Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nomery, Bokin’ny

Nomery, Bokin’ny

Ny fahefatra amin’ny Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly. Misy Baiboly malagasy miantso azy io koa hoe “Fanisana” (Prot., Kat.), satria miresaka ny nanisana ny zanak’Israely indroa izy io. Resahiny koa izay nitranga teo amin’ny faritry ny Tendrombohitra Sinay, sy tamin’ny Israely nirenireny tany an-tany efitra, ary teny amin’ny Lemak’i Moaba. Tantara naharitra 38 taona sy 9 volana (1512-1473 T.K.) àry ilay izy. (No 1:1; De 1:3, 4) Niseho talohan’ireo zava-nitranga resahin’ireo toko eo alohany sy aoriany ny voalazan’ny Nomery 7:1-88 sy 9:1-15, kanefa tena manampy antsika hahafantatra ny fotoana nitrangan’ilay tantara.

Mpanoratra. Efa hatry ny ela no nekena fa i Mosesy no nanoratra an’ilay boky. Maro ny porofo ao hoe i Mosesy ilay mpanoratra. Ny fiainan’ny Israely tany Ejipta sy tany an-tany efitra ihany mantsy no noresahiny. Nomarihiny koa fa talohan’ny nanorenana ny tanànan’i Zoana tany Ejipta no efa voaorina i Hebrona. (No 13:22) Fantatr’i Mosesy ny mombamomba an’i Zoana, satria “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina” izy.​—As 7:22.

Tsy natao afa-tsy ho ana firenena nifindrafindra toerana ny didy sasany ao amin’ny Nomery. Anisan’izany ny momba ny toerana hitobian’ny foko tsirairay (No 1:52, 53), ny filaharan’izy ireo rehefa nifindra (2:9, 16, 17, 24, 31), ny fitsofana trompetra rehefa hamory vahoaka na hiainga (10:2-6), ary ny fanokanan-toerana an’izay voan’ny areti-mifindra (5:2-4). Ny didy hafa kosa tsy hihatra raha tsy efa any amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. Anisan’izany ny hoe: Hotsofina ny trompetra rehefa hiady (10:9), homena tanàna 48 ny Levita (35:2-8), hopotehina ny sampy sady horoahina ny mponin’i Kanana (33:50-56), hofidina ny tanàna fialokalofana enina, ary izay hatao amin’ireo nilaza fa nahafaty olona tsy nahy (35:9-33). Nisy koa lalàna momba ny lovan’ireo zanakavavy sy izay tokony ho vadiny.​—27:8-11; 36:5-9.

I Mosesy no nanoratra hoe taiza avy no nitobian’ny Israelita. (No 33:2) Resahin’ny Nomery 36:13 koa fa i Mosesy no nanoratra ny Nomery.

Anisan’ny Soratra Masina. Misy porofo mampiaiky fa anisan’ny Baiboly ilay boky. Resahina ao amim-pahatsorana fa tsy nafenina, ohatra, hoe nanao ratsy ny Israelita ka resy (No 11:1-5, 10, 32-35; 14:2, 11, 45), ary nanao fahadisoana i Mosesy, Arona rahalahiny, Miriama anabaviny, ary Nadaba sy Abiho zana-drahalahiny (3:3, 4; 12:1-15; 20:2-13). Resahin’ny andininy maromaro ao amin’ny Salamo koa (78:14-41; 95:7-11; 105:40, 41; 106:13-33; 135:10, 11; 136:16-20) ny tantara ao. Niresaka momba ireo zava-nitranga niavaka sy tsipiriany hafa ao koa i Josoa (4:12; 14:2), Jeremia (2Mp 18:4), Nehemia (9:19-22), Davida (Sl 95:7-11), Isaia (48:21), Ezekiela (20:13-24), Hosea (9:10), Amosa (5:25), Mika (6:5), Stefana (Kristianina maty maritiora) (As 7:36), ny apostoly Paoly (1Ko 10:1-11), Petera (2Pe 2:15, 16), Joda mpianatr’i Jesosy (and. 11), ary ny Zanak’Andriamanitra (Jn 3:14; Ap 2:14). Neken’izy ireo ho anisan’ny Tenin’Andriamanitra àry ny Nomery. Naminany koa i Balama hoe hisy kintana hivoaka avy amin’i Jakoba. Tamin’i Davida lasa mpanjaka sy nandresy an’ireo Moabita sy Edomita no tanteraka voalohany izany.​—No 24:15-19; 2Sa 8:2, 13, 14.

Sarobidy. Asongadin’ny Nomery fa zava-dehibe ny mankatò an’i Jehovah, manaja azy sy ny mpanompony, ary manam-pinoana sy manohitra ny fitaoman’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra. (No 13:25–14:38; 22:7, 8, 22; 26:9, 10; He 3:7–4:11; 2Pe 2:12-16; Jd 11; Ap 2:14) Tena ratsy kosa ny mitsapa toetra an’i Jehovah noho ny tsy finoana (No 21:5, 6; 1Ko 10:9), mimenomenona (No 14:2, 36, 37; 16:1-3, 41; 17:5, 10; 1Ko 10:10, 11), ary maloto fitondran-tena (No 25:1-9; 31:16; 1Ko 10:6, 8). Hita tamin’ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Israely fa manan-kery lehibe izy, mamindra fo, maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, tsy mora tezitra, nefa manasazy an’izay tokony hosazina. (No 14:17-20) Sary an’ohatra koa i Mosesy sy ny fanompoany (No 12:7; He 3:2-6), ny rano niboiboika avy teo amin’ny vatolampy (No 20:7-11; 1Ko 10:4), ilay bibilava varahina nasandratra (No 21:8, 9; Jn 3:14, 15), ary ny rano fanadiovana (No 19:2-22; He 9:13, 14). Mifanitsy amin’izy rehetra ireo i Kristy Jesosy.

Manampy antsika hahazo izay lazain’ny boky hafa ny Nomery. Azontsika, ohatra, hoe nahoana no afaka nankalaza ny Paska tamin’ny 14 Ziva (Iara), fa tsy 14 Nisana (Abiba), i Hezekia mpanjakan’ny Joda. (No 9:10, 11; 2Ta 30:15) Fantatra avy amin’ny toromarika momba ny Nazirita (No 6:2-21) koa hoe nahoana no tsy notapahina ny volon’i Samsona sy Samoela (Mpts 13:4, 5; 1Sa 1:11), ary nahoana i Jaona Mpanao Batisa no tsy nisotro toaka. (Lk 1:15) Ampitahao koa, ohatra, ny Nomery 2:18-23 sy Salamo 80:2; Nomery 15:38 sy Matio 23:5; Nomery 17:8-10 sy Hebreo 9:4; Nomery 18:26 sy Hebreo 7:5-9; Nomery 18:31 sy 1 Korintianina 9:13, 14; ary Nomery 28:9, 10 sy Matio 12:5.

[Efajoro, pejy 514]

HEVITRA MISONGADINA: NOMERY

Tantara manasongadina fa ilaina foana ny mankatò an’i Jehovah sy manaja ny solontenany

Fotoana voaresaka: Tamin’ny Israely tany an-tany efitra ho any amin’ny Tany Nampanantenaina

Nosoratana anarana ary nalamina ireo fokon’ny Israely

Nosoratana anarana ny lehilahy israelita 20 taona no ho miakatra, afa-tsy ny Levita, herintaona teo ho eo taorian’ny nialana tany Ejipta (1:1-49)

Ny toerana tokony hitobian’ny fizarana tsirairay (nisy foko telo) sy ny filaharany rehefa hiainga (2:1-34)

Natokana hanampy ny mpisorona ny Levita; nosoratana anarana ny Levita rehetra iray volana no ho miakatra; nalain’i Jehovah ho solon’ny lahimatoan’ireo foko hafa (3:1-51)

Nisaina sy nilazana ny anjara fanompoany avy ny lehilahy (30-50 taona) taranak’i Kehata, Gersona, ary Merary, zanak’i Levy telo lahy (4:1-49)

Nisaina indray ny Israelita rehefa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina (26:1-65)

Didy momba ny fanompoana an’i Jehovah sy ny fifandraisana amin’ny hafa

Izay notakina tamin’ny Nazirita (6:1-21)

Nankalazaina ny Paska; nahazo nankalaza azy io iray volana taorian’ny 14 Nisana ny olona naloto na nandeha lavitra (9:1-14)

Fitsipika momba ny andraikitry ny mpisorona sy Levita sy izay omena azy ireo, fanomanana an’ilay rano fanadiovana sy fampiasana azy (18:1–19:22)

Fanatitra tsy maintsy hatolotra isan’andro, isaky ny Sabata sy ny voalohan’ny volana, ary mandritra ny fety sy ny volana fahafito (28:1–29:40)

Didin’i Jehovah momba ny voady (30:1-16)

Hiaiky ny fahotany izay meloka ary hanome onitra an’ilay nanaovany fahadisoana (5:5-8)

Ny momba ny vehivavy ahiahina ho nanitsakitsa-bady (5:11-31)

Ny momba ireo tanàna fialokalofana enina (35:9-34)

Tsy nankasitraka an’izay nomen’i Jehovah ny Israelita, ary tsy nankatò ny didiny

Nimenomenona momba ny mana izy ireo ary naniry hihinan-kena; nanome papelika i Jehovah nefa maro no tsy nahalala onony ka novonoina ho faty (11:4-34)

Nino ny tenin’ireo mpitsikilo folo saro-tahotra izy ireo ka te hiverina ho any Ejipta; nifona ho azy ireo i Mosesy (13:1–14:19)

Hirenireny sy ho faty any an-tany efitra ilay firenena nikomy ho saziny; nitady hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina nefa tsy notahin’i Jehovah ka resy (14:26-45)

Tsy nohajaina ny solontenan’i Jehovah

Niteny nanohitra an’i Mosesy i Miriama sy Arona; nataon’i Jehovah boka i Miriama (12:1-15)

Nanohitra an’i Mosesy i Kora, Datana, Abirama, Ona, ary ny mpiadidy 250; novonoin’i Jehovah ireo mpikomy, ka nimenomenona indray ny vahoaka; niampy 14 700 ny maty (16:1-50)

Nanome tsiny an’i Mosesy sy Arona ny Israelita tao Kadesy fa tsy nisy rano; nanome rano tamin’ny fomba mahagaga i Jehovah, nefa tsy nanamasina ny anaran’i Jehovah i Mosesy sy Arona ka tsy hiditra ao amin’ny Tany Nampanantenaina (20:1-13)

Reraka ny olona ka nanome tsiny an’i Jehovah sy Mosesy; nokekerin’ny bibilava ka maro no maty; nifona ho azy ireo i Mosesy ka tsy maty izay voakaikitra sy nijery an’ilay bibilava varahina (21:4-9)

Notahin’i Jehovah ny Israely, tsy tokony hanompo afa-tsy izy irery ihany rehefa hiditra ao Kanana

Resin’izy ireo ny mpanjakan’i Arada noho ny fanampian’i Jehovah (21:1-3)

Resin’izy ireo i Sihona sy Oga ary nalainy ny taniny (21:21-35)

Nokaramain’i Balaka hanozona azy ireo i Balama; noteren’i Jehovah hitso-drano anefa izy (22:2–24:25)

Notaomin’ny vehivavy moabita hanompo sampy sy hijangajanga ny lehilahy israelita; 24 000 no maty; nitony ny fahatezeran’i Jehovah noho i Finehasa tsy nilefitra rehefa nisy nivadika tamin’i Jehovah (25:1-18)