Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Netanela

Netanela

(Netanèla) [Nanome Andriamanitra].

1. Zanakalahin’i Zoara, ary mpiadidy teo amin’ny fokon’i Isakara. (No 1:8, 16) Niandraikitra ny fanoratana anarana ny fokony tany an-tany efitra izy, ary nanolotra fanomezana fony notokanana ny alitaran’ny tranolay masina. Nitarika miaramila 54 400 koa izy.​—No 2:5, 6; 7:11, 18-23; 10:15.

2. Zanakalahin’i Jese, ary ny anarany no voatonona fahefatra. Zokin’i Davida Mpanjaka izy.​—1Ta 2:13-15.

3. Levita rain’i Semaia, izay mpitan-tsoratra tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 24:6.

4. Mpisorona nitsoka trompetra teo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena. Nisy filaharam-be tamin’izay, fa naterina tany Jerosalema ilay Vata.​—1Ta 15:24.

5. Zanak’i Obeda-edoma fahadimy. Levita voatendry ho mpiandry vavahady teo atsimon’ny tranolay masina izy, tamin’ny andron’i Davida. Teo no nisy ny trano fitehirizana entana.​—1Ta 26:4, 8, 15.

6. Andriana nirahin’i Josafata Mpanjaka hampianatra ny lalàn’i Jehovah tany amin’ireo tanànan’i Joda.​—2Ta 17:7-9.

7. Mpiadidy teo amin’ny Levita nanome biby natao sorona, rehefa nankalazaina ilay Paska nanetriketrika tamin’ny andron’i Josia.​—2Ta 35:9, 18, 19.

8. Mpisorona lohan’ny fianakaviamben’i Jedaia, tamin’ny andron’i Joiakima mpandimby an’i Jesoa.​—Ne 12:12, 21.

9. Mpisorona anisan’ny taranak’i Pasora. Nisy taranak’i Pasora nanambady vehivavy hafa firenena, nefa nandroaka an’ireny noho ny fampirisihan’i Ezra. (Ezr 10:22, 44) Mety ho io Netanela io ihany ilay No. 10.

10. Mpitendry zavamaneno tao anatin’ny filaharam-be iray, rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema voaorina indray, tamin’ny andron’i Nehemia. (Ne 12:31, 35, 36) Mety ho izy ihany ilay No. 9.