Nosy
Ny teny hebreo hoe ʼi (mr.:ʼiyim) no nadika hoe nosy. Manondro tany kely kokoa noho ny kontinanta ary voahodidin’ny rano izy io (Is 11:11; 24:15), nefa koa ilazana ny etỳ an-tanety (Is 42:15) na ilazana ny morontsiraka. (Is 20:6; 23:2, 6; Je 2:10) Ampiasaina an’ohatra mba hilazana ny mponin’ny nosy na mponina eny amoron-tsiraka ny ʼi. (Ge 10:5; Is 49:1; 59:18) Indraindray koa ny “nosy” dia midika hoe toerana faran’izay lavitra sy ny mponina any. (Is 41:5; 66:19; Ezk 39:6; jereo MAGOGA No. 2.) Tsy maintsy hisy vokany hatrany amin’ny toerana lavitra be sy tena mitokana toy ny nosin-dranomasina àry ilay horohoron-tany an’ohatra hamely an’i Babylona Lehibe. (Ap 16:18-21; ampit. Ap 6:12-14.) Toy ny “vovoka madinika” ny nosy rehetra, amin’i Jehovah.—Is 40:15.
Anisan’ny nosy voatonona anarana ao amin’ny Baiboly i Sipra (As 13:4-6), Kosy, Rodo (As 21:1), Kreta (As 27:7), Kaoda (As 27:16), Malta (As 28:1), ary Patmo (Ap 1:9).