Ohola
(Ôhôla) [Tranolainy [Fivavahana]].
Vehivavy mpivaro-tena an’ohatra resahin’ny Ezekiela toko faha-23. I Samaria (izany hoe ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely) no tiana holazaina amin’ny hoe Ohola, ary i Oholiba no zokiny vavy, izay tsy iza fa i Jerosalema (izany hoe ny fanjakan’ny Joda). Nanorina toerana fivavahana ho azy manokana ny fanjakan’ny foko folo, ka mety ho izay no tiana holazaina amin’ilay anarana hoe Ohola, izay midika hoe “Tranolainy [Fivavahana].” Nivaro-tena teo amin’ny resaka fivavahana izy, nanomboka tany Ejipta ka hatrany amin’ny Tany Nampanantenaina. Nivaro-tena koa izy tatỳ aoriana rehefa nitady sitraka tamin’ny Asyrianina, sy nanompo sampy ka nanao sorona ny zanany. Nivadika tamin’i Jehovah i Ohola (ny fanjakana tany avaratra) ka natolony teo an-tanan’ny lehilahiny ihany, dia ny Asyrianina.