Noba
(Nôba).
1. [avy amin’ny matoanteny fototeny midika hoe “hodi-kazo”]. Israelita, izay azo inoana fa anisan’ny fokon’i Manase, ary namabo an’i Kenata sy ireo tanàna niankina taminy. Nampitondrainy ny anarany ny tanànan’i Kenata taorian’izay, ka nantsoiny hoe Noba.—No 32:42.
2. Tanàna nobaboin’i Noba tany atsinanan’i Jordana. (No 32:39, 42) Tsy naharitra ela ilay anarany hoe Noba, satria nanjary nantsoina tamin’ilay anarany taloha hoe Kenata indray izy io tatỳ aoriana. (1Ta 2:23) Misy tanàna efa rava ao Kanaoat, tokotokony ho 90 km any atsimo atsimoatsinanan’i Damaskosy, ary maro no milaza fa teo no nisy an’ilay tanàna fahiny.
3. Toerana tany atsinanan’i Jordana, sy tany akaikin’i Jogbeha any Gada. (No 32:34, 35; Mpts 8:11) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy.
4. Tanàna tao amin’ny faritanin’i Benjamina, ary akaikin’i Jerosalema. Tsy fantatra marina izay tena nisy an’i Noba. Asehon’ny Nehemia 11:31, 32 sy ny Isaia 10:28-32 anefa fa tany akaikin’i Anatota no nisy azy io, ary mety ho tany akaikin’ny havoana iray nahatazanana an’i Jerosalema. Misy mihevitra an’i Noba ho toerana iray any Ras el Moshraf (Tendrombohitra Scopus), tokotokony ho 1,5 km any avaratratsinanan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tany Jerosalema. Raha marina izany, dia tokony ho teo avaratra kelin’ny Tendrombohitra Oliva no nisy azy io.
Tamin’i Davida nandositra an’i Saoly, dia nankany amin’i Ahimeleka Mpisoronabe tany Noba “tanànan’ireo mpisorona” izy. Nanomezan’i Ahimeleka tamin’ny mofo aseho izy mba ho an’ireo lehilahy niaraka taminy. Nomeny azy koa ny sabatr’i Goliata, izay notehirizina tao. Nafindra tao Noba angamba ny tranolay masina rehefa niharan’ny fanamelohan’Andriamanitra i Silo. (Ampit. 1Sa 14:3; Sl 78:60; Je 7:12-14.) Nampangain’i Saoly ho mpikomy i Ahimeleka noho izy nanampy an’i Davida. Nanaraka ny baikon’i Saoly àry i Doega Edomita ka novonoiny ny mpisoronabe sy ny mpisorona hafa niisa 84. Naripany koa avy eo izay tao Noba, na lehilahy na vehivavy, na ankizy na biby. I Abiatara zanakalahin’i Ahimeleka ihany no afa-nandositra.—1Sa 21:1-9; 22:6-23.
Voatonona koa i Noba tamin’i Asyria nanafika an’i Jerosalema. (Is 10:24, 32) Niverina nonina tao ny Benjamita taorian’ny sesitany tany Babylona.—Ne 11:31, 32.