Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nikoleo

Nikoleo

(Nikôlèo) [Mpandresy Vahoaka].

1. Anisan’izy fito lahy nahafeno fepetra izay natolotry ny fiangonana ka notendren’ny apostoly hizara sakafo, mba tsy hisian’ny tombo sy hala teo anivon’ny fiangonan’i Jerosalema taorian’ny Pentekosta taona 33. Izy ihany tamin’izy fito no voalaza fa “avy any Antiokia, ilay niova ho amin’ny fivavahana jiosy”, angamba satria tsy Jiosy izy. Maro kosa ny Jiosy nanana anarana grika toy ny an’ireo enina hafa.​—As 6:1-6.

2. Manameloka ny “sektan’i Nikoleo” (na Nikolaita) ny taratasy roa tamin’ireo fito nalefa ho an’ny fiangonana, resahin’ny Apokalypsy toko faha-2 sy 3. Noderain’i Kristy Jesosy ny “anjelin’ny” fiangonan’i Efesosy, noho izy nankahala hoatr’azy koa ‘izay nataon’ny sektan’i Nikoleo.’ (Ap 2:1, 6) Nisy ‘nitana mafy ny fampianaran’ny sektan’i Nikoleo’ kosa teo anivon’ny fiangonan’i Pergamosy, ka nampirisihina hibebaka.​—Ap 2:12, 15, 16.

Izay resahin’ny Apokalypsy ihany no fantatra momba an’io sekta io, fa tsy fantatra hoe inona no fanaony sy fampianarany, na hoe ahoana no niandohany sy nitarany. Matoa miandoha amin’ny hoe “ao aminao koa” ny andininy miresaka azy io, dia angamba ratsy fitondran-tena sy nanompo sampy ny tao amin’izy io, toa an’ireo Israelita nanaraka “ny fampianaran’i Balama” resahin’ny andininy eo aloha. (Ap 2:14, 15) Avahan’ny Apokalypsy anefa ireo fampianarana roa ireo. Tsy mitombina, ohatra, ny filazan’ireo mpanoratra ny tantaran’ny Eglizy fahiny fa ilay Kristianina tany Antiokia (No. 1) io Nikoleo io, satria fotsiny hoe izy irery no manana an’io anarana io ao amin’ny Baiboly. Tsy voaporofo koa ny hoe nataon’ny mpivadi-pinoana sasany hoe Nikoleo ny anaran’ilay sekta, mba hisy lanjany kokoa ny fampianaran-disony. Azo inoana kokoa hoe olona tsy noresahin’ny Baiboly ilay Nikoleo namorona an’ilay sekta.