Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nenitoa

Nenitoa

Rahavavin-dreny na anabavin-dray; vadin’ny dadatoa. Ny Soratra Hebreo ihany no manonona ny hoe ‘nenitoa.’ Voalaza ao fa anisan’ny firaisana amin’olom-pady ny fanaovana firaisana amin’ny havana akaiky toy ny nenitoa, ary tena voararan’ny Lalàn’i Mosesy izany.​—Le 18:12-14; 20:19, 20.

Hoy ny soratra nataon’ny Masoreta momba an’i Amrama sy Jokebeda, ray aman-drenin’i Mosesy: “Ary nalain’i Amrama ho vadiny i Jokebeda anabavin-drainy.” (Ek 6:20; No 26:59) Mbola azo natao izany tamin’izay, satria 80 taona mahery taorian’izay vao nomena ny Lalàna.​—Jereo JOKEBEDA.