Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nery

Nery

(Nèry) [avy amin’ny teny heb., ary fanafohezana ny hoe Neria].

Taranak’i Davida Mpanjaka avy tamin’i Natana, ao amin’ny fitanisana ny tarana-mpanjaka misy an’i Jesosy. Milaza i Lioka fa zanak’i Nery i Sealtiela. I Matio kosa milaza fa i Jekonia no niteraka an’i Sealtiela. (Mt 1:12; Lk 3:27) Nanambady ny zanakavavin’i Nery angamba i Sealtiela, ka lasa vinantolahiny. Matetika mantsy ny vinantolahy no lazaina hoe zanakalahy, ao amin’ny tetirazana amin’ny teny hebreo. Samy marina àry ny tenin’i Lioka sy Matio.