehovah Andriamanitra ilay boky. Aharihary ao fa Mpamorona izy (Ne 9:6; ampit. Ge 1:1; Sl 146:6; Ap 4:11), mamaly ny vavaka avy amin’ny fo ataon’ny mpanompony (Ne 1:11–2:8; 4:4, 5, 15, 16; 6:16; ampit. Sl 86:6, 7), ary Mpiaro ny vahoakany (Ne 4:14, 20; ampit. Ek 14:14, 25). “Andriamanitra mamela heloka” izy, “tsara fanahy, mamindra fo, tsy mora tezitra ary be hatsaram-panahy feno fitiavana.” (Ne 9:17; ampit. No 14:18) ‘Andriamanitry ny lanitra izy, Andriamanitra lehibe sy mendrika hatahorana. Manaja ny fifanekena nifanaovany tamin’ireo tia azy sy ireo mitandrina ny didiny izy, sady maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’izy ireo.’​—Ne 1:5; ampit. De 7:9, 10, 21.

Miresaka imbetsaka momba ny Lalàna ilay boky. Anisan’izany ny hoe hahita loza izay tsy mankatò fa hotahina kosa izay mibebaka (Le 26:33; De 30:4; Ne 1:7-9), ny resaka fampisamboram-bola (Le 25:35-38; De 15:7-11; Ne 5:2-11), fanambadiana hafa firenena (De 7:3; Ne 10:30), Sabata, famoizana trosa (Ek 20:8; Le 25:4; De 15:1, 2; Ne 10:31), afon’ny alitara (Le 6:13; Ne 10:34), Fetin’ny Trano Rantsankazo (De 31:10-13; Ne 8:14-18), tsy fahazoan’ny Moabita sy Amonita miditra ho anisan’ny fiangonan’Israely (De 23:3-6; Ne 13:1-3), ampahafolon-karena, voaloham-bokatra, ary fanomezana.​—Ek 30:16; No 18:12-30; Ne 10:32-39.

Hita any amin’ny boky hafa ao amin’ny Soratra Hebreo ny tantara sasany ao amin’ny Nehemia. (Ne 9:7-35; 13:26; ampitahao Ne 13:17, 18 sy Je 17:21-27.) Mitovitovy amin’izay resahin’ny andininy hafa na manamarina azy ireny koa ny zavatra voatantara ao. Sahala amin’ny zavatra niainan’i Nehemia sy ireo Jiosy nanorina indray ny mandan’i Jerosalema, ohatra, ny voalazan’ny Salamo faha-123 sy 129. (Ne 4:1-5, 9; 6:1-14) I Jehovah koa no nahatonga an’i Artaksersesy hanaiky ny fangatahan’i Nehemia hanorina indray ny mandan’i Jerosalema, satria izay no sitrapony. Voamarina àry ny voalazan’ny Ohabolana 21:1 hoe: “Toy ny lakandrano eo an-tanan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka, ka aviliny hankany amin’izay itiavany azy.”​—Ne 2:4-8.

Samy resahin’ny Ezra (2:1-67) sy Nehemia (7:6-69) ny isan’ireo fianakaviambe niara-nody tamin’i Zerobabela taorian’ny sesitany tany Babylona. Samy milaza ireo boky ireo fa 42 360 ny fitambaran’ny Israelita nody, ankoatra ny mpanompo sy ny mpihira. (Ezr 2:64; Ne 7:66) Tsy mitovy anefa ny isan’olona lazain’izy ireo fa avy amin’ny fianakaviambe tsirairay, ary latsaka ny 42 360 ny fitambaran’izy ireo ao amin’ny boky tsirairay. Manam-pahaizana maro no milaza fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra no nahatonga izany. Mety ho marina izany, nefa mety hisy antony hafa koa.

Samy hafa angamba ny loharanon-kevitra nampiasain’i Ezra sy Nehemia. Ny lisitr’ireo nisoratra anarana hody any an-tanindrazany, ohatra, no mety ho nampiasain’i Ezra, fa ny lisitr’ireo tena nody kosa ny an’i Nehemia. Mety ho maro koa ny Israelita tsy afaka nanamarina ny razana niaviany, toy ny mpisorona sasany ihany. (Ezr 2:61-63; Ne 7:63-65) Mety ho ny fitambaran’ireo olona avy amin’ny fianakaviambe tsirairay, miampy an’ireo tsy nahavita nanamarina ny razana niaviany, àry ilay 42 360. Mety ho afaka nanamarina an’ilay izy ihany anefa ny sasany tatỳ aoriana. Izany angamba no nampitovy ny isan’olona rehetra nody, na dia samy hafa aza ny isan’ireo avy amin’ny fianakaviambe tsirairay.

[Efajoro, pejy 575]

HEVITRA MISONGADINA: NEHEMIA

Izay nitranga rehefa naorina indray ny mandan’i Jerosalema sy rehefa nahitsy ny tsy nety nataon’ny Jiosy

Tantaran’izay nitranga 80 taona mahery taorian’ny nodian’ny Jiosy natao sesitany tany Babylona

Voaorina ny mandan’i Jerosalema na dia nisy mpanohitra aza

Ren’i Nehemia tany Sosana fa mbola rava ilay manda; nangataka ny fanampian’i Jehovah izy ary niera tamin’i Artaksersesy mpanjakan’i Persa mba handeha hanorina indray an’i Jerosalema sy ny mandany; nanaiky i Artaksersesy (1:1–2:9)

Tonga tany Jerosalema i Nehemia, nizaha an’ilay manda tamin’ny alina; nilaza tamin’ny Jiosy ny fikasany hanorina azy io indray (2:11-18)

Nanohitra an’ilay fanorenana i Sanbala sy Tobia ary Gasema, izay samy tsy Jiosy; naneso, avy eo nitetika ny hiady tamin’i Jerosalema; nomen’i Nehemia fitaovam-piadiana ireo mpiasa ary notohizina ny asa (2:19–4:23)

Tsy nahomby ny tetika hamelezana an’i Nehemia, vita ny manda rehefa afaka 52 andro (6:1-19)

Notokanana ilay manda; nisy antoko mpihira roa mpanao hira fisaorana ary filaharam-be nanaraka azy ireo teny ambony manda, nisaraka ny lalan’izy ireo, avy eo nihaona tao amin’ny tempoly; nisy fifaliam-be (12:27-43)

Nalamina ny tao Jerosalema

Napetak’i Nehemia ny vavahady rehefa vita ny manda, notendreny ny mpiandry vavahady sy mpihira ary Levita; notendreny hifehy an’ilay tanàna i Hanany sy Hanania (7:1-3)

Nosoratany anarana tao amin’ny tetirazana ny vahoaka; hitany ny boky misy ny tetirazan’ireo niara-nody tamin’i Zerobabela; tsy nekena ho mpisorona ireo tsy afaka nanamarina ny razana niaviany ‘raha tsy rehefa nisy mpisorona nitondra Orima sy Tomima’ (7:5-73)

Vitsy olona tao Jerosalema, ka antsapaka no nifidianana ny ampahafolon’ny vahoaka honina ao (7:4; 11:1, 2)

Niezaka nifandray tsara tamin’Andriamanitra ny Jiosy

Neken’ireo Jiosy nanan-karena ny hamerina ny fananan’ireo rahalahiny nahantra, izay nitakiany zanabola (5:1-13)

Novakin’i Ezra tamin’ny vahoaka tafavory ny Lalàna ary nisy Levita nanazava azy io; nitomany ny vahoaka nefa nampirisihina hifaly satria masina ilay andro; faly koa izy ireo satria azony izay novakina taminy (8:1-12)

Hitan’ny vahoaka tao amin’ny Lalàna fa tokony hankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo izy ireo; nankalaza azy io izy ireo ka faly be (8:13-18)

Nivory ny vahoaka: Niaiky ny fahotany ary nandinika indray izay nataon’i Jehovah tamin’ny Israely; nianiana fa hitandrina ny Lalàna, tsy hanambady olona hafa firenena, ary hanohana ny fanompoana tao amin’ny tempoly (9:1–10:39)

Novakina tamin’ny vahoaka indray ny Lalàna rehefa voatokana ny tempoly; nesorin’izy ireo tsy ho anisan’ny Israely “ny hafa firenena rehetra”, rehefa reny fa tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonana ny Amonita sy Moabita (13:1-3)

Niverina tao Jerosalema i Nehemia rehefa afaka elaela, ka hitany fa niharatsy ny toe-javatra; nodioviny ny efitra fisakafoana, nasainy nomena ampahafolon-karena ny Levita sy ny mpihira, nasainy notandremana ny Sabata, ary nanariny ireo nanambady vehivavy hafa firenena (13:4-30)