Ofira
(Ôfìra).
1. Taranak’i Sema rain’i Arpaksada. I Arpaksada indray niteraka an’i Sela, i Sela niteraka an’i Ebera, ary i Ebera niteraka an’i Joktana. I Ofira no faha-11 amin’ireo 13 lahy zanak’i Joktana. (Ge 10:22-29; 1Ta 1:17-23) Teraka 200 taona teo ho eo talohan’i Abrahama (taranak’i Palega rahalahin-drainy) angamba i Ofira. (Ge 10:25; 11:18-26) Toa anisan’ireo lehibem-poko avy tamin’ny taranak’i Sema izy, toa an’ireo rahalahiny ihany. Anisan’ny taranak’i Noa ireo foko ireo, “araka ny fianakaviany, sy araka ny fiteniny, ary tany amin’ny taniny sy ny fireneny avy.” (Ge 10:31, 32) Jereo ny No. 2 mba hahalalana ny toerana mety ho nisy an’i Ofira, tany nonenan’ilay foko.
2. Toerana nalaza ho nahitana volamena tena tsara. Tamin’ny andron’i Joba (t. 1600 T.K.), dia efa voalaza fa ‘volamena sarobidy eny amin’ny vovoka’ sy “volamena tsy misy fangarony” ny “volamena avy any Ofira.” (Jb 22:24; 28:15, 16) Milaza koa ny Salamo 45:9 fa niravaka volamena sarobidy avy any Ofira ny vadin’ny mpanjaka. Ny fanamelohana an’i Babylona ao amin’ny Isaia 13:11, 12 kosa milaza fa ho vitsy toy ny volamena avy any Ofira ireo mpanao didy jadona tavela ao, rehefa rava izy io.
Nanome talenta volamena 3000 avy any Ofira i Davida, mba hanorenana ny tempoly. Nitentina 115 605 0000 dolara izany. (1Ta 29:1, 2, 4) Nitondra talenta volamena 420 avy any Ofira ireo andian-tsambo mpitondra entam-barotra nampiasain’i Solomona zanak’i Davida. (1Mp 9:26-28) Ny 2 Tantara 8:18 kosa milaza hoe talenta 450. Inona no nahatonga izany tsy fitoviana izany? Misy manam-pahaizana milaza fa litera no nampiasaina hilazana isan-javatra tamin’izany. Mety ho nafangaron’ny mpanao dika soratra, hoy izy ireo, ny litera hebreo non (נ) ilazana ny hoe 50, sy ny litera kafa (כ) ilazana ny hoe 20. Tsy litera na tarehimarika anefa no nilazana an’ireo isa ao amin’ny Soratra Hebreo, fa nosoratana manontolo. Azo inoana kokoa àry hoe samy marina ireo isa roa ireo: Talenta volamena 450 tokoa no nentin’ireo sambo, ary ny 420 tamin’izay no tombony azo.
Misy porofo manamarina ny fitantaran’ny Baiboly hoe nisy volamena tokoa nohafarana avy any Ofira. Nisy vakin-tanimanga, ohatra, hita tany avaratratsinanan’i Tel Aviv-Yafo tamin’ny 1946, ary nisy soratra hoe: “Volamena avy any Ofira ho an’i bet hôrôn, milanja sekely telopolo.”—Gazety Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, 1951, Boky Faha-10, p. 265, 266.
Ankoatra ny volamena be dia be, dia nanafatra hazo “algoma” sy vatosoa avy any Ofira koa i Solomona. (1Mp 10:11; 2Ta 9:10) Saika handefa sambo ho any koa i Josafata Mpanjaka, 100 taona tatỳ aoriana. Rendrika tao Eziona-gebera, teo amin’ny farany avaratry ny Hoalan’i ʽAkaba, anefa ny “sambon’i Tarsisy” nataony.—1Mp 22:48; jereo TARSISY No. 4.
Toerana nisy azy. Tsy fantatra hoe taiza marina no nisy an’i Ofira. Be dia be ny toerana nolazaina fa nisy azy io, fa ireto telo ireto no eritreretin’ny olona kokoa: Inde, Arabia, ary Afrika Avaratratsinanana.
Samy tongan’ny sambo avy any Eziona-gebera, eo amin’ny farany avaratry ny sampany atsinanan’ny Ranomasina Mena, mantsy ireo toerana ireo. Hita tany Inde avokoa, ohatra, ireo entam-barotra nentin’ny sambon’i Solomona sy Hirama. Samy nilaza koa i Josèphe sy Jérôme ary ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo fa nety ho tany Inde tokoa i Ofira. Ao koa anefa ireo milaza fa ny faritr’i Afrika Avaratratsinanana, akaikin’i Somalia, eo atsimon’i Ranomasina Mena, no Ofira. Any mantsy, hono, no akaiky kokoa noho i Inde mba hanafarana an’ireo entam-barotra rehetra ireo.Maro kokoa anefa no mihevitra fa any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Arabia, akaikin’i Yémen, no nisy an’i Ofira. Tany amin’ny Saikinosin’i Arabia mantsy, hono, no nanorim-ponenana ny taranak’i Ofira, zanak’i Joktana, sy ireo foko hafa taranak’i Sheba sy Havila rahalahin’i Ofira. (Ge 10:28, 29) Eo anelanelan’ny fitantarana roa momba ny raharaham-barotra nifanaovan’i Solomona tamin’i Ofira, ilay fitantarana momba ny fitsidihan’ny mpanjakavavin’i Sheba (azo inoana fa avy any amin’ny faritra atsimon’i Arabia).—1Mp 9:26–10:11.