Nofy
Eritreritra na sary ao an-tsaina rehefa matory. Misy nofy avy amin’Andriamanitra (No 12:6) sy nofy voajanahary (Jb 20:8). Misy anefa manonofy lainga (Je 29:8, 9), toy ireo mpisikidy.—Za 10:2.
Nofy avy amin’Andriamanitra. Nahazo nofy avy tamin’i Jehovah ny mpanompony sy ireo tsy nanompo azy. (1Mp 3:5; Mpts 7:13, 14) Fampitandremana natao hiarovana na hanomezana tari-dalana ny mpanompony izy ireny. Nampitandremany tao amin’ny nofy, ohatra, i Abimeleka mpanjakan’i Gerara mba tsy hikasika an’i Saraha, ka tsy voaloto ravehivavy. (Ge 20) “Nampitandreman’Andriamanitra tamin’ny nofy” koa ireo mpanandro nitsidika an’i Jesosy, ka tsy niverina tany amin’i Heroda mpamono olona. (Mt 2:11, 12) Nomen’ny anjely toromarika tao amin’ny nofy i Josefa, ka naka vady an’i Maria ary nitondra azy sy Jesosy nitsoaka tany Ejipta tatỳ aoriana. Nofy avy tamin’Andriamanitra koa no nahatonga azy hitondra azy mianaka hiala tany Ejipta sy hipetraka tao Nazareta, mba hahatanteraka an’ilay faminaniana hoe: “Hantsoina hoe Nazareanina izy.”—Mt 1:18-25; 2:13-15, 19-23.
Tao amin’ny nofy Andriamanitra indraindray no nanome toky ny mpanompony hoe ankasitrahany izy ireo, na nampahalala azy ireo ny fomba anampiany azy. Renoky ny torimaso lalina i Abrama (Abrahama) ary nisy haizim-be nandrakotra azy, rehefa hanao fifanekena taminy Andriamanitra. Toa niresaka taminy tao amin’ny nofy i Jehovah avy eo. (Ge 15:12-16) Nataon’Andriamanitra nanonofy koa i Jakoba tao Lozy (Betela), ka nahita tohatra nipaka tamin’ny lanitra (asehon’izany fa mifandray ny etỳ an-tany sy ny any an-danitra). Niaka-nidina teo ny anjely. Hoatran’ny hoe i Jehovah no teo an-tampon’ilay tohatra ary nitso-drano an’i Jakoba izy. (Ge 28:10-19; ampit. Jn 1:51.) Tao amin’ny nofy koa izy, tatỳ aoriana, no nilaza tamin’i Jakoba ny fankasitrahany azy sy nanasa azy hody tany amin’ny taniny.—Ge 31:11-13.
Faminaniana ireo nofin’i Josefa zanak’i Jakoba tamin’izy mbola zatovo, sady porofon’ny fankasitrahan’Andriamanitra azy. Ireto avy ny nofiny: Samy namatotra amboara teny an-tsaha izy sy ny rahalahiny, no iny fa niarina ny amboarany ka nijoro mahitsy fa ny an’ireo rahalahiny kosa nanodidina sy niankohoka teo anoloan’ny azy; niankohoka teo anatrehany ny masoandro sy ny volana ary ny kintana 11. (Ge 37:5-11) Tanteraka ireo nofy roa ireo rehefa nifindra tany Ejipta ry Jakoba mianakavy. Nisy mosary mafy tamin’izay ka tsy maintsy nangataka sakafo tamin’i Josefa, mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta, izy ireo.—Ge 42:1-3, 5-9.
Faminaniana avy amin’Andriamanitra koa ny nofin’ny olona sasany tsy mpanompony. Samy nanonofy, ohatra, ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’i Farao sy ny lehiben’ny mpanao mofony, izay niara-nigadra tamin’i Josefa tany Ejipta. Nampian’Andriamanitra i Josefa hanazava ny hevitry ny nofin’izy roa lahy: Haverina ho amin’ny toerany ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro rehefa afaka telo andro, fa hovonoina kosa ilay lehiben’ny mpanao mofo. Izany tokoa no nitranga telo andro tatỳ aoriana, rehefa nankalaza ny andro nahaterahany i Farao. Ireo nofy ireo koa no nahatonga an’i Farao hahamarika hoe nanana ny fanahin’Andriamanitra i Josefa.—Ge 40.
Nanonofy ilay Farao, indray alina. Sady fampitandremana no faminaniana ireto nofiny roa ireto: Nisy ombivavy fito matavy nohanin’ny ombivavy fito kaozatra sady mahia; nisy salohim-barimbazaha fito be voa sady tsara nipoitra tamin’ny tahony iray, nefa avy eo natelin’ny salohy fito malazo sady mahia ary main’ny rivotra. Nohazavain’Andriamanitra tamin’i Josefa toy izao ny hevitr’ireo nofy: Hisy fito taona zina harahina fito taona mosarena. (Ge 41) Noho ireo nofy avy amin’Andriamanitra ireo, dia olona maro no tsy maty mosary ary voavonjy ny ain’ny taranak’i Abrahama, araka ny efa nampanantenain’i Jehovah.—Ge 45:5-8.
Faminaniana avy amin’Andriamanitra koa ireo nofin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Voalohany, nanonofy izy hoe nahita sarivongana nanana loha volamena, tratra sy sandry volafotsy, kibo sy fe varahina, ranjo vy, ary tongotra vy sy tanimanga. Nisy vato tsy nendahan-tanana namely ny tongony, ka torotoro ilay sarivongana. Nohazavain’i Daniela fa i Nebokadnezara “ilay loha volamena”, ary hisy fanjakana maromaro hifandimby aorian’i Babylona. Hanorina Fanjakana “tsy ho rava mandrakizay” Andriamanitra, amin’ny farany.—Da 2:29-45.
Faharoa, nanonofy i Nebokadnezara hoe nahita hazo lehibe iray. Nasaina nokapaina ilay izy, ary nasiana “fehiny vy sy varahina” ny fotony mandra-pahatapitry ny “fe-potoana fito.” ‘Nokapaina [tokoa] ilay Da 4; jereo FE-POTOANA VOATONDRO HO AN’NY HAFA FIRENENA.
hazo’, araka ny fanazavan’i Daniela, rehefa lasa adala nandritra ny fito taona (fe-potoana fito) i Nebokadnezara izay nirehareha. Niaiky izy taorian’izay fa mpitondra fara tampony Andriamanitra, ary nody ny sainy ka natao mpanjaka indray izy.—Nataon’i Jehovah nanonofy koa i Daniela, ka nahita biby ngezabe efatra niakatra avy tao an-dranomasina. Tsy inona izy ireo fa fitondram-panjakana efatra. (Da 7:1, 3, 17; jereo BIBY AN’OHATRA.) Hitany koa Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be nanome ‘fitondrana sy voninahitra ary fanjakana’ maharitra ho an’ilay “toy ny zanak’olona.”—Da 7:13, 14.
Nilaza i Joela fa haminany sy hanonofy ireo hilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra. (Jl 2:28) Nilatsahan’ny fanahy masina tokoa ny mpianatr’i Jesosy Kristy 120 teo ho eo tamin’ny Pentekosta taona 33, ka niteny tamin’ny fiteny samy hafa “momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.” (As 2:1-18) Nandray ny fanahy masina koa ny mpino hafa, toa an’i Saoly (Paoly) izay mpanenjika taloha, ka nahazo fanomezana mahagaga. (As 8:17-19; 9:17; 10:44-46) Tamin’i Paoly tany Troasy, dia nolazaina taminy tao amin’ny fahitana tamin’ny alina na tao amin’ny nofy hoe aiza izy sy ny namany no tokony hitory “ny vaovao tsara.” (As 16:9, 10) Nisy mpianatra hafa koa niasan’ny fanahin’Andriamanitra ka nanonofy, araka ny faminanian’i Joela.
Tamin’i Pontio Pilato governora romanina nitsara an’i Jesosy Kristy, dia nampilaza taminy ny vadiny hoe: “Aza miditra amin’ny raharaha momba an’io olo-marina io ianao, fa nijaly be aho androany rehefa nanonofy azy.” (Mt 27:19) Azo inoana fa avy tamin’Andriamanitra ilay nofy, ho fampitandremana an’i Pilato hoe raharaha faran’izay lehibe ilay fitsarana an’i Kristy.
Nofy voajanahary. Mety ho ny eritreritra na ny fihetseham-po na ny fanao andavanandro (fanahiana, toe-pahasalamana, asa, sns.) no mahatonga izany. (Mpto 5:3) Tsy dia misy dikany ireny nofy ireny. (Sl 73:20) Mety hanonofy mihinan-kanina ny olona noana na hanonofy misotro rano izay mangetaheta, nefa tsy afa-po akory izy rehefa mifoha. Ho diso fanantenana toy izany koa ny firenena rehetra “miady amin’ny Tendrombohitra Ziona.”—Is 29:7, 8.
Hoy ny Diksioneran’i Harper Momba ny Baiboly: “Nitoky tamin’ny nofy ny Babylonianina ka natory tao an-tempoly ny alina talohan’ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe, mba hahazoana torohevitra. Natory tao amin’ny toerana masin’i Esculape ny Grika te hahazo toromarika momba ny fahasalamana. Ny Romanina kosa natory tao amin’ny tempolin’ny andriamanitra Sérapis. Nanoratra boky be tsipiriany momba ny fanazavana ny hevitry ny nofy ny Ejipsianina.” (Nataon’i M. sy J. Miller, 1961, p. 141) Tsy nanao toy izany kosa ny Hebreo tsy nivadika sy ny Kristianina voalohany. Raran’ny Baiboly mantsy ny fitadiavana fambara amin’ny alalan’ny nofy voajanahary na zavatra hafa.—De 18:10-12; jereo SIKIDY.
Nanonofy lainga. Melohin’ny Baiboly ireo nanonofy lainga. Tokony hovonoina ho faty izay mpanonofy nitaona olona hanompo sampy. (De 13:1-5) Niteny tamin’ny mpaminaniny tao amin’ny nofy Andriamanitra indraindray (No 12:6), kanefa nomelohiny ‘ireo mpaminany nanonofy lainga’ nitaona hivadi-pinoana. (Je 23:25-32; 27:9, 10) Niresaka “nofy tsy misy dikany” koa ny mpisikidy.—Za 10:2.
Manana heviny an’ohatra koa ny hoe nofy ao amin’ny Baiboly. Nampitandrina i Joda fa nisy mpandoto ny nofo nitsofoka mangingina teo anivon’ny fiangonana kristianina. ‘Nanaram-po tamin’ny nofinofy’ izy ireny, izany hoe nanonofy (nihevitra) angamba fa ho afa-maina raha minia mandika ny Tenin’Andriamanitra sy mandoto ny fiangonana. Diso hevitra anefa izy ireny, satria tsy maintsy homelohin’i Jehovah Mpitsara Fara Tampony.—Jd 8; 1Ko 6:9, 10, 18-20.