Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olona Goavam-be

Olona Goavam-be

Miresaka momba ny olona ngezabe ny Baiboly. Teo, ohatra, i Oga mpanjakan’i Basana. Anisan’ny Refaima izy, ary ny filanjana nitondrana ny fatiny dia sivy hakiho (4 m) ny lavany ary efatra hakiho (1,8 m) ny sakany. (De 3:11) Teo koa ilay Goliata novonoin’i Davida. Avy any Gata izy io, ary enina hakiho sy irain-jehy (2,9 m) ny halavany. Tena ngezabe sy natanjaka be izy, matoa nilanja sekely 5000 (57 kg) ny akanjony nisy takela-barahina, ary sekely 600 (6,8 kg) ny lanjan’ny vy nanaovana ny lela lefony.​—1Sa 17:4-7.

Ankoatra an’i Oga sy Goliata, dia nisy olon-kafa ngezabe koa, anisan’ny Refaima. Teo, ohatra, i Jisbi-benoba. Sekely varahina 300 (3,4 kg) ny lanjan’ny lefony. (2Sa 21:16) Teo koa i Safa na Sipay (2Sa 21:18; 1Ta 20:4); i Lamy (rahalahin’i Goliata), izay ‘toy ny voditenon’ny mpanenona ny tahon-defony’ (1Ta 20:5); ary ny lehilahy ngezabe iray nanana rantsantanana sy rantsantongotra enina avy, ka 24 ny fitambarany (2Sa 21:20).

Nilaza ireo mpitsikilo tsy nanam-pinoana nirahina tany Kanana hoe: “Hitanay tao ny Nefilima, dia ireo taranak’i Anàka, izay avy amin’ny Nefilima, hany ka toy ny valala ny fahitanay ny tenanay, ary toy izany koa ny fahitany anay.” (No 13:33) Tsy Nefilima ireny olona goavam-be ireny, fa olona lava be fotsiny, ary nantsoina hoe taranak’i Anàka (mety hidika hoe “Lava Tenda [izany hoe lava be]”). Efa ringana tamin’ny Safodrano mantsy ny Nefilima taranak’ireo anjely nanambady vehivavy.​—Ge 6:4.