Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nergala

Nergala

(Nergàla).

Andriamanitry ny Babylonianina nivavahana tao Kota, tanàna lazain’ny tantara fa natokana ho an’i Nergala. Mbola nivavaka taminy ihany ireo olona avy any Kota napetraky ny mpanjakan’i Asyria tany Samaria. (2Mp 17:24, 30, 33) Andriamanitry ny afo sy ny hafanan’ny masoandro i Nergala, hoy ny manam-pahaizana sasany, fa tatỳ aoriana izy vao lasa andriamanitry ny ady sy ny fihazana ary mpitondra areti-mandringana. Mpandringana no fiheveran’ny olona an’i Nergala, satria nantsoina hoe “ilay mpanjaka romotra”, “ilay mahery setra”, na “ilay mpandoro” izy ao amin’ny asa soratra ara-pivavahana. Andriamanitry ny any ankoatra koa i Nergala sady vadin’i Eresy-Kigala. Liona manana lohan’olona sy manan’elatra, hono, no sary amantarana an’i Nergala.

Toa avy amin’ny anaran’io andriamanitra io ilay hoe Nergala-sarezera Rabmagy, anaran’ny iray tamin’ireo andrianan’i Nebokadnezara Mpanjaka.​—Je 39:3, 13.