Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

No, No-amona

No, No-amona

(No-amôna) [avy amin’ny teny ejipsianina, ary midika hoe “Tanànan’i Amona [andriamanitra ejipsianina]”].

Tanàna nalaza teo amin’ny andaniny roa amin’i Neily any Ejipta Ambony, tany amin’ny 530 km teo ho eo atsimon’i Le Caire. Efa nisy fotoana koa izy io renivohitr’i Ejipta. Thèbes no niantsoan’ny Grika an’io tanàna io, ary mbola izany no iantsoana azy ankehitriny.

Nisy manam-pahaizana nilaza fa diso ny nandikana ny anaran’ilay tanàna ejipsianina amin’ny teny hebreo hoe “No.” (Je 46:25) Hoy anefa ilay manam-pahaizana atao hoe T. Lambdin: “Marina ihany angamba ny fomba nanoratana an’ilay teny hebreo sady mety ho nitovitovy tamin’ny fanononana ejipsianina fahiny, araka ny famakafakana vao haingana momba ny fomba fanononana ny teny ejipsianina sy kôpta ... Tsy tena fantatry ny manam-pahaizana momba an’i Ejipta koa hoe ahoana marina ny fanononana ireo renisoratra amin’ilay teny ejipsianina, ka vao mainka izany manasaro-javatra.”​—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-4, p. 615, 616.

Nantsoina hoe “Tanànan’i Amona” io tanàna io ao amin’ireo soratra ejipsianina fahiny, satria tao no foiben’ny fivavahana tamin’i Amona. Tsy nalaza firy io andriamanitra io taloha, nefa nanjary ny andriamanitra lehibe indrindran’i Ejipta. Nampitovin’ny Grika tamin’i Zeosy (Jopitera) mihitsy aza izy io. (Jereo AMONA No. 5.) Nanorina tsangambato sy tempoly goavam-be ireo farao teo amin’ny faritra iray midadasika tao No, teo amin’ny morony atsinanan’i Neily (tao Karnak sy Louxor). Nanao tempoly hafa tsara tarehy sy toeram-pandevenana ngezabe koa izy ireo teo amin’ny morony andrefana. Ilay tempolin’i Amona ao Karnak no misy ireo andry makadiry indrindra vitan’olombelona. Mahatratra 3,5 m eo ho eo ny savaivon’ny andry sasany.

Lasa renivohitr’i Ejipta. Nandritra ilay vanim-potoana antsoina hoe “Fanjakana Vaovao: Tarana-mpanjaka Faha-18-20” no tena nalaza i Thèbes, ka lasa renivohitr’i Ejipta. Lavitry ny ranomasina ilay tanàna sady lavitra an’ilay andilan-tany mampifandray an’i Ejipta amin’i Azia, ka sarotra notafihina. Nohararaotin’ireo mpanjakan’i Ejipta Ambony nalaina angamba ny fitondrana, rehefa nihena be ny fahefan’ireo mpitondra tany Ejipta Ambany. Mety ho tsy natokisan’ny vahoaka intsony koa ireo mpitondra ireo, taorian’ny nanafahany ny Israelita. Tsy fantatra izay tena nitranga, fa ny azo antoka dia hoe nisy fanovana be mihitsy tamin’izay.

Nisy an’ireo mpisoron’i Amona. Na dia nafindra tany an-toeran-kafa aza ny fitantanana ny raharaham-panjakana, dia mbola nanan-karena sy nalaza ihany i No-amona (Thèbes). Tao mantsy no nisy an’ireo mpisoron’i Amona, ary lehibe tokoa ny fahefan’izy ireo. Ny lehiben’ny mpisorona no nanana fahefana sy nanan-karena indrindra nanarakaraka an’i Farao. Anisan’ireo firenena notafihin’i Esara-hadona, mpanjaka asyrianina, anefa i Ejipta tamin’ny taonjato fahafito T.K. Mbola nanafika an’i Ejipta koa i Asorobanipala zanany izay nandimby azy. Tonga hatrany Thèbes io mpanjaka io, ary norobainy tanteraka ilay tanàna. Izany fandravana izany angamba no noresahin’i Nahoma mpaminany, rehefa nampitandrina an’i Ninive, renivohitr’i Asyria, izy hoe horavana toy izany koa izy io. (Na 3:7-10) Tsy naharo an’i No-amona ireo toerany voaro mafy, teo amin’ny lalana nankany Palestina ka hatrany amin’i Neily. Norobain’ny Asyrianina ny harem-be azony tamin’ny raharaham-barotra sy ny harem-be tao amin’ireo tempoliny.

Noravana. Nihanalaza indray anefa i No-amona tany amin’ny faramparan’ny taonjato fahafito na tany am-piandohan’ny taonjato fahenina T.K. Nilaza mialoha i Jeremia sy Ezekiela fa hampiasa an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, i Jehovah Andriamanitra mba hampiharana ny didim-pitsarany amin’i Amona ao No, ilay andriamanitra lehibe indrindran’i Ejipta, sy amin’i Farao ary amin’ireo andriamanitra hafa rehetran’i Ejipta. (Je 46:25, 26; Ezk 30:10, 14, 15) Resin’i Cambyse, mpitondra persianina, indray i No-amona tamin’ny 525 T.K. Nihena ny lazan’ilay tanàna. Nandrava azy io tanteraka ny Romanina notarihin’i Caius Cornelius Gallus, tamin’ny farany, satria nikomy tamin’ny fanjakana romanina (30/29 T.K.) izy io. Efa ravarava ankehitriny ny tempoly lehiben’ireo andriamanitr’i No tsy nanan-kery, ary tanàna kely vitsivitsy sisa no manodidina azy ireny.