Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ninive

Ninive

(Ninivè).

Tanàna tany Asyria naorin’i Nimroda, izay “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah.” Izy io sy Rehobota-ira sy Kala ary Resena mitambatra no nantsoina hoe “tanàna lehibe.” (Ge 10:9, 11, 12; Mi 5:6) Lasa renivohitry ny Fanjakana Asyrianina i Ninive tatỳ aoriana. Nantsoina hoe “tanàna mpandatsa-dra” (Na 3:1) izy io, satria matetika no nandresy tany an’ady ny Asyrianina. Namono tamin-kabibiana an’ireo miaramila azony babo koa izy ireo. Azo antoka fa tamin’ireny ady ireny no nahazoan’ilay tanàna harem-be. (Na 2:9) Toa i Ishtar, andriamanibavin’ny fitiavana sy ady, no tena nivavahan’ireo mponina tao.

Izay hitan’ny mpikaroka. Misy dongon-tany roa antsoina hoe Koyonjik sy Nebi Yonos (“Jona Mpaminany”) eo amin’ny morony atsinanan’ny Reniranon’i Tigra, eny ampitan’i Mossoul (eo avaratr’i Irak). Teo amin’ireo dongon-tany ireo no nisy an’i Ninive fahiny. Tsy nanaovana fikarohana firy teo amin’i Nebi Yonos, na dia ao ambaniny aza ny lapan’i Esara-hadona. Misy tanàna kely sy toeram-pandevenana ary trano fivavahan’ny Silamo mantsy eo ankehitriny. Tanàna tsara tarehy tokoa anefa i Ninive fahiny, araka ny voka-pikarohana teo amin’i Koyonjik. Hita teo, ohatra, ny takelaka tanimanga an’arivony misy soratra miendri-pantsika notehirizin’i Asorobanipala tao amin’ny trano lehibe iray. Hita teo koa ireo lapan’i Sankeriba sy Asorobanipala efa ravarava. Hoy Atoa Austen Layard momba ireny lapa tena mampitolagaga ireny:

“Azo antoka fa tena tsara tarehy sy nahavariana ny tao anatin’ilay lapa asyrianina. Efa notantaraiko teo ny mombamomba ilay lapa efa rava. Mety ho azon’ny mpamaky sary an-tsaina àry fa nokendrena hampiaiky volana an’izay sambany nitsidika an’ilay tranon’ny mpanjaka asyrianina, ny fomba nanaovana an’ireo efitra. Liona na ombilahy goavam-be vita tamin’ny vatosanga fotsy no teo amin’ny varavarana fidirana. Feno sary sokitra mareva-doko natao tamin’ny vatosanga ny rindrin’ny efitra voalohany. Hita amin’izy ireny ny tantaran’ilay fanjakana, toy ny ady, fanaovana fahirano, fandresena, fihazana bibidia, ary fombafomba ara-pivavahana. Nisy soratra varahina mangirana teo ambanin’ny sary tsirairay, nanazava an’ilay izy. Nasiana sary hoso-doko koa teo ambonin’ireo sary sokitra, ka ahitana ny mpanjaka otronin’ireo tandapa sy miaramila sady mijery an’ireo babo entina eo anatrehany, na manao fifanekena amin’ny mpanjaka hafa, na manao adidy masina. Nisy haingony tsara tarehy sady voaloko tsara ny sisin’ireo sary hoso-doko. Nisongadina teo amin’ireny haingony ireny ny sarin’ilay hazo famantarana [an’i Asyria], ary ny sarina ombilahy manan’elatra sy biby mampahatahotra. Nisy sary mivohitra goavana koa tao amin’ilay efitra, dia ny sarin’ny mpanjaka. Mivavaka amin’ilay andriamanitra fara tampony izy, na mandray ny kaopy masina atolotry ny tandapany. Otronin’ny miaramila mpitondra ny fiadiany koa izy, sady otronina mpisorona na andriamanitra. Misy kisarisary sy sarina biby sy voninkazo mareva-doko ny akanjon’izy rehetra.

“Kapila vatosanga samy misy ny anaram-boninahitr’ilay mpanjaka malaza sy ny tetirazany ary ny zava-bitany no natao gorodona. Sarina liona na ombilahy goavam-be manan’elatra na sarina andriamanitra mpiaro no varavarana nidirana tao amin’ny efitra maro hafa. Nisy sary sokitra koa ny efitra tsirairay. Sary goavam-be no teo amin’ny rindrin’ny efitra sasany, ka ahitana lehilahy mitam-piadiana sy tandapa manotrona mpanjaka, ary miaramila mitondra zavatra azo babo, na mitarika olona babo, na mitondra fanomezana sy fanatitra ho an’ireo andriamanitra. Sarina mpisorona manan’elatra, na andriamanitra, mijoro eo anoloan’ny hazo masina kosa no teo amin’ny rindrina hafa.

“Efajoro natambatambatra ny valindrihana, ary nasiana sarim-boninkazo na sarim-biby miloko. Voaravaka ivoara ny sasany, ary nasiana sisiny mivohitra tsara tarehy ny efajoro tsirairay. Mety ho noravahana na nopetahana volamena sy volafotsy mihitsy aza ny tsivalan-kazo teny ambony sy ny rindrin’ireo efitra lehibe. Hazo faran’izay tsara koa, indrindra fa ny sedera, no nampiasaina tamin’ny rafitra. Nasiana varavarankely efajoro teny an-tampony, mba hidiran’ny hazavana tao amin’ireo efitra lehibe.”​—Ninive sy ny Sisa Tavela Tao, 1856, Fizarana II, p. 207-209.

Tamin’ny andron’i Jona. Nirahin’i Jehovah hilaza fanamelohana an’i Ninive i Jona mpaminany, tamin’ny taonjato fahasivy T.K. Ratsy fanahy mantsy ny mponina tao. Nibebaka anefa izy rehetra, anisan’izany ny mpanjaka, ka tsy naringan’i Jehovah indray. (Jo 1:1, 2; 3:2, 5-10) Tanàna lehibe i Ninive tamin’izany, ka “tsy maintsy dia an-tongotra telo andro vao vita ny fitetezana azy.” (Jo 3:3) Voalazan’ny Baiboly fa maherin’ny 120 000 ny mponina tao. (Jo 4:11) Mitombina izany raha jerena ny porofo hitan’ny mpikaroka. Hoy i André Parrot, mpiandraikitra an’ireo tranombakoka frantsay:

“Hafa mihitsy ilay tena antsoina hoe Londres sy ilay hoe Londres sy ny manodidina, izay faritra lehibe kokoa. Tamin’ireo olona nipetraka lavitra be an’i Asyria koa, dia mety ho ilay faritra fantatra ankehitriny hoe ‘telozoro asyrianina’ no natao hoe ‘Ninive.’ ... Nisy efapolo kilaometatra teo ho eo izy io hatreo Korsabada tany avaratra ka hatrany Nimroud tany atsimo, miaraka amin’ireo tanàna kely teo anelanelany. ...

“Notombanan’i Felix Jones ho 174 000 ny mponina tao Ninive. Vao haingana koa i M. Mallowan no nahita tsangambato nofongariny tao Nimroud. Voasoratra eo amin’izy io fa 69 574 be izao ireo nasain’i Asoronazirpala, indray mandeha! Notombanan’i Mallowan ho 65 000 tamin’ireo no nonina tao Kalakh (Nimroud), fa hafa firenena kosa ny ambiny. Avo roa heny noho ny an’i Nimroud anefa ny velaran’i Ninive, ka toa manaporofo tsy mivantana izany fa marina ilay isan’ny mponina voalazan’ny Jona 4.11.”​—Ninive ao Amin’ny Testamenta Taloha, 1955, p. 85, 86; jereo JONA No. 1; JONA, BOKIN’I.

Tanteraka ireo faminaniana momba ny faharavany. Nibebaka ireo Ninivita tamin’ny andron’i Jona (Mt 12:41; Lk 11:30, 32), saingy nanao ratsy indray tatỳ aoriana. Naminany àry i Nahoma (1:1; 2:8–3:19) sy Zefania (2:13-15) fa horavana i Ninive. Nilaza izany izy ireo, taona maromaro taorian’ny namonoana an’i Sankeriba Mpanjaka tao an-tranon’i Nisroka andriamaniny (2Mp 19:36, 37; Is 37:37, 38), tao Ninive. Tanteraka izany rehefa nanao fahirano azy io i Nabopolasara mpanjakan’i Babylona sy Cyaxare Medianina, ka naharesy azy. Nodoran’izy ireo ilay tanàna, araka ny hita amin’ireo sary mivohitra asyrianina maro main’ny afo na maintin’ny setroka. Hoy ny fitantarana iray avy any Babylona momba an’i Ninive: “Nentin’izy ireo ny zavatra maro be azony tao amin’ilay tanàna sy ilay tempoly, (ary) noravany ilay tanàna.” (Tantaran’i Asyria sy Babylona, nataon’i A. Grayson, 1975, p. 94; SARY, Boky 1, p. 958) Mbola aolo foana i Ninive hatramin’izao, ary misy andian’ondry miraoka ahitra eo an-tampon’ilay dongon-tanin’i Koyonjik, na eo akaikiny, rehefa lohataona.

Taona naharavany. Miresaka momba ny faharavan’i Ninive ny takelaka tanimanga iray misy soratra miendri-pantsika. Voaresaka teo amin’izy io koa ny taona naharavany saingy voafafa. Azo fantarina avy amin’ilay tantara manontolo anefa hoe tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Nabopolasara ilay izy. Manampy antsika hahafantatra azy io koa ny daty manan-tantara resahin’ny Baiboly. Resahin’ny fitantarana iray avy any Babylona fa resy tao Karkemisy ny Ejipsianina, tamin’ny taona faha-21 nanjakan’i Nabopolasara. Nitranga tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, na tamin’ny taona 625 T.K. izany, araka ny fitantaran’ny Baiboly. (Je 46:2) Fito taona teo ho eo talohan’izay anefa i Ninive no rava, tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Nabopolasara. Tamin’ny 632 T.K. àry i Ninive no rava.​—Jereo ASYRIA (Resy ilay fanjakana).