Nimroda
(Nimrôda).
Zanakalahin’i Kosy. (1Ta 1:10) Hita ao amin’ny asa soratr’ireo raby jiosy fa avy tamin’ilay matoanteny hebreo hoe marad (midika hoe “mikomy”) ny anarana hoe Nimroda. Izao no lazain’ny Talmoda babylonianina: “Nahoana àry izy no nantsoina hoe Nimroda? Satria izy nitaona an’izao tontolo izao manontolo hikomy (himrid) tamin’ny fitondran[’Andriamanitra].”—Rakipahalalana Momba ny Hevitry ny Teny ao Amin’ny Baiboly, nataon’i Menahem Kasher, Boky II, 1955, p. 79.
I Nimroda no nanorina fanjakana lehibe voalohany taorian’ny Safodrano, ary izy no mpanjakan’izy io. Niavaka izy satria milaza ny Genesisy 10:9 fa mpihaza mahery “teo anatrehan’i” (Prot.) na ‘teo imason’i’ (DIEM) Jehovah izy. Amin’ny heviny ratsy anefa ilay hoe “teo anatrehan’i” (heb.: panch), ary mety hidika hoe ‘miady amin’i’ na ‘manohitra an’i.’ (TV) (Ampit. Js 6:26; 1Ta 14:8; 2Ta 14:10.) Misy manam-pahaizana manazava fa manana heviny tsara ilay hoe ‘teo imason’i’ ampiasaina eto. Asehon’ny Targoma jiosy sy ny asa soratr’i Josèphe mpahay tantara ary ny Genesisy toko 10 anefa, fa mpihaza mahery nandrafy an’i Jehovah i Nimroda.
Tamin’i Nimroda nanomboka nanjaka, dia tao anatin’ny fanjakany ny tanànan’i Babela, Ereka, Akada, ary Kalne, izay samy tany Sinara. (Ge 10:10) Azo inoana àry fa baiko avy taminy no nanorenana an’i Babela sy ilay tilikambo tao. Izany koa no fiheveran’ny Jiosy hatramin’ny ela. Hoy i Josèphe: “Novan’i [Nimroda] tsikelikely ho fanjakana tsy refesi-mandidy ny fitondrany. Nataony izay niheveran’ny olona hoe tena nila ny fitondrany foana izy ireo. Izay ihany no fomba hitan’i Nimroda hoe azony nitaomana ny olona tsy hatahotra an’Andriamanitra intsony. Nandrahona ny hanao valifaty tamin’ Andriamanitra izy raha mbola nitady hanao safodrano indray Andriamanitra. Hanorina tilikambo avo tsy ho saron’ny rano mantsy, hono, izy ary hamaly faty noho ny nandringanana an’ireo razambeny. Faly erỳ ny olona nanohana an’i Nimroda, ka noheverin’izy ireo ho fanandevozana ny fanekena an’Andriamanitra. Nifarimbona nanorina an’ilay tilikambo àry izy ireo ... ary haingana be tsy araka ny nanampoizana azy ny fiakaran’ilay izy.”—Rakitry ny Ela Jiosy, I, 114, 115 (iv, 2, 3).
Taorian’ny nanombohan’i Nimroda nanorina ny Tilikambon’i Babela, dia toa nanitatra ny fanjakany hatrany Asyria izy, ka “nanorina an’i Ninive sy Rehobota-ira sy Kala, ary Resena izay teo anelanelan’i Ninive sy Kala: Izany no tanàna lehibe.” (Ge 10:11, 12; ampit. Mi 5:6.) Azo inoana fa avy tamin’ny anaran’i Asyra zanakalahin’i Sema ilay anarana hoe Asyria. Zafikelin’i Hama anefa i Nimroda, ka tsy maintsy ho nanafika tany amin’ny faritanin’ny Semita izy matoa lasany i Asyria. Toa hita amin’izany fa i Nimroda no olo-mahery (olona mahery fo) voalohany, ary tsy teo amin’ny fihazana biby ihany, fa tamin’ny naha miaramila mpiady sy mpanafika azy koa. (Ge 10:8) Hoy ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong (1894, Boky Faha-7, p. 109): “Hita mihitsy hoe tsy fihazana biby fotsiny ilay fihazana nataon’io mpihaza mahery io, satria voalaza fa nanorina tanàna valo koa izy. ... Nihaza biby i Nimroda taloha ary efa hita tamin’izany ny zavatra ho vitany rehefa hanafika tanàna izy. Efa hatry ny ela mantsy no noheverina ho olona mahery fo ny mpihaza mahay. ... Misy tsangambato asyrianina koa ahitana sary maro mampiseho zava-bita miavaka teo amin’ny resaka fihazana, ary matetika ny hoe fihazana no midika hoe fanafihana. ... Tatỳ aoriana, dia lasa hoe ady no tonga ao an-tsain’ny olona tao amin’io tany io rehefa nieritreritra hoe fihazana izy ireo, hany ka nanjary nitovitovy ny hevitr’ireo teny roa ireo. Midika izany fa i Nimroda no olona voalohany nanangana fanjakana taorian’ny safodrano, sy nampiray an’ireo fitondrana notantanan’ny loham-pianakaviana, ary nampitambatra an’ireny fitondrana nisaratsaraka sy niparitaka ireny ho eo ambany fahefany, ka izy no hany filoha sy tompo. Nataony mba hanoherana an’i Jehovah izany, satria avy amin’ny taranak’i Hama izy nefa niditra an-keriny tao amin’ny faritanin’ny taranak’i Sema.”
Natao andriamanitra i Nimroda. Jereo ilay lahatsoratra hoe ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY (Andriamanitry ny Babylonianina), izay manazava momba izany.