Nofo, Hena
Ny faritra malemilemy mandrakotra ny vatan’ny olona, biby, vorona, na hazandrano. Hozatra sy tavy no tena betsaka ao amin’ny nofo. Nofo no tena hevitry ny teny hebreo hoe basar sy ny teny grika hoe sarks. Milaza ny Baiboly fa tsy mitovy ny nofon’ny zavamananaina samihafa. (1Ko 15:39) Hitan’ny manam-pahaizana tokoa fa samy hafa be ny zavatra simika ao amin’ny nofon’ny olona sy ny biby sy ny vorona ary ny hazandrano, ary samy hafa koa ny firafitry ny selan’ny nofon’izy ireo.
I Jehovah Andriamanitra no Mpamorona ny nofo rehetra sy manome aina azy ireo, ka izany no iantsoana azy hoe “Jehovah Andriamanitra mpanome aina ny karaza-nofo rehetra.” (No 27:16; ampit. Ge 6:17.) Milaza izy fa ao amin’ny ra ny ain’ny nofo. (Le 17:11-14) Zavamaniry sy voankazo no nomena ho sakafon’ny olona, tamin’ny voalohany, fa tsy hena na nofom-biby. Taorian’ny Safodrano vao navelan’Andriamanitra hihinan-kena izy ireo. Hoy anefa izy tamin’izay: “Izao ihany no tsy azonareo hanina: Ny nofo misy aina, izany hoe mbola misy ra.”—Ge 9:3, 4.
Tena halan’Andriamanitra ny fihinanana olona, sady halan’ny Israely olony koa. Naharikoriko sy tsy neken’ny saina koa izany. (De 28:53-57; 2Mp 6:28-30) Tsy azon’ny Israelita natao ny nihinana henam-biby efa noviravirain’ny bibidia na henan’ny biby maty ho azy. Naharikoriko azy ireo izany, sady tsy nalatsa-dra ara-dalàna.—Ek 22:31; Le 17:15, 16; De 14:21.
Nandidy ny olony Andriamanitra hoe rehefa mamono biby atao sakafo izy ireo, dia tokony hararany amin’ny tany ny ran’ilay biby ary hototofany vovoka. Tokony hitandrina izy ireo mba tsy hihinan-dra, sao hovonoina ho faty. (De 12:23-25; Le 7:27) Namerina an’io fandrarana io ny filan-kevi-pitantanan’ny fiangonana kristianina voalohany. Noraran’izy ireo ny fihinanana biby nokendaina na tsy nalatsa-dra. Noraran’izy ireo koa ny fihinanana hena natao fanatitra iombonana ho an’ny sampy, izay fanaon’ny mpanompo sampy tamin’izany. (As 15:19, 20, 28, 29) Marina fa afaka mihinan-kena ny Kristianina, nefa tsy tena ilaina mba hahavelomana izany, matoa nilaza i Paoly fa “tsy hihinan-kena intsony mihitsy” izy, raha mety hanafintohina Kristianina hafa izany.—Ro 14:21; 1Ko 8:13.
Fanomezan’Andriamanitra ny vatana nofo aman-dra ka tokony hohajaina. Tsy tokony hisy àry hanao fanahy iniana hampijaly na handratra ny vatany, na ny vatan’olon-kafa.—Le 19:28; De 14:1; Ek 21:12-27.
Rohim-pihavanana. Ampiasaina hilazana rohim-pihavanana ny teny hoe “nofo.” I Eva no havan’i Adama akaiky indrindra, satria nolazain’i Adama hoe “taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko.” (Ge 2:23; jereo koa Ge 29:14; 37:27; 2Sa 5:1.) Tena akaiky ny fifandraisan’ny mpivady matoa lazaina hoe “ho nofo iray ihany izy roa.” (Ge 2:24; Mt 19:5, 6) Nilaza i Paoly fa i Jesosy dia “avy amin’ny taranak’i Davida raha araka ny nofo.”—Ro 1:3; ampit. 9:3.
Ilay olona mihitsy, ny olombelona, ny biby misy nofo. Ny faritra hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny vatana no atao hoe “nofo”, ka nanjary nampiasaina hilazana ny vatana manontolo. (Le 17:14; 2Mp 4:34) Ampiasaina hilazana an’ilay olona mihitsy na ny tenany koa ny hoe “nofo.” (Ro 7:18; Kl 2:5) Lazaina hoe “nofo” koa ny olombelona rehetra, indrindra raha Andriamanitra, izay Fanahy, no miteny izany. (Ge 6:12; Is 66:16; Lk 3:6) Ilazana ny biby koa ny hoe “nofo”, indraindray. (Ge 7:16, 21) Matetika no ampifanoherin’ny Baiboly ny nofo sy Andriamanitra izay Fanahy. Asongadiny amin’izany fa tsinontsinona ny olona raha oharina amin’Andriamanitra. (Ge 6:3; 2Ta 32:8; Sl 56:4) Tsaroan’i Jehovah foana izany na dia mahery aza izy. Izany no mahatonga azy ho tena tsara fanahy sy be fitiavana ary miantra olona sy mahari-po aminy.—Sl 78:39; ampit. Sl 103:13-15; 1Pe 1:24, 25.
Mety hidika hoe faritra amin’ny vatana, indrindra fa ny filahiana, koa ny hoe “nofo.” Hoy ny Levitikosy 15:2: “Raha misy tsiranoka mivoaka amin’ny filahian’ny [a.b.t.: nofon’ny] lehilahy, dia fahalotoana izany.”—Ampit. Ezk 23:20, f.a.p.; Ef 2:11; Kl 2:13.
Vatana ara-panahy. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha misy vatana ara-nofo, dia misy koa ara-panahy.” (1Ko 15:44) Manamarina izany ny tenin’ny apostoly Petera momba ireo olona nofo aman-dra izay voantso ho mpiara-mandova amin’i Kristy. Nilaza i Petera fa “ho fanahy tahaka an’Andriamanitra” izy ireo, izany hoe hiaina any amin’ny faritra tsy hita maso any an-danitra. (2Pe 1:4) Hahazo vatana ara-panahy sy voninahitra toy ny an’i Kristy izy ireo. Izany no nilazan’i Petera hoe: “Naterak’[Andriamanitra] indray [anagennesas hemas] ho amin’ny fanantenana velona isika, tamin’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, eny, naterany indray ho amin’ny lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra, izay voatahiry any an-danitra ho anareo.” (1Pe 1:3, 4) Midika izany fa hiova vatana ireny Kristianina ireny, rehefa hatsangana amin’ny maty. Nanazava tsara izany i Paoly ao amin’ny Korintianina Voalohany toko 15. Nilaza izy fa tsy maintsy maty ny Kristianina voahosotra, ary rehefa hatsangana dia hanana vatana hafa, izany hoe, vatana ara-panahy. “Tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra” mantsy ny nofo aman-dra, “ary izay mety lo tsy mandova ny tsy mety lo.”—1Ko 15:36, 38, 44, 49-54.
Ny vatana nofo nananan’i Jesosy Kristy. “Avy any an-danitra” i Jesosy, ilay atao koa hoe ‘ny Tenin’Andriamanitra.’ Nafoiny anefa ny vatana ara-panahy nananany ka “tonga nofo” izy. (Jn 1:1; 1Ko 15:47; Fi 2:5-8; Jn 1:14; 1Ti 3:16) Tsy fanahy intsony izy rehefa nateraka ho olona. Tsy hoe nitafy nofo fotsiny, toy ny nataon’ny anjely sasany fahiny, koa anefa izy. (Ge 18:1-3; 19:1; Js 5:13-15) Nilaza mantsy ny apostoly Jaona fa “efa tonga tamin’ny nofo” i Jesosy Kristy, ary antikristy izay tsy manaiky izany. (1Jn 4:2, 3) Tsy maintsy tonga nofo sy nateraka ho olona tena olona izy, satria hanome ny vidim-panavotana hamonjena ny taranak’olombelona, ary hanampy an’ireo voantso hiara-miasa aminy any an-danitra. Hoy ny Baiboly: “Koa satria manana nofo aman-dra ny ‘zaza’, dia tonga nofo aman-dra toy izany koa izy.” (He 2:14-16) Nolazaina hoe “mbola nofo” izy tamin’izy teto an-tany. (He 5:7) Hoy mihitsy izy: “Ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” Nanazava izy fa tsy maintsy ‘mihinana ny nofony sy misotro ny rany’ ireo manantena ho tafaray aminy foana. Manana heviny ara-panahy sy an’ohatra anefa izany. Tsy nahatakatra izany ny mpianany sasany, ka tafintohina. Nihevitra mantsy izy ireo fa nasain’i Jesosy nihinana olona.—Jn 6:50-60.
Fantatr’i Jesosy, tamin’izy teto an-tany, fa hovonoina ho sorom-panavotana izy. ‘Nitoetra tamin’ny fanantenana’ anefa ny nofony. Fantany mantsy fa hatsangan’ny Rainy izy, ho voaloa soa aman-tsara ny vidim-panavotana, ary tsy ho lo ny nofony. (As 2:26, 31) Azo inoana fa i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nanafoana tanteraka ny vatana nofo nananan’i Jesosy (angamba ataoma bitika tsy hita maso sisa tavela teo). (Lk 24:2, 3, 22, 23; Jn 20:2) Tsy hoe nalain’i Jesosy indray izany vatany ara-nofo izany. Nanafoana an’ilay vidim-panavotana mantsy izy raha nanao izany. Hoy i Petera: “Nofo izy rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina.” (1Pe 3:18) Hita amin’izany fa fanahy i Kristy rehefa nankany an-danitra, izany hoe nankany amin’ny fonenan’Andriamanitra sy ny anjely, fa tsy fonenan’ny nofo aman-dra. Efa zavaboary ara-panahy sy mahery ary tsy mety maty izy rehefa nitsangana. Talohan’ny niakarany tany an-danitra anefa, dia niseho tamin’ny mpianany izy ary nitafy vatana samy hafa, arakaraka ny zava-nisy. Nanome porofo hita maso sy azo tsapain-tanana tamin’izy ireo izy fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa.—Jn 20:13-17, 25-27; 21:1, 4; Lk 24:15, 16.
Nilaza i Paoly fa ny nofon’i Jesosy dia nifanitsy tamin’ilay ridao teo anoloan’ny Masina Indrindra, tao amin’ny toerana masina. Rehefa avy nanao sorona an’io nofony io mantsy i Jesosy vao nisokatra ny lalana mankany an-danitra, izany hoe mankao amin’ny Masina Indrindra an’ohatra.—He 9:24; 10:19, 20.
Olombelona tsy lavorary. Matetika no ampiasain’ny Baiboly ny hoe “nofo” mba hilazana ny olombelona tsy lavorary sy taranak’i Adama mpikomy. “Efa mpanota” izy ireny ‘raha vao niforona tao an-kibo.’ (Sl 51:5; Ro 5:12; Ef 2:3) Tsapan’ireo miezaka hanompo an’Andriamanitra fa ‘mazoto ihany ny sainy, saingy ny nofony no malemy.’ (Mt 26:41) Miady tsy an-kijanona amin’ny tenany ihany ireny mpanompon’Andriamanitra ireny. Eo mantsy ny fanahy masina izay hery mitaona azy ireny hanao ny tsara. Eo koa anefa ny nofo mpanota izay miady foana amin’ny fitaoman’ny fanahy sady manery an’ireny mpanompon’Andriamanitra ireny hanatanteraka ny asan’ny nofo. (Ro 7:18-20; Ga 5:17) Asehon’ny Galatianina 5:19-23 fa mifanohitra ny asan’ny nofo sy ny vokatry ny fanahy.
Nilaza i Paoly fa ‘nampahalemy [an’ilay Lalàna nomena an’ireo Israelita] ny nofo’, izany hoe, ny nofo tsy lavorary nananan’ireo olona teo ambanin’io Lalàna io. Ara-panahy na avy amin’Andriamanitra ilay Lalàna narahin’ireo mpisorona taranak’i Arona. Tsy nanambara ny olona ho marina anefa io Lalàna io. Vao mainka aza izy io nanameloka an’ireo olona nofo izay “namidy ho andevon’ny ota.” (Ro 8:3; 7:14; He 7:28) Tsy nahavita nanolotra sorona nahafaka fahotana àry ireo mpisoronabe taranaka ara-nofo avy tamin’i Arona sady voatendrin’ny Lalàna.—He 7:11-14, 23; 10:1-4.
Hoy i Paoly: “Sady tsy eo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra ... ny nofo, no tsy mety ho toy izany.” Tsy te hilaza izy hoe ao amin’ny nofo mihitsy no misy ny olana. Nofo aman-dra koa mantsy i Jesosy Kristy ary lasa “tahaka an’ireo ‘rahalahiny’”, nefa ‘tsy nisy loto’, sy ‘tafasaraka tamin’ny mpanota’, ary “efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota.” (Ro 8:7; He 2:14, 17; 4:15; 7:26) Noporofoin’i Jehovah fa mety hoe tsy hisy ota ny nofo na ny vatan’olombelona. ‘Andriamanitra naniraka ny Zanany izay nanam-pitoviana tamin’ny nofo mpanota, mba hanesorana ny ota.’ (Ro 8:3) Noho ny soron’i Kristy, dia ho lasa lavorary izay rehetra maneho finoana ka ho afaka hankatò tanteraka an’ireo lalàna marin’Andriamanitra amin’ny farany.—Ap 21:4.
Anisan’ny fakam-panahy nahatonga an’i Eva hanota ny “fanirian’ny nofo.” Izany koa no nitaoman’ny Devoly an’i Kristy, saingy tsy nahomby izy. (1Jn 2:16; Ge 3:6; Lk 4:1-4) Mandresy ny nofony mpanota koa ny mpanara-dia an’i Jesosy rehefa avelany hitari-dalana azy eo amin’ny fiainana ny fanahy masina, sy rehefa anehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izy.—Ga 5:16, 22-26; Ro 8:1-4.
Tsy miady amin’ny nofo aman-dra. Tsy hahalala ny fikasan’Andriamanitra mihitsy ny olona Mt 16:17; 1Ko 2:9, 14; Ef 3:5) Tsy miady ‘araka ny fironan’ny nofo’ àry ny Kristianina, ary tsy miady amin’ny nofo aman-dra izy ireo, sady tsy mampiasa fitaovam-piadiana araka ny nofo. Miady “amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra” kosa izy ireo. (2Ko 10:3, 4; Ef 6:12) Tsy mitoky amin’ny ‘sandry nofo’ izy ireo, fa amin’i Jehovah ilay Fanahy. (Je 17:5; 2Ko 3:17) Miezaka hanadio ny tenany “ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina” izy ireo, ary manampy azy amin’izany Andriamanitra. Ny tanjaky ny finoan’izy ireo no jeren’i Jehovah sy itsarany azy, fa tsy izay miseho araka ny nofo, toy fitsaran’ny olombelona.—1Ko 4:3-5; 2Ko 5:16, 17; 7:1; 1Pe 4:6; jereo FANAHY; MANAMBARA HO MARINA; ZAVAMANANAINA.
raha manaraka ny fomba fihevitry ny olombelona nofo aman-dra fotsiny. Ny fanahin’i Jehovah ihany no afaka mampiharihary izany amin’ireo olona manam-pinoana, sy afaka mitarika azy ireo. (