Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ody

Ody

Avy amin’ny teny hebreo hoe ʼittim ny hoe “mpilalao ody” ao amin’ny Isaia 19:3. Ilazana teny na ozona nohiraina na nosoratana mba hatao ho “fandraikiraikena” ilay teny hebreo hoe hever (nadika hoe “ozona famosaviana”). (Sl 58:5; Is 47:9, 12) Ny teny hebreo hoe lehashim, avy amin’ny fototeny midika hoe “mibitsibitsika; mibaiko”, no nadika hoe “akorandriaka ody fiaro.” Nanana sy nanao an’ireny akorandriaka ireny ireo zanakavavin’i Ziona. (Is 3:20; ampit. 2Sa 12:19; Sl 58:5.) Anisan’ireo “zava-maharikoriko” nandraran’i Jehovah ny vahoakany ireo rehetra ireo. (De 18:9-11) Nalaza ho nitoky tamin’ny ody sy nilaza ozona famosaviana ny Babylonianina sy ny Ejipsianina ary ny firenen-kafa fahiny.​—Is 19:3; 47:9, 12.