Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ofra

Ofra

(Ôfrà).

1. [Zanaka [Serfa]]. Taranak’i Joda avy tamin’i Meonotahy.​—1Ta 4:1, 14.

[2, 3: mety hidika hoe Toeran’ny Vovoka]

2. Tanànan’i Benjamina. (Js 18:21, 23) Mety hahalalana ny toerana nisy azy io ny tantaran’ny adin’ny Israely tamin’ny Filistinina, tamin’ny andro nanjakan’i Saoly. Nivoaka avy tao amin’ny tobiny tao Mikmasy ireo Filistinina mpandroba, ary nizara ho toko telo, ka ny iray nihazo ny lalana nankany Ofra, ny faharoa nanaraka ny lalana nankany Beti-horona, ary ny fahatelo kosa nihazo ny “lalana mankany amin’ny sisin-tany manatrika ny lohasahan’i Zeboima.” Toa nivily nianavaratra ireo Filistinina nanaraka ny lalana nankany Ofra satria nisy tafika israelita nitoby tao Geba tao atsimon’i Mikmasy. Tany avaratr’i Mikmasy àry no nisy an’i Ofra.​—1Sa 13:16-18.

Matetika ny manam-pahaizana no milaza fa i Ofra ihany ilay tanàna antsoina hoe Efraima (2Sa 13:23; Jn 11:54) sy hoe Efraina (2Ta 13:19), izay heverina fa i et-Taiyiba (tokotokony ho 6 km any atsinanana avaratratsinanan’i Betela).

3. Tanàna niavian’i Gideona. Tao koa ny anjelin’i Jehovah no naniraka azy hamonjy ny Israely teo am-pelatanan’ny Midianina. (Mpts 6:11-32) Rehefa resin’i Gideona ny tafika fahavalo, dia nanamboatra efoda avy tamin’ny zavatra azo babo nomen’ny olona izy, ary narantirantiny tao Ofra ilay efoda. Lasa sampy anefa ilay izy tatỳ aoriana. (Mpts 8:24-27) Taorian’ny nahafatesan’i Gideona sy nandevenana azy tao Ofra, dia nitady laza i Abimeleka zanany lahy. Novonoin’i Abimeleka “teo ambonin’ny vato iray” àry izy “fitopolo lahy rahalahiny.” ‘I Jotama faralahy ihany no sisa velona.’ (Mpts 8:32; 9:5) Nanan-janakalahy 70 i Gideona, raha tsy isaina i Abimeleka. (Mpts 8:30, 31) Toa 69 àry ny zanakalahin’i Gideona novonoin’i Abimeleka tao Ofra satria afa-nandositra i Jotama. Mety ho ny fikasan’i Abimeleka hamono azy 70 lahy zanak’i Gideona no tian’i Jotama holazaina rehefa niresaka momba an’iny zava-nitranga iny izy tatỳ aoriana. (Mpts 9:18) Hoy anefa ny boky manazava hevi-teny iray: “Mbola mety foana ny hilazana hoe ‘fitopolo’ no novonoina satria isa noboriborina io.”​—Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, Londres, 1950 (Josoa sy Mpitsara, p. 234).

Toa tany andrefan’i Jordana no nisy an’io Ofra io. Misy milaza azy io ho i el-ʽAffoleh (ʽAfoula), tokotokony ho 45 km any avaratr’i Sekema.