Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Oliva, Tendrombohitra

Oliva, Tendrombohitra

Tandavan-tendrombohitra vatosokay sady dombodombo loha eo atsinanan’i Jerosalema, izay “lalana indray sabata” avy eo, ary ny Lohasahan’i Kidrona no manelanelana azy ireo. (Ezk 11:23; Za 14:4; As 1:12) Telo ny tendrony avo indrindra amin’ilay tandavan-tendrombohitra: Ny Tendrombohitra Scopus no avo indrindra sy farany avaratra, 820 m eo ho eo ny haavony. Avo kokoa noho izay toerana avo ao Jerosalema àry izy io. Ilay antsoina hoe Tendrombohitry ny Fandikan-dalàna na Tendrombohitry ny Faharavana no atsimo indrindra, ary 740 m eo ho eo ny haavony. Eo afovoany no misy ny tendrony fahatelo: Tokotokony ho 812 m ny avo indrindra amin’izy io, izay tandrifin’ny tendrombohitra nisy ny tempoly. Io ilay antsoin’ny Baiboly hoe Tendrombohitra Oliva. Rakotra palmie sy hazo mirta sy hazo mitera-menaka, ary indrindra fa hazo oliva io tandavan-tendrombohitra io fahiny. (Ne 8:15) Avy tamin’ireo hazo oliva naniry teo ny anarany. Naripaky ny Romanina anefa ny hazo teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema izy ireo tamin’ny taona 70.​—Ny Adin’ny Jiosy, V, 523 (xii, 4).

SARITANY: Tendrombohitra Oliva

Maro be ny tantara ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny Tendrombohitra Oliva. Niakatra an’io tendrombohitra io, ohatra, i Davida Mpanjaka, ka nandeha an-tongotra tsy nanao kapa sady nitomany, tamin’izy nandositra an’i Absaloma zanany mpikomy. (2Sa 15:14, 30, 32) Nanorina toerana avo nanompoana sampy teo i Solomona Mpanjaka, “teo ankavanan’ny [atsimon’ny] Tendrombohitry ny Faharavana”, kanefa nozimbazimbain’i Josia Mpanjaka io toerana io tatỳ aoriana. (1Mp 11:7; 2Mp 23:13) Teo amin’ny Tendrombohitra Oliva na teo akaikin’izy io no nisy ny zaridainan’i Getsemane, izay toerana falehan’i Jesosy sy ny mpianany, tamin’ny taonjato voalohany. (Mt 26:30, 36; Jn 18:1, 2) Isaky ny nankany Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany, dia tany Betania, teo amin’ny ilany atsinanan’ny Tendrombohitra Oliva, izy ireo no nivantana tamin’ny alina, azo inoana hoe tao amin-dry Marta sy Maria ary Lazarosy. (Mt 21:17; Mr 11:11; Lk 21:37; Jn 11:1) Toa avy tao Betifaga, akaikin’i Betania, no niainga i Jesosy tamin’izy nitaingina zanak’ampondra, ka namakivaky ny Tendrombohitra Oliva ho any Jerosalema. (Mt 21:1, 2; Mr 11:1; Lk 19:29) Teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy no nanazava tamin’ny mpianany momba ny ‘famantarana ny fanatrehany.’ (Mt 24:3; Mr 13:3) Teo koa izy no niakatra tany an-danitra, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty.​—As 1:9-12.