Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Ny Tantaran’ny Baiboly

Ny Tantaran’ny Baiboly

MISY porofo marim-pototra hoe voadika marina tsara ny Tenin’Andriamanitra tonga hatratỳ amintsika. Maro be mantsy ny sora-tanana fahiny ananantsika: 6000 angamba no misy ny Soratra Hebreo manontolo na ny ampahany aminy, ary 5000 eo ho eo no misy ny Soratra Grika Kristianina.

Soratra tany am-boalohany

Nosoratana teo amin’ny fitaovana mora simba toy ny taratasy papyrus sy hodi-biby malefaka ny Baiboly sora-tanana voalohany. Tsy nisy niangana izy ireny ankehitriny

Dika mitovy: Hebreo na Grika

Natao dika mitovy ireo soratra tany am-boalohany, taoriana kelin’ny nahavitany. Nitandrina be ireo mpanao dika soratra mba tsy hanao diso. Ny Masoreta aza nanisa mihitsy ny litera nadikany

Dikan-teny voalohany

Nila nadika ny Baiboly mba ho azo vakina amin’ny fiteny hafa koa. Mbola ananantsika ny sora-tanana amin’ireny dikan-teny voalohany ireny, toy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika, taonjato fahatelo sy faharoa T.K.) sy ny Vulgate nataon’i Jérôme (Soratra Hebreo sy Grika nadika tamin’ny teny latinina, t. 400 A.K.)

Soratra niaingana

Nampitaha Baiboly sora-tanana an-jatony ny manam-pahaizana mba hanomanana an’ireo soratra niaingan’ny mpandika Baiboly. Amin’ny teny nanoratana ny Baiboly ihany ireny soratra ireny, ary natao pirinty. Tena tsara izy ireny sady mampiseho hoe inona no tsy itovizan’ny sora-tanana sasany. Nanomana Soratra Hebreo misy fanamarihana ambany pejy mampitaha sora-tanana, ohatra, i Ginsburg sy Kittel. Nanomana Soratra Grika Kristianina kosa i Westcott sy Hort ary Nestle sy Aland

Baiboly maoderina

Mampiasa an’ireo soratra niaingana amin’ny fiteny nanoratana ny Baiboly ny mpandika Baiboly ankehitriny

Soratra Hebreo

Lava-bato any Qoumrân, akaikin’ny morontsiraka avaratrandrefan’ny Ranomasina Maty. Nahitana horonam-bokin’ny Baiboly maro tao

Ampahany amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia (faramparan’ny taonjato faharoa T.K.). Saika ny fomba fanoratra fotsiny no tsy itovizany amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, 1 000 taona mahery tatỳ aoriana

Ampahany amin’ny Kôdeksa Aleppo. Nampiakarina ilay litera hebreo ‘ayin iray mba hampisehoana fa eo no misasaka ny Salamo (80:13). Manasongadina an’io litera io ny fanamarihana an-tsisim-pejy nataon’ny Masoreta. Nisain’ny mpanora-dalàna mihitsy taloha ny litera nadikany! Nanampy zanatsoratra sy tsindrimpeo ny Masoreta. Hita eo ambony sy eo ambanin’ny teny tsy misy afa-tsy renisoratra ireny

Soratra Grika Kristianina

Papyrus Rylands 457 (P52): Sombiny amin’ny Filazantsaran’i Jaona (ambadika sy ambadika). Vita teo antenatenan’ny taona 100 sy 150 izy io, am-polony taona monja taorian’ny nanoratan’i Jaona ny Filazantsarany

Sora-tanana Sinaiticus: Kôdeksa natao tamin’ny hodi-biby malefaka tamin’ny taonjato fahefatra. Hita ao ny Soratra Grika Kristianina manontolo sy ny ampahany amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika)

Monasiteran’ny Mb. Catherine any an-tendrombohitra Sinay. Tao no nahitana ny Sora-tanana Sinaiticus, izay tehirizina any amin’ny Tranomboky Britanika

Hita fa azo itokisana ny Soratra Masina tonga hatratỳ amintsika, rehefa ampitahaina ireo sora-tanana fahiny an’arivony. Hoy Atoa Frederic Kenyon: “Vao mainka noporofoin’ireny zavatra hita rehetra ireny sy ny fandalinana rehetra natao, fa marina ny Soratra Masina. Matoky àry isika fa tena ny Tenin’Andriamanitra no ananantsika, ary tsy niova izy io.”​—Ny Tantaran’ny Baiboly, 1937, p. 144.