Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Nirenireny Tany An-tany Efitra

Nirenireny Tany An-tany Efitra

REHEFA avy nafahana tany Ejipta ny Israely, dia nirenireny 40 taona tany Sinay, nanaraka lalana sarotra tsy falehan’ny mpivarotra. “Tany efitra lehibe sy mampahatahotra, izay onenan’ny bibilava misy poizina sy ny maingoka, sady tany karakaina tsy misy rano” izany. (De 8:15) Nahoana izy ireo no tsy maintsy nandia an’izany?

Rehefa niala tany Ejipta ny Israelita dia novorin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ka nomeny lalàna tamin’ny alalan’i Mosesy, ary nalaminy ho firenena. Tokony ho tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo taoriana kelin’izay, nefa tsy izany no nitranga. Nahoana? Tsy naneho finoana izy ireo sady nikomy tamin’i Mosesy, mpitarika voatendrin’Andriamanitra, nefa i Jehovah efa nanao zavatra maro ho azy ireo. Te hiverina tany Ejipta izy ireo, satria naleony nino tatitra ratsy momba an’i Kanana! (No 14:1-4) Namoaka didim-pitsarana avy hatrany àry i Jehovah: Rehefa afaka 40 taona vao hiditra ny Tany Nampanantenaina ilay firenena. Ho faty daholo àry ireo anisan’ilay taranaka tsy nanam-pinoana.

Anatra ny nanjo ny Israely tany an-tany efitra, mba hitandreman’ny Kristianina amin’ny tsy fahampiam-pinoana.​—He 3:7-12.

SARITANY: Nirenireny Tany An-tany Efitra

Vitsy sady nifanalavitra ny faritra lonaka tany amin’io tany voalaza fa “tsy nisy rano” io

Nirenireny tany ‘an-tany efitra lehibe sady nampahatahotra’ nandritra ny 40 taona ny Israelita

Tendrony avaratra amin’ny Hoalan’i ʽAkaba. Nitoby teo ny Israelita rehefa hifarana ilay diany 40 taona tany an-tany efitra