Ofny
(Ofnỳ).
Tanànan’i Benjamina. (Js 18:21, 24) Voalaza fa izy io ihany ilay Gofna noresahin’i Josèphe (Ny Adin’ny Jiosy, III, 55 [iii, 5]), ary heverina fa i Jifna ankehitriny. Tokotokony ho 5 km any avaratra avaratrandrefan’i Betela no misy an’i Jifna, izany hoe any avaratry ny faritanin’i Benjamina. (Js 18:11-13) Raha marina izany, dia tanànan’i Benjamina tafiditra tao amin’ny faritanin’i Efraima i Ofny, na nianavaratra kokoa tany akaikin’i Betela ny sisin-tanin’i Benjamina ka tafiditra tao koa ilay toerana voalaza fa nisy an’i Ofny.