Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Neily

Neily

Anarana renirano iray any Afrika, amin’ny teny grika. Teo amin’ny ilany avaratry ny lohasahan’i Neily no nisy an’i Ejipta fahiny, izay tany lonaka tokoa. (SARINTANY, Boky 1, p. 531) Antsoina hoe yeʼôr (na yeʼôhr indraindray) ilay renirano, ao amin’ny Soratra Hebreo. Midika hoe “renirano” (Da 12:5), na “lakandrano” (Is 33:21; Jb 28:10) io teny hebreo io. Indray mandeha ihany ny yeʼôr no ilazana ny Reniranon’i Tigra (antsoin’ny Baiboly hoe Hidekela), any Mezopotamia (Da 12:5-7; ampitahao amin’ny 10:4), fa ny hafa rehetra kosa ilazana an’i Neily. Ilazana ireo lakandranony izy io rehefa amin’ny endriny milaza maro. (Sl 78:44; Is 7:18) Mitovitovy amin’ny anaran’ilay renirano amin’ny teny hebreo ny anarany ejipsianina (jrv), nanomboka tamin’ny andron’ny Tarana-mpanjaka Faha-18 tany ho any.

Ny moron’i Neily any Ejipta

Ilay renirano. Sokajina ho renirano lava indrindra eran-tany i Neily, amin’ny ankapobeny. Mahatratra 6671 km izy io hatrany amin’ny loharano ipoirany, any amin’ireo faritra be farihy any Rwanda sy Burundi ankehitriny. Mikoriana mankao amin’ny Farihin’i Victoria ireo loharano ireo, ary misy renirano indray avy eo mivarina mankao amin’ny Farihin’i Albert (Farihin’i Mobutu Sese Seko). Antsoina hoe Neily Fotsy ilay renirano any avaratra kokoa. Mihaona ao Khartoum i Neily Fotsy sy Neily Manga, izay mikoriana avy any amin’ireo tendrombohitra any avaratr’i Etiopia. Eo avaratr’i Khartoum ilay renirano vao tena antsoina hoe Neily. Ny Reniranon’i Atbara irery sisa no mivarina ao amin’i Neily, any amin’ny 300 km eo ho eo avaratratsinanan’i Khartoum. Mamakivaky lembalemba ngazana any avaratr’i Soudan avy eo i Neily, ary mandalo vatobe granita enina. Misy riandrano enina àry eo anelanelan’i Khartoum sy Assouan (antsoin’ny Baiboly hoe Syena), izay eo amin’ny sisin-tany nanasaraka an’i Nobia sy Ejipta fahiny. Misy lasa etona ny ranon’i Neily noho ny hainandro migaingaina, ary misy koa anondrahana voly. Mihena be àry ilay renirano rehefa mivarina any amin’ny Ranomasina Mediterane, any amin’ny 2700 km eo ho eo avaratr’i Khartoum.

SARITANY: Reniranon’i Neily

Somary kely ny sakan’ny Lohasahan’i Neily manamorona ilay renirano. Saika hadilanana daholo izay andalovan’i Neily any Nobia, ary tany efitra no eo amin’ny andaniny roa. Mivelatra kokoa ilay lohasaha rehefa eo avaratr’i Assouan, eo amin’ilay faritra nisy an’i Ejipta Ambony. Tsy mihoatra ny 20 km eo ho eo mihitsy anefa ny elanelan’ireo hantsana eo amin’ny andaniny roa. Misampana roa ilay renirano, eo avaratra kelin’i Le Caire ankehitriny, ka ny sampany iray antsoina hoe Rosette ary ny iray hoe Damiette, mitovy amin’ny anaran’ireo seranan-tsambo eo amin’ireo vinany ireo, eo amoron’ny Ranomasina Mediterane. Eo amin’ireo sampantsampany ireo no misy ny Vinanin’i Neily, izay feno heniheny. Nisy sampany dimy na fito ilay renirano fahiny, araka ny filazan’ny Grika mpahay tantara sy jeografia. Tototry ny antsanga sy dilatra anefa ireny sampany ireny sy ny lakandrano sasany, ka lasa tena kely na tsy nisy intsony.

Tondraka isan-taona. Anisan’ny tena mampiavaka an’i Neily ny hoe misondrotra isan-taona izy io, ka tondraka ny morony, izay feno tanànan’ny mpamboly. Avy be mantsy ny orana any Etiopia (sady miempo ny lanezy eny an-tendrombohitra) isan-taona. Lasa rano be misasasasa àry i Neily Manga rehefa hihaona amin’i Neily Fotsy, ary mitondra antsanga sy dilatra be dia be avy any amin’ireo tendrombohitr’i Etiopia. Mampisondrotra an’i Neily koa ny Reniranon’i Atbara rehefa tondraka. Talohan’ny nahavitan’ny Tohodrano Avo Be any Assouan, dia nisondrotra foana i Neily tany Ejipta, nanomboka tamin’ny Jona ka hatramin’ny Septambra, ary avy eo nihena tsikelikely. Lonaka be ny tany dilatra navelany teny amin’izay nandalovany.

Zara raha nisy orana tany Ejipta, ka tsy afaka namboly mihitsy ny olona raha tsy tondraka isan-taona ny toerana iva. Toy ny hoe nisy hain-tany raha tsy tondraka tsara i Neily, satria niteraka mosary. Simba kosa ny lakandrano fanondrahana voly (sy ireo trano), raha niakatra be loatra ny rano. Nahitana fitaovana fandrefesana ny haavon’ilay renirano tany amin’ny tanàna fahiny. Porofo izany fa zava-dehibe tamin’ny Ejipsianina ny nahafantatra raha antonona tsara ny fiakaran’ny rano. Raha tsy tondraka i Neily, dia ho nitatra hatreo amin’ny morony roa ny tany efitra teo akaiky teo. Nahalana anefa vao tsy tondraka ilay renirano, ka nampahalaza an’i Ejipta foana ny fiakaran’ny vokatra be dia be.

Tena fototry ny toe-karenan’i Ejipta ny ranon’i Neily. Hita izany tamin’ilay nofin’i Farao: Nisy ombivavy fito matavy nivoaka avy tao Neily ary niraoka ahitra teo amorony. Nisy ombivavy fito mahia koa anefa nivoaka avy tao, ary lanin’izy ireo ny ombivavy matavy. Midika izany fa raha tsy tondraka i Neily, dia tsy ho ampy ny vokatra, ka ho lany vetivety ny vokatra be dia be teo aloha.​—Ge 41:17-21.

Voalaza fa toy ny fiakaran’ny ranon’i Neily ny fandrosoan’ny tafika manafika. (Je 46:7, 8; 47:2, 3) Nampitahain’i Amosa mpaminany tamin’ny fiakarana sy fihenan’i Neily kosa ny horohoro hahazo ny Israely nivadika. (Am 8:8; 9:5) Nilaza koa ny mpaminany hafa fa ho ritra i Neily, izany hoe hahita loza i Ejipta rehefa iharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Tsy hisy ho vanona mantsy na ny fambolena na ny fiompiana, na ny fanjonoana na ny famokarana lamba rongony.​—Is 19:1, 5-10; Ezk 29:9, 10; Za 10:11.

Nanao fefiloha ny Ejipsianina mba hanangonana rano tao anaty dobo lehibe, satria nokendreny hanondrahana voly izany. Tsy ny ranon’i Neily ihany àry no niova ho ra, fa ny rano tao amin’ireo lakandrano sy kamory ary “lavaka fanangonan-drano” koa, rehefa nandefa an’ilay loza voalohany tany Ejipta i Jehovah.​—Ek 7:14-25.

Zavatra hafa nampiavaka an’i Neily. Tsy nampiasaina ho an’ny voly sy ny biby fiompy ihany ny ranon’i Neily, fa natao rano fisotro koa. (Ek 7:18, 21, 24) Vao misondrotra iny ihany ilay rano no ratsy ny tsirony. Feno zozoro naniry ny lakandranon’i Neily sy ireo kamory. Nanaovana taratasy papyrus sy nanamboarana lakana ireny zozoro ireny. (Is 18:2) Teny amoron’i Neily sy teny amin’ireo kamory nanirian’ny bararata no nonenan’ny vorona maro mpihinana sahona sy bibikely hafa. (Ek 8:5, 9-11) Teny ambony lakana kely ny olona no nihaza vorona, araka ny hita amin’ny sary ejipsianina sasany. Nisy nandro koa tao amin’ny ranon’i Neily, ary voalaza fa nandro tao ny zanakavavin’i Farao. (Ek 2:5) Hita eo amin’ny sary ejipsianina iray fa nandro tao ny vehivavy manan-kaja iray, notronin’ny mpanompovaviny efatra. Nisy fifamoivoizana be koa teo amin’i Neily. Nentin’ny rano nisosa nidina ireo sambo nianavaratra, fa natosiky ny rivotra avy any amin’ny Ranomasina Mediterane tany avaratra kosa ireo sambo nianatsimo (nanohitra ny fikorianan’ny rano). Tonga hatrany Thèbes (antsoin’ny Baiboly hoe No-amona; Na 3:8) sy lavitra kokoa mihitsy aza ny sambo mpitondra entam-barotra avy any Fenisia sy Kreta.

Tena niaro an’i Ejipta tsy hidiran’ny mpanafika i Neily. Nisy riandrano maromaro mantsy tany atsimo, ka nanasarotra ny fidiran’ny mpanafika avy any Nobia-Etiopia. Feno heniheny koa ny faritry ny Vinany, ka nisakana ny fitsofohan’ny tafika lehibe avy any Azia. Nirehareha i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, hoe ny faladiany no handritany ny lakandrano rehetran’i Neily. Mihevitra ny manam-pahaizana sasany fa te hilaza izy hoe ho vitany ny hiampita an’ireo hadivory feno rano natao hiarovana tanàna sy manda tany Ejipta.​—2Mp 19:24.

Ireo tsingerin’i Neily no fototry ny kalandrien’ny Ejipsianina. Nozarainy telo àry ny taona ka nisy efa-bolana ny fizarana tsirairay: ʼAket, na Fahatondrahan’ny Rano; Peret, na Fipoirana (izany hoe mipoitra ny tany rehefa mihena ny rano); ary Shômo na Main-tany (vanin-taona mafana). Nanomana asa fanorenana izy ireo rehefa tondraka ilay renirano, satria tsy afaka nanao asa fambolena.

I Farao no noharin’i Ezekiela tamin’ny “biby goavam-be any an-dranomasina mivalampatra ao amin’ny lakandranon’i Neily.” Misy mihevitra fa noho ny fisian’ny voay efa hatry ny ela tao Neily no anton’ilay fanoharana. (Ezk 29:3-5) Nisy hipopotama koa tao, ary io ilay antsoina hoe “Behemota.”​—Jb 40:15, f.a.p.

Nivavaka tamin’i Neily ny Ejipsianina, ka nantsoiny hoe Hapi andriamanitry ny fahavokarana izy io. Aseho ho toy ny lehilahy io andriamanitra io, saingy manana nonom-behivavy. Zavatra maniry anaty rano no eo amin’ny lohany, ary misy fehikibon’ny mpanjono ny andilany matavitavy. Natao isan-taona ny fety fanomezam-boninahitra azy, raha vao tondraka i Neily, ary nisy fanatitra natao tamin’izay. Misy manam-pahaizana milaza fa nanao fombafomba ara-pivavahana i Farao rehefa nivoaka nankeo amoron’i Neily vao maraina, araka ny Eksodosy 7:15. Nety ho nandehandeha fotsiny anefa izy, na nijery ny haavon’ny rano.