Nisroka
(Nisrôka).
Andriamanitra nivavahan’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria. Tao amin’ny tempolin’izy io i Sankeriba no novonoin’i Adrameleka sy Sarezera zanany. (2Mp 19:36, 37; Is 37:38) Maromaro ny manam-pahaizana milaza fa i Nosko, andriamanitra afo, ihany no Nisroka. Nanampy handresy ny fahavalo, hono, i Nosko, ary mpitondra hafatr’ireo andriamanitra sady mpanome rariny. Tsy hay marina anefa hoe iza amin’ireo andriamanitra fantatra fa nivavahan’ny Asyrianina no Nisroka.