Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Ny Tany Nampanantenaina

Ny Tany Nampanantenaina

TENA mahavariana ny fahasamihafan’ny toetany sy ny vohon-tany ao amin’ilay tany nomen’Andriamanitra ny Israely fahiny: Rakotra lanezy ireo tampon-tendrombohitra any avaratra; toetanin’ny tany mafana kosa no hita any atsimo. Ahitana lohasaha lonaka, havoana misy saham-boankazo sy kijana, ary tany efitra ngazana koa any. Hita ao amin’io faritra kely io avokoa rehefa mety ho toetany sy vohon-tany misy eto an-tany.

SARITANY: Ny Tany Nampanantenaina, sarintany nalaina tamin’ny zanabolana

Lemaka lonaka no eo atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Eo atsinanan’io lemaka lavalava io no misy an’i Sefela, izay faritra feno havoana iva rakotra tanimboaloboka sy sahan’oliva. Tandavan-tendrombohitra no any atsinanana kokoa, ka toy ny hazondamosina be manaraka ny halavan’ilay tany. Toy ny hoe mitresaka tampoka manaraka ny halavany ny tany eo atsinanan’izy io. Io ilay Lohasaha Mitsefaka izay ikorianan’ny Reniranon’i Jordana, miolikolika avy any amin’ny Ranomasin’i Galilia mankany amin’ny Ranomasin-tsira. Havoana lonaka sy kijana no any atsinanan’i Jordana. Tapitra hatreo ny tany mahafinaritra, fa ny Tany Efitr’i Arabia no ao atsinanan’izay.

Tamin’ny fotoana nampiroborobo ny Tany Nampanantenaina, dia toy ny zaridainan’i Edena mihitsy izy io, noho ny zavatra maro samihafa hita tao. Hita taratra kely tao amin’ny tanin’ny Israely àry ny Paradisa maneran-tany eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nahr Baryas (Nahal Hermona), iray amin’ny loharanon’ny Reniranon’i Jordana

Tendrombohitra Hermona, ilay avo indrindra any Palestina. Manome ando ho an’ny tany sy rano ho an’i Jordana ny lanezy eny rehefa miempo

Tendrombohitra Tabara mijoalajoala eo amin’ny Lohasahan’i Jezirela

Lohasahan’i Jordana. Miolikolika 320 km eo ho eo ilay renirano mba hamakivakiana lalana 105 km mankany amin’ny Ranomasina Maty

Lohasahan’i Jezirela mahavokatra be

Tany Efitr’i Joda. Tany i Davida no niafina an’i Saoly, ary tany amin’io tany ngazana io koa ny Devoly no naka fanahy an’i Jesosy

Kijana any Basana, any atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Malaza ho be omby any

Lemak’i Sarôna, mbola feno saham-boasary any na ankehitriny aza

Morony avaratry ny Ranomasin’i Galilia, mahatazana ny eny avaratratsinanana

Vaingan-tsiran’ny Ranomasina Maty (anisan’ny ranomasina masira indrindra eran-tany)