Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Noa

Noa

NOA

(Noà).

1. [Heb.: Noah; mety hidika hoe Fitsaharana; Fampiononana]. Zanak’i Lameka i Noa, ary taranaka fahafolo raha isaina manomboka amin’i Adama. Taranak’i Seta izy, ary teraka tamin’ny 2970 T.K., izany hoe 126 taona taorian’ny nahafatesan’i Adama. Nataon’i Lameka hoe Noa ny anarany, satria hoy izy: “Izy no hitondra fampiononana ho antsika. Ilaintsika mantsy izany satria miasa mafy sy misasatra isika noho ny nanozonan’i Jehovah ny tany.”—Ge 5:28-31.

Tsy nisy tsiny teo amin’ny mpiara-belona taminy. Niharatsy ilay tontolo tamin’ny andron’i Noa, satria nisy anjely nandao ny toerany tany am-boalohany sy ny fonenana sahaza azy ka nanambady vehivavy. Niteraka “lehilahy nanan-daza” izy ireo, ka nahatonga ny tany ho feno herisetra. (Ge 6:1-4; Jd 6) Vokatr’izany, dia lasa ‘zava-dratsy foana no nalehan’ny sain’ny olona’, ary “simba ny tany, satria nanao ratsy ny olona rehetra teto an-tany.” (Ge 6:5, 11, 12) Tsy mba nanao toy izany kosa i Noa. Lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa “olo-marina i Noa, ary tsy nisy tsiny izy teo amin’ny mpiara-belona taminy. Eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy.” (Ge 6:8, 9) Mety raha nolazaina hoe “tsy nisy tsiny” i Noa, satria tsy nanahaka an’ilay tontolo ratsy izy fa nanatanteraka an’izay rehetra notakin’Andriamanitra.—Ampit. Ge 6:22; jereo LAVORARY, TONGA LAFATRA.

Nikasa handringana an’ilay tontolo ratsy i Jehovah. Noferan’i Jehovah ny fotoana haharetan’ilay tontolo ratsy, ka hoy izy: “Tsy handefitra tsy misy farany amin’ny olona aho, satria nofo ihany izy. Koa ho roapolo amby zato taona ny androny.” (Ge 6:3) Didim-pitsaran’Andriamanitra io, raha ny marina. Niteraka an’ilay lahimatoany (angamba i Jafeta) i Noa, 20 taona teo ho eo taorian’izay, izany hoe tamin’ny 2470 T.K. Teraka koa i Sema, zanany iray hafa, roa taona tatỳ aoriana. Tsy voalaza ny fotoana nahaterahan’i Hama. Fantatra kosa fa efa lehibe izy telo lahy ary efa nanambady, rehefa nasain’Andriamanitra nanamboatra sambofiara i Noa. Azo inoana àry fa 40 na 50 taona monja taorian’izay dia tonga ny Safodrano. (Ge 6:13-18) Nanao fifanekena tamin’i Noa i Jehovah, ka nanomboka nanamboatra ilay sambofiara i Noa (Ge 6:18), ary nanampy azy ny vady aman-janany. ‘Nitory ny fahamarinana’ koa izy, ary nampitandrina an’ilay taranaka ratsy fanahy fa ho avy tsy ho ela ny fandringanana.—2Pe 2:5.

Narovana nandritra ny Safodrano. Tsy nino ny olona hoe handringana an’ilay tontolo ratsy Andriamanitra. Natanjaka kosa ny finoan’i Noa, ka nankatò tanteraka izy. “Nanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy i Noa. Izany indrindra no nataony.” (Ge 6:22) Tena nino an’i Jehovah izy, ka resahin’ny bokin’ny Hebreo hoe anisan’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona.” Izao no voalaza ao: “Finoana no nanehoan’i Noa tahotra an’Andriamanitra sy nanamboarany sambofiara hamonjena ny ankohonany, rehefa nahazo fampitandremana avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hitany izy. Ary izany finoana izany no nanamelohany an’izao tontolo izao, ka tonga mpandova an’ilay fahamarinana izay araka ny finoana izy.”—He 11:7; 12:1.

Nasain’i Jehovah nampidirin’i Noa tao anatin’ny sambofiara ny biby, fito andro talohan’ilay safodrano. Ny andro fahafito tamin’io herinandro io, dia “niditra tao anatin’ny sambofiara i Noa sy ny vadiny, mbamin’ireo zanany lahy sy ny vadin’izy ireo, talohan’ny nahatongavan’ny safodrano.” “Dia nohidian’i Jehovah ny varavarana.” Tamin’io andro io indrindra no “tonga ny safodrano ka nandringana [ny ratsy fanahy] rehetra.”—Ge 7:1-16; Lk 17:27.

Tsy lany tamingana ny olombelona sy ny biby, noho ireo olona sy biby tao anatin’ny sambofiara. Tsy fongana koa ny fivavahana marina. Tamin’ny alalan’i Noa sy ny ankohonany no nahafahan’Andriamanitra nitahiry ny tantaran’ny famoronana, ary azo natao ny nanisa miverina mba hahalalana ny fotoana namoronana ny olombelona. Tamin’ny alalan-dry Noa koa no nahafahana nitahiry an’ilay fiteny tany am-boalohany (nantsoina tatỳ aoriana hoe Hebreo). Nosoratan’i Noa tsy nisy diso ny zava-dehibe nitranga isan’andro tao anatin’ilay sambofiara.—Ge 7:11, 12, 24; 8:2-6, 10, 12-14.

Tsodrano taorian’ny Safodrano sy fifanekena ny amin’ny avana. Namantana tany voadio ry Noa rehefa avy nijanona herintaona teo ho eo tao anatin’ilay sambofiara. Nipetraka teo amin’ny Tandavan-tendrombohitra Ararata ilay sambofiara. Tsara fanahy sy be fitiavana tamin’i Noa i Jehovah, sady namindra fo sy niaro azy. Nankasitraka izany i Noa, ka nanorina alitara. “Naka tamin’ny biby madio sy ny biby manidina madio izy, ka nanolotra fanatitra dorana teo ambonin’ilay alitara” ho an’i Jehovah. Faly i Jehovah ary nilaza taminy fa tsy hanozona ny tany sady tsy handringana ny zava-drehetra intsony. Hisy foana koa “ny famafazam-boa sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.”—Ge 8:18-22.

Nitso-drano an’ireo olona tsy maty tamin’ny Safodrano ireo i Jehovah hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” Nanome an’ireto didy vaovao ireto izy avy eo, mba hahasoa azy ireo: 1) Azo atao ny mihinan-kena, 2) tsy tokony hohanina anefa ny ra, satria ao amin’ny ra ny aina, 3) tokony hovonoina ho faty izay nahafaty olona, ka izay olona nomena fahefana no hamono azy. Natao ho an’ny olombelona rehetra ireo lalàna ireo, satria taranak’izy telo lahy zanak’i Noa daholo ny rehetra.—Ge 1:28; 9:1-7; 10:32.

Ary ahoana ilay fifanekena ny amin’ny avana? Hoy i Jehovah: “Izaho dia manao fifanekena aminareo sy ny taranaka handimby anareo ary amin’ny zavamananaina rehetra eo aminareo, dia ny vorona sy ny biby fiompy ary ny bibidia rehetra eny ambonin’ny tany ... Koa izao no fifanekena ataoko aminareo: Tsy ho ringan’ny safodrano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safodrano hanimba ny tany intsony.” Mbola “famantarana” na fampahatsiahivana an’io fifanekena io ny avana hatramin’izao.—Ge 9:8-17; Is 54:9.

Mamo i Noa. Mbola velona 350 taona taorian’ny Safodrano i Noa. Tsy afenin’ny Baiboly izay nataony: “Nanomboka ny asan’ny mpamboly i Noa ka nanao tanimboaloboka. Ary nisotro divay izy ka mamo, dia nanary lamba teo afovoan’ny tranolainy.” (Ge 9:20, 21) Tsy midika izany hoe mpimamo i Noa. Tantarain’ny Baiboly kosa izany mba ho azontsika tsara ny zava-nitranga taorian’izany, izay nisy vokany lehibe teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Tsy nanaram-po “nisotro” toa an’ireo olona ratsy toetra nanodidina azy i Noa, talohan’ny Safodrano. Azo antoka fa niboboka sy niliba izy ireny, ka lasa tsy nihontsina. Azo inoana fa anisan’ny nahatonga azy ireny tsy hiraharaha ny fampitandreman’Andriamanitra izany, “mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”—Mt 24:38, 39; Lk 17:27.

Nanao zavatra tsy nety i Hama (ary angamba koa i Kanana zanany lahy), tamin’i Noa mamo ka natory tao an-tranolainy. Tena tsy nanaja an’i Noa izy. “Nifoha i Noa tamin’ny farany, rehefa nisava ny hamamoany, ka nanjary fantany izay efa nataon’ny faralahiny taminy.” I Hama no heverin’ny maro hoe ‘faralahin’i’ Noa voaresaka eo. Ampiasain’ny Baiboly hilazana ny zafikely koa anefa indraindray io teny io, ary i Kanana no zafikelin’i Noa. Na izany na tsy izany, dia tsy nandrakotra ny fitanjahan’i Noa toy ny nataon’izy roa lahy zokiny i Hama, fa lasa nitantara tamin’izy ireo ny zavatra hitany. Nanozona an’i Kanana i Noa, rehefa fantany izay nitranga, fa nisaotra an’i Jehovah Andriamanitr’i Sema kosa.—Ge 9:20-27.

Fikomian’i Nimroda. I Noa no loham-pianakaviana voalohany, taorian’ny Safodrano. (Ge 10:1-32) Nampalahelo fa niseho indray ny fivavahan-diso, raha mbola tsy maty akory izy. Nikomy mantsy ireo olona nanaraka an’i Nimroda ka nanomboka nanorina “tilikambo izay mahatakatra ny lanitra ny tampony.” Amin’izay, hono, izy ireo tsy “hiparitaka manerana ny tany.” Nifanohitra tanteraka tamin’ilay baikon’Andriamanitra hoe “mamenoa ny tany” anefa izany, sady fikomiana tamin’i Noa izay mpaminanin’Andriamanitra. Roa taona teo ho eo talohan’ny nahaterahan’i Abrahama i Noa vao maty. Mbola hitany àry ny nanamelohan’i Jehovah an’ireo nanorina ny Tilikambon’i Babela sy ny niparitahan’ireo mpikomy ireo nanerana ny tany. Tsy anisan’ireo nanorina an’ilay tilikambo i Noa sy Sema, ka tsy natao nisafotofoto ny fiteniny. Mbola ilay fiteny tany am-boalohany, izay nomen’Andriamanitra an’i Adama, àry no nampiasain’izy ireo.—Ge 9:1, 28, 29; 11:1-9.

Faminaniana. Niresaka momba an’i Noa mpanompon’Andriamanitra i Isaia sy Ezekiela mpaminany, i Jesosy Kristy, ary ny apostoly Petera sy Paoly. Nanazava i Jesosy sy Petera fa ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Noa dia nanambara mialoha izay hitranga amin’ny “fanatrehan’ny Zanak’olona” sy amin’ny “andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.” Niaro an-dry Noa mianakavy i Jehovah tamin’izy nandringana an’ilay tontolo ratsy tamin’izany. ‘Nataon’i Jehovah ho ohatra ho an’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra’ izany, “raha ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy.”—2Pe 3:5-7; 2:5, 6; Is 54:9; Ezk 14:14, 20; Mt 24:37-39; He 11:7; 1Pe 3:20, 21.

2. [Heb.: Noʽa]. Iray tamin’izy dimy vavy zanak’i Zelofada, avy amin’ny fokon’i Manase. Maty tsy nitera-dahy i Zelofada, ka namoaka didy i Jehovah hoe tokony homena an’ireo zanany vavy ny anjara lovan’ny rainy teo amin’ny fokony. Lasa lalàna mipetraka io didy io. Nanjary nisy lalàna koa, tatỳ aoriana, nilaza fa tokony hanambady lehilahy anisan’ny fokony izay vehivavy nahazo lova. Ho afaka hihazona ny lovany izy amin’izay, ka tsy hifindra foko ny lova.—No 26:28-33; 27:1-11; 36:6-12; Js 17:3, 4.