Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Obadia, Bokin’i

Obadia, Bokin’i

Ny bokim-paminaniana fohy indrindra ao amin’ny Soratra Hebreo. I Obadia (ny anarany ihany no fantatra) no nanoratra azy io. Resahina ao ny fanamelohan’i Jehovah an’i Edoma sy ny anton’izany, ary ny fampodiana ny “taranak’i Jakoba.” Tanteraka ny faminanian’i Obadia satria tsy misy intsony ny firenena edomita, ary nody tany amin’ny taniny ny Israelita.​—Ob 17, 18; jereo EDOMA, EDOMITA.

Faminaniana momba ny Edomita ilay izy satria tsy nampiseho fitiavan-drahalahy izy ireo rehefa resy “ny taranak’i Joda.” Havan’ny Israelita ny Edomita satria taranak’i Esao. Nifaly noho ny loza nanjo ny Joda anefa izy ireo, nandroba ny fananany, tsy namela azy ireo handositra, ary nanolotra azy ireo teo an-tanan’ny fahavalony. (Ob 12-14) Tamin’ny fotoana nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema izany no nitranga, rehefa ampitahaina amin’izay nolazain’i Jeremia (25:15-17, 21, 27-29; 49:7-22) sy Ezekiela (25:12-14; 35:1-15) ny faminanian’i Obadia. Tamin’ny 607 T.K. tany ho any àry no nosoratana ilay boky.

Tsy maintsy ho tanteraka ny tenin’i Jehovah momba an’i Edoma matoa noresahin’i Jeremia ny ankamaroan’ny zavatra nambaran’i Obadia.​—Ampit. Ge 41:32.

[Efajoro, pejy 597]

HEVITRA MISONGADINA: OBADIA

Fanamelohan’i Jehovah an’i Edoma sy fampanantenana hoe hody ny vahoakan’i Jehovah

Nosoratana tamin’ny 607 T.K. tany ho any, rehefa noravan’ny Babylonianina i Jerosalema

Nisetrasetra tamin’ny taranak’i Jakoba i Edoma

Nihatakataka i Edoma rehefa resy i Jerosalema ary nentina ho babo ny mponina tao (and. 10, 11)

Rehefa niharan-doza ny Joda, dia tsy tokony ho nifaly izy, na nandroba ny fananan’izy ireo na nanolotra an’ireo tsy maty ho eo an-tanan’ny fahavalo (and. 12-14)

Hisy loza hanjo an’i Edoma

Niantso an’ireo firenena mba hiady amin’i Edoma i Jehovah (and. 1)

Haetry i Edoma na dia toy ny tsy manana ahiahy aza (and. 2-4)

Izay tian’ny mpangalatra sy mpijinja ihany no alainy fa avelany ny sisa; i Edoma kosa horobaina tanteraka rehefa resy; hofitahin’ireo nanaovany fifanekena izy, ary ho ringana ny olon-kendriny sy ny olo-maheriny (and. 5-9)

Ny nataon’ny taranak’i Esao tamin’ny Joda ihany no havaly azy; ho fongana izy ireo (and. 15, 18)

Hampodiana ny taranak’i Jakoba

Ho masina i Ziona; ny taranak’i Jakoba no afo handevona ny taranak’i Esao izay toy ny vodivary (and. 17, 18)

Hody any amin’ny taniny ny vahoakan’i Jehovah ary ho lasany “ireo zavatra tokony ho azy”, anisan’izany “ny faritra be tendrombohitr’i Esao” (and. 19, 20)

Ho lasan’i Jehovah ny fanjakana (and. 21)