Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nemoela

Nemoela

(Nemoèla).

1. Iray amin’ireo dimy lahy zanak’i Simeona, ary ny anarany no voatonona voalohany. Lohan’ny fianakaviamben’ny Nemoelita izy. (No 26:12-14; 1Ta 4:24) Jemoela no anarany ao amin’ny lisitr’ireo niaraka tamin’i Jakoba nankany Ejipta.​—Ge 46:8, 10; Ek 6:15.

2. Zanakalahin’i Eliaba sady zafiafin’i Robena. Rahalahiny i Datana sy Abirama, izay natelin’ny tany satria nikomy.​—No 26:5, 8, 9; De 11:6.