Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Noha

Noha

(Nòha) [avy amin’ny fototeny midika hoe “miala sasatra; miorim-ponenana”].

Iray amin’ireo zanakalahin’i Benjamina, ary ny anarany no voatonona fahefatra. (1Ta 8:1, 2) Toa taorian’ny nahatongavan’ny fianakaviany tany Ejipta izy vao teraka, satria tsy ao amin’ilay lisitra ao amin’ny Genesisy toko faha-46 ny anarany. Misy milaza fa anarana hafa iantsoana an’i Sefofama ny hoe Noha, na iantsoana olona iray anisan’ny taranany.​—No 26:39.