Nehosta
(Nehostà).
Zanakavavin’i Elnatana avy any Jerosalema. Vadin’i Joiakima Mpanjaka izy. Rehefa avy nanjaka telo volana i Joiakina zanany lahy, dia anisan’ireo babo andiany voalohany nentina tany Babylona tamin’ny 617 T.K. i Nehosta, ary azo inoana fa nijanona tany mandra-pahafatiny.—2Mp 24:6, 8, 12; Je 29:2.