Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ohabolana, Bokin’ny

Ohabolana, Bokin’ny

Ohabolana na tenin’olon-kendry notsongaina avy tamin’ny ohabolana maromaro, ary avy eo natambatra. Nosoratana ilay boky ‘mba hahazoana fahendrena sy anatra, mba hahatakarana ny hevitry ny teny mifono hevi-dalina, mba hanekena anatra, izay mahatonga ny olona ho lalin-tsaina sy ho marina ary hanao ny rariny sy ny hitsiny, mba ho malina ny tanora fanahy, ary hanam-pahalalana sy fahaiza-misaina ny zatovo.’ (Oh 1:2-4) “Amin’izay dia handeha amin’ny lalan’ny olona tsara toetra ianao, ary hizotra eo amin’ny lalan’ny olo-marina.”​—2:20.

Resahin’ny andininy voalohany amin’ireo fizarana telo ao amin’ilay boky fa i Solomona no nanoratra azy ireo. (Oh 1:1; 10:1; 25:1) Tsy mahagaga izany satria “nahavita nilaza ohabolana telo arivo” izy. (1Mp 4:32) Nosoratana tamin’ny andro nanjakany ny ankamaroan’ny ohabolana ao amin’ireo fizarana ireo, raha tsy izy rehetra mihitsy aza. Hoy i Solomona momba ny tenany: “Hendry ilay mpamory vahoaka, ary tsy nitsahatra nampianatra olona hahazo fahalalana koa izy, sady nisaintsaina sy nanao fikarohana lalina, mba hahafahany handrindra ohabolana maro. Niezaka nitady teny mahafinaritra ilay mpamory vahoaka, sady nanoratra tenim-pahamarinana tsy misy diso.”​—Mpto 12:9, 10.

Misy milaza anefa fa tsy i Solomona no nanoratra ny ankamaroan’ireo ohabolana ireo. Manambany mpanjaka mantsy, hono, ny ohabolana sasany (Oh 16:14; 19:12; 20:2; 25:3) ka tsy ho nosoratana tamin’ny andron’i Solomona mihitsy. Manandratra mpanjaka anefa ireo ohabolana ireo, rehefa dinihina akaiky, satria asehony fa tokony hatahorana izy io noho ny fahefana ananany. (Ampit. 24:21.) Misy koa milaza fa tsy i Solomona mihitsy no ho nanoratra hoe tokony hifaly amin’ny vady iray ihany (5:15-19; 18:22; 19:13, 14), satria nanana vady maro izy. Tsara hotadidina anefa fa tsy nampirisihina ny fananana vady maro tamin’izany, fa noleferina fotsiny sady nisy lalàna nifehy azy io. Mety ho nanana vady tokana koa ny ankamaroan’ny Jiosy. Ny hevitr’Andriamanitra, fa tsy ny an’i Solomona, no hita ao amin’ny Ohabolana. Ny fandinihan’i Solomona ny fiainany sy ny manodidina azy koa angamba no nampiaiky azy fa hendry Andriamanitra rehefa nanome vady tokana ho an’ny lehilahy voalohany.​—Ampit. Mpto 2:8; 7:27-29.

Tsy i Solomona irery no nanao ohabolana, fa nisy lehilahy sy vehivavy hendry hafa koa. (Oh 22:17; 30:1; 31:1; jereo AGORA; LEMOELA.) Tsy fantatra anefa hoe oviana marina izy rehetra ireo no nosoratana. Ny fotoana nanjakan’i Hezekia no voaresaka farany ao amin’ilay boky. (25:1) Efa vita àry izy io tamin’ny fotoana nahafatesan’i Hezekia tamin’ny 717 T.K. tany ho any. Misy ohabolana mitovitovy ao amin’ilay boky. Midika izany fa ohabolana avy tamin’ny boky maromaro no natambatra ao.​—Ampitahao 10:1 sy 15:20; 10:2 sy 11:4; 14:20 sy 19:4; 16:2 sy 21:2.

Fomba fanoratra sy votoatiny. Miendrika tononkalo hebreo ilay boky, ka mitovitovy (Oh 11:25; 16:18; 18:15) na mifanohitra (10:7, 30; 12:25; 13:25; 15:8) ny hevitra resahin’ny ohabolana sasany. Ahitana torohevitra omen’ny ray ho an’ny zanany ny fizarana voalohany. (1:1–9:18) Teny fohy mifono hevi-dalina kosa no ao amin’ireo fizarana sisa. Manaraka ny filaharan’ny abidy hebreo ny teny voalohany ao amin’ireo andininy 22 farany amin’ilay boky. Nampiasa an’io fomba fanoratra io koa i Davida tao amin’ny salamo maromaro.​—Sl 9; 10; 25; 34; 37; 145.

Avy amin’ny fanahy masina. Noporofoin’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina fa anisan’ny Tenin’Andriamanitra ny Ohabolana. Naka teny tao, ohatra, ny apostoly Petera (1Pe 4:18; 2Pe 2:22; Oh 11:31 [LXX]; 26:11) sy Jakoba mpianatr’i Jesosy (Jk 4:6; Oh 3:34, LXX). Nanao toy izany ny apostoly Paoly tamin’izy nanoratra ho an’ny Korintianina (2Ko 8:21; Oh 3:4, LXX) sy ny Romanina (Ro 12:16, 20; Oh 3:7; 25:21, 22) ary ny Hebreo (He 12:5, 6; Oh 3:11, 12). Misy hevitra mitovitovy amin’izay hita ao amin’ny Ohabolana koa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.​—Ampitahao Oh 3:7 sy Ro 12:16; Oh 3:12 sy Ap 3:19; Oh 24:21 sy 1Pe 2:17; ary Oh 25:6, 7 sy Lk 14:7-11.

Ahazoana fiainana ny fahalalana an’i Jehovah. Imbetsaka ny Ohabolana no mampifandray ny fahalalana amin’ny fahaiza-manavaka, fahendrena, fahiratan-tsaina, ary fahaiza-misaina. Tsy ny hahalala zavatra be dia be fotsiny àry no ampirisihina antsika. Ny fiheverana ho zava-dehibe ny fifandraisana amin’i Jehovah kosa no fiandohan’ny tena fahalalana, hoy ny Ohabolana. Toy izao mantsy ny loha hevitr’ilay boky: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana.”​—Oh 1:7.

Ny fahalalana an’Andriamanitra no fahalalana sarobidy indrindra. “Ny fahalalana an’Ilay Masina Indrindra no atao hoe fahiratan-tsaina.” (Oh 9:10) Ny hoe “mahalala” azy akory tsy midika fotsiny hoe mahalala fa misy izy, sy hoe izy no Mpamorona, ary mahalala ny mombamomba azy. Midika koa izy io hoe mankasitraka lalina an’ireo toetra tsarany sy manaja an’ilay anarany be voninahitra, ary mifandray akaiky aminy.

Hoy i Jesosy Kristy tamin’ireo Jiosy nahalala an’Andriamanitra: “Tsy misy tena mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na tena mahafantatra ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampiharihariana azy.” (Mt 11:27) Vao mainka hatahotra an’i Jehovah ireo mahalala ny toetrany. Ho takatr’izy ireo koa fa izy irery ihany no mendrika ny hivavahana sy hotompoina, ka hahazo fiainana izay mahalala sy mankatò azy. “Loharanon’aina ny fahatahorana an’i Jehovah, ka miaro tsy ho azon’ny fandriky ny fahafatesana”, ary “mitarika ho amin’ny fiainana ny fahatahorana an’i Jehovah.”​—Oh 14:27; 19:23.

Jehovah no Mpamorona. Faran’izay hendry i Jehovah, ka namorona ny zava-drehetra sy namoaka lalàna mifehy azy ireny. Tokony hivavaka aminy àry ny zavaboary rehetra. (Oh 3:19, 20) Izy no nanao ny sofina sy ny maso ara-bakiteny sy an’ohatra. Mila ny fanampiany àry izay te hanana fahiratan-tsaina rehefa mijery sy mihaino. Mbola hampamoahin’ilay mahita sy mandre ny zava-drehetra koa ny olona tsirairay.​—20:12.

Fahamarinana. Asongadin’ilay boky fa i Jehovah no niavian’ny zava-drehetra ary avy aminy ny toro lalana rehetra mampirisika hanao ny marina. Hoy ny Ohabolana 16:11: “An’i Jehovah ny fandanjana marina sy ny mizana marina, ary avy aminy ny vatomizana rehetra ao anaty kitapo.” Mpanome Lalàna izy ka didiany hilaza sy hanao ny marina daholo ny mpivarotra. (11:1; 20:10) Mianatra ho tia an’izay tian’i Jehovah sy hankahala an’izay halany ny olona matahotra azy, ka hanao izay mahitsy satria “midika ho fankahalana ny ratsy ny fahatahorana an’i Jehovah.” (8:13) Ireto no tena halan’i Jehovah: Maso miandranandrana, lela fandainga, tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, fo mamorona teti-dratsy, tongotra maika hihazakazaka hanao ratsy, olona mijoro ho vavolombelona mandainga, ary izay mampisy fifandirana eo amin’ny samy mpirahalahy. (6:16-19; 12:22; 16:5) Hahazo fiainana izay tena mankahala an’ireo.

Manampy an’ireo olo-marina hahalala an’izay ankasitrahan’i Jehovah ny Ohabolana. ‘Mahafinaritra azy izay mandeha tsy misy tsiny’ sy ny vavak’izy ireo. (Oh 11:20; 15:8, 29) “Ankasitrahan’i Jehovah ny olona tsara toetra.” (12:2) ‘Tiany izay mikatsaka ny fahamarinana.’​—15:9.

Fitsarana sy tari-dalana. Fantatr’ireo mahalala an’i Jehovah ary efa niainan’izy ireo ny fahamarinan’ilay hoe: “Tsy misy fahendrena na fahaiza-manavaka na torohevitra mahatohitra an’i Jehovah.” (Oh 21:30) Hanaraka ny torohevitr’i Jehovah àry ny olon-kendry, na dia mety ho hafa aza ny soso-kevitra reny na irin’ny fony. Fantany mantsy fa tsy hahatohitra an’izay lazain’i Jehovah ny torohevitra mifanohitra amin’ny Azy, na dia toa feno fahendrena sy mitombina aza ilay izy.​—Oh 19:21; ampit. Js 23:14; Mt 5:18.

Hoy i Solomona Mpanjaka: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo ... Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.” (Oh 3:5, 6) Afaka mifidy ny lalan-kizorany ny fon’ny olona. Tsy maintsy mamela an’i Jehovah hitarika ny diany anefa ilay olona raha te hahomby, na dia tsara aza ny safidiny.​—16:3, 9; 20:24; Je 10:23.

Tokony heken’izay olona mifidy ny lalan’ny fiainana fa zava-dehibe amin’i Jehovah izay ataony. “Mijery eny rehetra eny” mantsy ny mason’i Jehovah, “mandinika ny olona ratsy toetra sy ny tsara toetra.” (Oh 15:3) “Eo imason’i Jehovah ny lalan’ny olona, ary dinihiny avokoa ny lalany rehetra.” (5:21) Tsy ny ivelany fotsiny no dinihiny fa ny fo koa. (17:3) ‘I Jehovah no mandinika ny fo’ (21:2), ka dinihiny hoe hoatran’ny ahoana marina ny fomba fisainan’ilay olona, ary inona no tena antony anaovany zavatra sy tena faniriana lalina ao am-pony.

Ara-drariny foana ny fitsaran’i Jehovah sady mahasoa an’ireo te hanao izay mahitsy. Handringana an’ireo ratsy fanahy Andriamanitra amin’ny fotoana voatondro, ka ny fahafatesan’izy ireo no hitondra fahafahana ho an’ny olo-marina. Hoy ny Ohabolana 21:18: “Ny ratsy fanahy no anavotana ny olo-marina, ary hisolo toerana ny olo-mahitsy ny mpivadika.” Anisan’ny ratsy fanahy ny mpirehareha, izay maharikoriko an’i Jehovah. “Tsy ho afa-maina [izy ireny] fa ho voasazy.” (16:5) “Horavan’i Jehovah ny tranon’izay manandra-tena.” (15:25) “Hanaisotra ny ain’izay” mandroba ny mahantra izy.​—22:22, 23.

Manao izay mahitsy ny olona tso-po rehefa fantany fa hofaizin’i Jehovah toy izany ny ratsy fanahy. (Ampit. Oh 4:26.) Hitany hoe manao fitsarana miangatra ny olona rehefa mandray kolikoly (17:23) na matin-kenamaso (18:5). Maharikoriko an’i Jehovah anefa izay ‘manameloka ny marina, na manamarina ny meloka.’ (17:15) Miezaka ny tsy hitsara an-tendrony koa ilay olona tso-po, fa mihaino tsara an’izay lazain’ny andaniny roa vao mitsara.​—18:13.

Fahasambarana sy tsy fananana ahiahy. Hoy ny Ohabolana momba an’izay miaro ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina omen’i Jehovah azy: “I Jehovah, raha ny marina, no ho tokinao, ka hiaro ny tongotrao tsy ho voafandrika.” (Oh 3:21, 26; 10:29; 14:26) “Hanana hoavy tsara” izay matahotra an’i Jehovah (23:17, 18), ary sambatra sy tsy manana ahiahy dieny izao. (3:25, 26) “Rehefa sitrak’i Jehovah ny ataon’ny olona, na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.” (16:7) Tsy avelany ho noana ny olo-marina. (10:3) ‘Ho feno mitafotafo ny fitehirizam-bokatry’ ny olona manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ireo zava-tsarobidy ananany. (3:9, 10) Ataon’Andriamanitra ela velona izy.​—10:27.

Toy ny tilikambo mafy ny anaran’i Jehovah ho an’izay ‘mialoka’ amin’ilay anarana (mahalala ny dikan’izy io sy manaiky fa Andriamanitra mpiaro sy mpanavotra izy, ohatra). Toerana fandosiran’ny olona taloha ny tilikambo, rehefa nanafika ny fahavalo.​—Oh 18:10; 29:25.

Mahazo “harena sy voninahitra ary fiainana” ny olona manetry tena eo anatrehan’i Jehovah. (Oh 22:4) Famindram-po sy fahamarinana no sitrak’i Jehovah, ary sarobidy kokoa noho ny sorona ireo. Tsy homelohiny ireo manalavitra ny ratsy sy matahotra azy ary manompo azy. (Oh 16:6; ampit. 1Sa 15:22.) Afaka manao ‘an’izay tsara rehetra’ ny olona mahalala ny zavatra tian’i Jehovah.​—Oh 2:9.

Mikendry ny fo. Mikendry ny fo ny Ohabolana mba hanatratrarana ny tanjony. Maherin’ny in-75 ilay boky no miresaka momba ny fo. Lazainy fa afaka manana fahalalana, fahiratan-tsaina, fahendrena, ary fahaiza-manavaka izy io; mahatonga ny olona hanao na hilaza zavatra izy io; ary misy vokany eo amin’izy io ny zava-mitranga. Tokony hahay hanavaka (Oh 2:2) sy hitandrina ny didin’i Jehovah ny fo (3:1), ary tokony hosoratana eo ‘amin’ny fo’ ireo didy ireo. (3:3) Mila arovana “mihoatra noho izay rehetra” tokony harovana koa ny fo. (4:23) Amin’ny fo manontolo no tokony hatokisana an’i Jehovah.​—3:5; jereo FO.

Ny vokatry ny anatra eo amin’ny fo. Asongadin’ny Ohabolana fa tena ilaina ny fifehezana sy ny anatra. (Oh 3:11, 12) “Manimba tena izay mandà anatra, fa izay manana fo hendry kosa mihaino fananarana.” (15:32) Manohina ny fo sy manitsy an’izay ao am-po ny anatra, ka manampy ny olona hahay hanavaka. ‘Ripaka ny adala satria tsy ampy saina [tsy mahay manavaka].’ (10:21) Ilaina ny mahay manohina ny fon’ny ankizy rehefa mitaiza azy, satria “latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana, ka ny tsorakazo famaizana no hahatonga izany ho lavitra azy.”​—22:15.

Toe-tsaina sy toetra. Tsy fahendren’olombelona fotsiny no hita ao amin’ny Ohabolana, na ny fomba ampifaliana olona sy itaomana azy hanao izay tiantsika. Mikendry ny any am-po lalina any kosa izy io, ka misy vokany amin’ny eritreritra, ny antony anaovan-javatra, ny toe-tsaina, ny maha izy an’ilay olona ary ny toetrany. (He 4:12) “Heverin’ny olona ho madio izay rehetra ataony” ka mety hanamarin-tena izy, kanefa hoy ny Ohabolana 16:2: ‘I Jehovah no mandinika ny toetra maha izy ny olona.’ Hindrahindraina be ny tanjaka sy hery eto amin’ity tontolo ity. “Aleo [anefa] olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka, ary aleo olona mahafehy tena toy izay olona mahazo tanàna ho babo.”​—Oh 16:32.

Tena manampy ny olona ho sambatra dieny izao sy hahazo fiainana mandrakizay ny fahalalana sy fahendrena raketin’io boky avy amin’Andriamanitra io. “Tia ny tenany izay miezaka hanana fo hendry”, ka “ho lava andro sy ho maro taona iainana” izy, raha manaraka ny torohevitra sy fifehezana ary anatra hita ao. “Hidika ho fiainana” ho azy izany. (Oh 19:8; 3:2, 13-18, 21-26) “Tsy havelan’i Jehovah ho noana ny olo-marina.” (10:3) “Izay mitandrina ny didy dia miaro ny ainy”, hoy i Solomona.​—19:16.

Fifandraisana amin’ny olona. Mahasoa ny hafa ny teny lazain’ny tena mpanompon’Andriamanitra. (Oh 10:20, 21, 31, 32) Tsy mandainga izy na manao teny tsy voahevitra mandratra ny hafa. (12:6, 8, 17-19; 18:6-8, 21) Raha misy mampahatezitra azy, dia manome valin-teny malefaka izy ka mampitony hatezerana. (15:1; 25:15) Tsy tia ady na tia mifamaly izy, fa miezaka hifehy ny hatezerany kosa sao hanao zavatra amin-kadalana mety hanenenany mandrakizay. (Oh 14:17, 29; 15:18; ampit. Kl 3:8.) Tsy hinamana amin’ny olona tsy mahafehy hatezerana sy mora misafoaka izy, satria fantany fa ho fandrika ho azy izany.​—Oh 22:24, 25; ampit. 13:20; 14:7; 1Ko 15:33.

Valio soa ny ratsy. Mampirisika antsika hanao soa amin’ny olona ny Ohabolana. Tokony hasiantsika soa izay “mipetraka tsy manana ahiahy” ao amintsika sy tsy manao ratsy antsika (Oh 3:27-30), ary tokony hovaliantsika soa koa ny ratsy natao tamintsika. (25:21, 22) Handinika akaiky an’izay ao am-pontsika isika sao hifaly anakampo, rehefa iharan-doza ny olona hamavointsika na mankahala antsika.​—17:5; 24:17, 18.

Fifosana sy endrikendrika. Resahina imbetsaka ao amin’ny Ohabolana fa miteraka olana, alahelo, voka-dratsy ny fosafosa, ary tena ratsy ny mampiely tsaho sy fosafosa. Toy ny hanim-py “mampilendalenda atao teli-moka” ny tenin’ny mpanendrikendrika, ary misy vokany maharitra amin’izay mihaino azy satria midina “avy hatrany any an-kibo.” Miteraka olana àry ny teniny, ka tsy afa-tsiny izy. Mody miseho ho olona mahafinaritra angamba izy ary mety hanafina an’izay tena ao am-pony. ‘Habaribarin’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana’ anefa ny fankahalany sy ny toetra ratsiny. Izy ihany no ho latsaka ao amin’ilay lavaka nohadiny ho an’ny hafa.​—Oh 26:22-28.

Fifandraisan’ny mpianakavy. Toroana hevitra ny mpivady mba tsy hifanitsakitsaka. Tokony hifaly amin’ny ‘vadin’ny fahatanorany’ ny tsirairay, fa tsy hitady fahafinaretana amin’ny olon-kafa. (Oh 5:15-23) Hanimba tena sy ho faty ny mpanitsakitsa-bady. (5:3-14; 6:23-35) “Satroboninahitry” ny vadiny sady mahasambatra azy ny vehivavy tsara toetra. “Toy ny lo mikiky ny taolan-dralehilahy” kosa ny vehivavy manao izay mahamenatra. (12:4) Fahoriana ho an’ny lehilahy ny miray trano amin’ny vehivavy tia ady. (25:24; 19:13; 21:19; 27:15, 16) Toy ny “kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa” ny vehivavy toy izany, na dia tsara tarehy sy tsara bika aza. (11:22; 31:30) Manimba ny tokantranony ny vehivavy adala. (14:1) Velabelarina ao amin’ny Ohabolana toko faha-31 kosa ny hasarobidin’ny vady tsara, izay mazoto miasa, azo itokisana, mikarakara tsara ny tokantranony ary manaiky ny vadiny.

Tompon’andraikitra amin’ny fitaizana ny zanany ny ray aman-dreny, ary tena ilainy ny mifehy azy ireo. (Oh 19:18; 22:6, 15; 23:13, 14; 29:15, 17) Ny andraikitry ny ray no asongadin’ilay boky, nefa ny ray sy ny reny no tsy maintsy hajain’ilay zanaka raha tiany ny homen’i Jehovah fiainana.​—19:26; 20:20; 23:22; 30:17.

Fiahiana biby. Voaresaka ao amin’ny Ohabolana na dia ny fikarakarana biby fiompy aza. “Mitsimbina ny ain’ny biby fiompiny ny marina.” (Oh 12:10) “Fantaro tsara ny toetoetry ny andian’ondrinao.”​—27:23.

Fitondram-panjakana mafy orina. Misy toro lalana momba ny fahaiza-mitondra fanjakana ao amin’ny Ohabolana. Tokony hamakafaka tsara ny olona ambony toy ny mpanjaka (Oh 25:2), haneho hatsaram-panahy sy fahamarinana (20:28), ary hanao ny rariny amin’ny vahoaka (29:4; 31:9) anisan’izany ny mahantra (29:14). Tsy tokony ho olona ratsy fanahy ny mpanolo-tsainy, raha tiany hiorina mafy amin’ny fahamarinana ny fitondrany. (25:4, 5) Tokony hahay hanavaka koa ny mpitarika, fa tsy ho tia tombony azo amin’ny tsy rariny.​—28:16.

‘Manandratra fanjakana ny fahamarinana’ (Oh 14:34), fa mahatonga ny fitondrana ho tsy mafy orina kosa ny fandikan-dalàna. (28:2) Miteraka korontana koa ny tolom-bahoaka, ka hoy ny Ohabolana 24:21, 22: “Matahora an’i Jehovah sy ny mpanjaka, anaka. Aza miaraka amin’izay te hitondra fanovana. Fa ho tonga tampoka ny loza hanjo azy, ka iza no hahatsikaritra ny nandringanana azy rehetra?”

Azo anovozana torohevitra. Saika ny lafim-piainana rehetra no voaresaka ao amin’ny Ohabolana, ka afaka manovo torohevitra sy fananarana maro ao ny olona, toy ny nataon’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina. “Ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly.” (Oh 15:28) Tsy fahendrena anefa ny manoro hevitra ny mpaniratsira. “Manala baraka ny tenany izay manitsy ny mpaniratsira. Ary hanan-tsiny izay mananatra ny ratsy fanahy. Aza mananatra ny mpaniratsira sao ho halany ianao. Anaro kosa ny hendry dia ho tiany ianao.” (Oh 9:7, 8; 15:12; ampit. Mt 7:6.) Tsy ny olon-drehetra anefa no mpaniratsira. Tokony hanome torohevitra àry ireo afaka manao izany, satria “mamelona sy mitari-dalana olona maro ny tenin’ny marina.”​—Oh 10:21.

[Efajoro, pejy 601]

HEVITRA MISONGADINA: OHABOLANA

Boky misy fizarana maromaro ahitana torohevitra sy tenin’olon-kendry azo ampiharina eo amin’ny fiainana

I Solomona Mpanjaka no nanoratra ny ankamaroan’ny Ohabolana, nefa tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka izy io vao vita tanteraka

Sarobidy be ny fahendrena

Ny fahendrena sy fahiratan-tsaina no zava-dehibe indrindra (4:5-8; 16:16)

Ny fomba ahazoana fahendrena (2:1-9; 13:20)

Soa azo avy amin’ny fahendrena: Tsy manana ahiahy, voaro, mahazo voninahitra, ela velona sy sambatra kokoa (2:10-21; 3:13-26, 35; 9:10-12; 24:3-6, 13, 14)

Antsoina hoe fahendrena ilay mpiara-miasa tamin’i Jehovah (8:22-31)

Ny voka-dratsin’ny tsy fanehoana fahendrena (1:24-32; 2:22; 6:12-15)

Fitadiavana sitraka amin’i Jehovah

Matokia an’i Jehovah (3:5, 6; 16:20; 18:10; 29:25)

Matahora azy ary halaviro ny ratsy (3:7; 10:27; 14:26, 27; 16:6; 19:23)

Omeo voninahitra izy ka tohano ny fivavahana marina (3:9, 10)

Ekeo ny fifehezany fa porofon’ny fitiavany (3:11, 12)

Ankasitraho ny teniny (3:1-4; 30:5, 6)

Fantaro hoe inona no halany ka aza atao (6:16-19; 11:20; 12:22; 16:5; 17:15; 28:9)

Hokarakarainy sy harovany izay mampifaly azy, ary hohenoiny ny vavaka ataony (10:3, 9, 30; 15:29; 16:3)

Torohevitra tsara ho an’ny fianakaviana

Fitahiana avy amin’i Jehovah ny vady tsara toetra (12:4; 14:1; 18:22; 31:10-31)

Tokony hitaiza sy hifehy ny zanany ny ray aman-dreny (13:1, 24; 22:6, 15; 23:13, 14; 29:15, 17)

Tokony hanaja lalina ny ray aman-dreniny ny zanaka (1:8, 9; 4:1-4; 6:20-22; 10:1; 23:22-26; 30:17)

Mahafinaritra rehefa mifankatia sy tsy miadiady ny ao an-trano (15:16, 17; 17:1; 19:13; 21:9, 19)

Hisoroka fahoriana sy fijaliana be izay tsy maloto fitondran-tena (5:3-23; 6:23-35; 7:4-27; 9:13-18)

Toetra tokony hananana sy tokony hohalavirina

Anehoy fitiavana sy fiahiana ny mahantra sy ory (3:27, 28; 14:21, 31; 19:17; 21:13; 28:27)

Aoka ianao halala-tanana, aza mangoron-karena (11:24-26)

Mazotoa miasa; aza kamo (6:6-11; 10:26; 13:4; 20:4; 24:30-34; 26:13-16)

Homem-boninahitra ny manetry tena, fa haetry kosa izay manambony tena sy mirehareha (11:2; 16:18, 19; 25:6, 7; 29:23)

Fehezo ny hatezerana (14:29; 16:32; 25:28; 29:11)

Aza tia manisy ratsy olona na mamaly faty (20:22; 24:17, 18, 28, 29; 25:21, 22)

Katsaho foana ny fahamarinana (10:2; 11:18, 19; 14:32; 21:3, 21)

Toro lalana ilaina amin’ny fiainana andavanandro

Maneke fifehezana sy anatra, mihainoa torohevitra (13:18; 15:10; 19:20; 27:5, 6)

Aoka ianao ho tena namana (17:17; 18:24; 19:4; 27:9, 10)

Aoka ianao ho malina rehefa asain’olona (23:1-3, 6-8; 25:17)

Zava-poana ny fitiavan-karena (11:28; 23:4, 5; 28:20, 22)

Mitondra fitahiana ny asa mafy (12:11; 28:19)

Miezaha manao ny marina rehefa mivarotra (11:1; 16:11; 20:10, 23)

Aza miantoka olona nisambo-bola, indrindra raha olon-tsy fantatra (6:1-5; 11:15; 22:26, 27)

Halaviro ny teny sy resaka tsy mahasoa; aoka hampahery ny teninao (10:18-21, 31, 32; 11:13; 12:17-19; 15:1, 2, 4, 28; 16:24; 18:8)

Mamitaka ny teny fandokafana (28:23; 29:5)

Aza mifamaly amin’olona (3:30; 17:14; 20:3; 26:17)

Halaviro ny naman-dratsy (1:10-19; 4:14-19; 22:24, 25)

Mitandrema rehefa mifandray amin’ny mpaniratsira sy ny adala (9:7, 8; 19:25; 22:10; 26:4, 5)

Halaviro ny toaka fa mamandrika (20:1; 23:29-35; 31:4-7)

Aza mitsiriritra ny ratsy fanahy (3:31-34; 23:17, 18; 24:19, 20)