Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nify

Nify

Taolana madinika mitsatoka amin’ny valanorano, ary natao hitsakoana. Ampiasain’ny biby hiadiana koa ny nifiny.

Nijaly i Joba ka saika maty. Hoy io lehilahy tsy nivadika io: “Ny hoditry ny nifiko sisa no nentiko nandositra.” (Jb 19:20) Toa te hilaza fotsiny izy hoe marina fa tsy maty izy nefa fongana tanteraka ny fananany na zara raha nanan-javatra izy. Ny hoditry ny nifiny no nentiny nandositra, izany hoe ny “hoditry” ny zavatra toa tsy misy hoditra.

Matetika no midika hoe tezitra ny hoe mihidy vazana. (Jb 16:9; As 7:54) Mety hanao teny maharary ary mety hahery setra amin’ilay mahatezitra azy ny olona mihidy vazana. Midika ara-bakiteny hoe mikitro-nify ny hoe ‘mitoloko’ (Mt 8:12; 13:42, 50; 22:13; 24:51; 25:30), ary entina hilazana tebiteby sy hakiviana.

Midika ara-bakiteny hoe “fahadiovan’ny nify” ilay hoe “mosarena” ao amin’ny Amosa 4:6 (f.a.p.), ary ampifandraisina amin’ny hoe “tsy nanan-kohanina.”

Ampiasaina an’ohatra koa ny nify mba hilazana ny hery ananan’ny firenena na vahoaka iray mba handringanana. (Da 7:5, 7, 19; Jl 1:6; Ap 9:8) Nampitovin’i Davida tamin’ny liona masiaka ireo olona ratsy fanahy fahavalon’ny olo-marina. Niangavy an’Andriamanitra izy mba hamely azy ireny eo amin’ny valanoranony sy hanapatapaka ny nifiny. Tsy hahavita hanisy ratsy intsony izy ireny amin’izay. (Sl 3:7; 58:6) Voalaza fa te hahazo tombony foana ireo mpaminany sandoka teo amin’ny Israely, sady toy ny biby mirangorango ka ‘nanaikitra tamin’ny nifiny’ sy niantso ady masina tamin’izay tsy nanome sakafo azy ireny.​—Mi 3:5, Prot.; ampit. Ezk 34:2, 3; Mt 7:15; As 20:29.

Talohan’ny nandravana an’i Jerosalema, dia fanaon’ny olona ny nilaza hoe: “Ny ray no nihinana voaloboka manta, nefa ny nifin’ny zanany no madilo.” (Je 31:29; Ezk 18:2-4) Te hanamarin-tena izy ireo ka nolazainy fa vokatry ny nataon’ny razambeny ny loza nanjo an’ilay firenena, nefa izy ireo no nanao ratsy.