Oliva
[Heb.: zayit; gr.: elaia].
Anisan’ny zavamaniry tena sarobidy toy ny voaloboka sy hazo aviavy ny hazo oliva, fahiny. (Mpts 9:8-13; 2Mp 5:26; Ha 3:17; Jk 3:12) Efa ela ny Baiboly no niresaka azy io. Ravin’oliva nentin’ny voromailala iray, ohatra, no nahafantaran’i Noa fa nihena ny rano taorian’ny Safodrano.—Ge 8:11.
Maniry tsara eny amin’ny tehezan-tendrombohitr’i Galilia sy Samaria sy eny an-kavoana afovoan-tany ary eran’ny faritr’i Mediterane ny hazo oliva (Olea europaea). (De 28:40; Mpts 15:5) Tany be vato sy vatosokay, izay maina loatra ka tsy tian’ny zavamaniry maro hafa, no aniriany, ary mahazaka hain-tany imbetsaka izy. Nampanantenaina ny Israelita niala tany Ejipta, fa hisy ‘oliva fanaovana menaka sy hisy tantely’ ary ‘tanimboaloboka tsy novoleny, sy hazo oliva tsy namboleny’ ilay tany homena azy ireo. (De 6:11; 8:8; Js 24:13) Ela vao mitombo ny hazo oliva, ary mety ho afaka folo taona na mahery vao mamoa tsara, ka tombony ho azy ireo ny hoe efa lehibe ny hazo tao. Ela velona anefa ilay hazo, ary mamoa an-jatony taona. Velona 1 000 taona mahery, hono, ny hazo sasany any Palestina.
Mahafinaritra ny mijery hazo oliva mandrakotra ny tehezan-kavoana be vato na ny lemaka eran’i Palestina. Mety ho 6 m mahery ny haavon’ilay hazo volondavenona miolikolika sy be sampany, ary be raviny lavalava maitso somary volondavenona. Maitsoririnina izy io, na dia tsy heverin’ny maro ho toy izany aza. Rakotra voninkazo mavo tanora an’arivony, izay mora mihintsana, izy rehefa Mey any ho any. (Jb 15:33) Maitso ny voany manta, fa volomparasy na mainty kosa rehefa masaka. Rehefa fararano (Oktobra-Novambra) izy no otazana, ary mbola kapohina amin’ny hazo ihany ny fomba fioty azy. (De 24:20; Is 24:13) Nisy olon-kafa nioty an’izay sisa tavela, fahiny. (Is 17:6) Mamoa be ilay hazo mandritra ny taona iray, fa tsy dia mamoa kosa ny taona manaraka, ary hoatr’izay foana. Alona anaty ranon-tsira ny oliva mba hialan’ny tsirony mangidy, ary hanina manta na alona anaty vinaingitra. Ny menaka oliva, izay 30 isan-jaton’ny lanjan’ny voany na mahery, anefa no tena sarobidy aminy. Ahazoana menaka 38 ka hatramin’ny 57 L isan-taona ny hazo iray mamoa tsara. Mafy be ilay hazo, ary mila hamainina an-taonany maro vao azo andrafetana.
Velona an-jatony taona ny hazo oliva, nefa raha kapaina dia mety hisy tsimoka enina mihitsy aza eo amin’ny fotony. Ireny no ho lasa hazo vaovao. Misy tsimoka toy izany koa matetika ny hazo efa antitra. Matetika no tapahina ny sampan’ny hazo iray ary ambolena mba hahazoana hazo vaovao. Ny zanaky ny lehilahy tahin’i Jehovah àry dia azo lazaina hoe toy ny ‘sampan’oliva manodidina ny latabany.’—Sl 128:3.
Fanaovana grefy. Matetika ny tahon’ny hazo oliva nambolena sy namoa tsara no natao grefy tamin’ny hazo olivadia teny an-kavoana, mba hanome oliva tsara ilay olivadia. Toa tsy nahazatra sady tsy fanao mihitsy àry ny hoe ny tahon’olivadia indray no natao grefy tamin’ny oliva nambolena. Izany anefa no nataon’ny mpamboly sasany tamin’ny taonjato voalohany. Niresaka momba izany fanao hafahafa izany i Paoly tao amin’ny fanoharany. Ny Kristianina hafa firenena lasa anisan’ny “taranak’i Abrahama”, hoy izy, no sampan’ny olivadia natao grefy tamin’ny oliva nambolena, ho solon’ny sampana tsy namoa izay notapahina, dia ny Jiosy tsy nino ka nolavina ary nesorina tamin’ilay hazo oliva. (Ro 11:17-24; Ga 3:28, 29) ‘Tsy izany anefa no fanao.’ Asongadin’io fanoharana io àry fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amin’ny Kristianina hafa firenena Andriamanitra. Mahazo “menaka” avy amin’ny fakan’ilay oliva nambolena koa ireo sampan’ny “olivadia”, ka tsy misy tokony hireharehany.—Ampit. Mt 3:10; Jn 15:1-10; jereo GREFY.
Saha sy famiazan’oliva. Saika nanana sahan’oliva daholo ny tanàna kely tany Palestina, raha nety ny toe-javatra. Voa mafy àry ny mponina raha tsy namokatra ny oliva, toy ny rehefa lanin’ny fanday, izay tena fahavalon’izy io. (Am 4:9) Nanana sahan’oliva lehibe tao amin’ny faritr’i Sefela i Davida Mpanjaka. (1Ta 27:28) Nisy oliva koa ny tandavan-tendrombohitra atsinanan’i Jerosalema tamin’ny androny, tokony ho “lalana indray sabata” avy tao amin’ilay tanàna. Efa nantsoina hoe “tendrombohitry ny hazo oliva” izy io, tamin’ny andron’i Zakaria. (2Sa 15:30; Za 14:4; Lk 19:29; 22:39; As 1:12) Be mpamboly oliva eran’i Palestina fahiny, matoa nahitana vato famiazan’oliva be dia be tany. Saham-boankazo izay matetika nisy famiazan’oliva ny “zaridaina” tamin’izany. Gat shemaneh (aram.; “famiazana ahazoana menaka”), ohatra, no niavian’ny anaran’ilay zaridaina hoe Getsemane, izay nalehan’i Jesosy taorian’ny sakafo hariva farany niarahany tamin’ny mpianany. Nohitsakitsahina koa ny oliva indraindray.—Mi 6:15.
Heviny an’ohatra. Ilazan’ny Baiboly firoboroboana sy hatsaran-tarehy ary haja ny hazo oliva. (Sl 52:8; Je 11:16; Ho 14:6) Anisan’ny nampiasaina tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo ny sampany. (Ne 8:15; Le 23:40) Ilazana ny voahosotr’Andriamanitra sy ny vavolombelony koa ny hazo oliva.—Za 4:3, 11-14; Ap 11:3, 4.