Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olona Misy Demonia

Olona Misy Demonia

Olona idiran’ny fanahy ratsy sy eo ambany fifehezany. Lasa tsy nahay niteny, jamba, adala, na natanjaka be ny olona sasany nisy demonia. Nampijalin’ny demonia mafy izy ireny. (Mt 9:32; 12:22; 17:15; Mr 5:3-5; Lk 8:29; 9:42; 11:14; As 19:16) Nidiran’ny demonia na lehilahy na vehivavy na ankizy. (Mt 15:22; Mr 5:2) Indraindray demonia maro no indray niditra tao amin’ny olona iray. (Lk 8:2, 30) Lasa salama saina indray ilay olona rehefa navoaka ilay demonia. Tsy mitovy ny hoe misy demonia sy ny hoe marary, matoa samy nositranin’i Jesosy ireo.​—Mt 8:16; 17:18; Mr 1:32, 34.

Anisan’ny fahagagana lehibe indrindra nataon’i Jesosy ny namoaka demonia. Tsy nahatohitra an’i Jesosy mantsy izy ireny. Nisy olona tsy faly anefa rehefa namoaka demonia i Jesosy. Niampanga azy ho niara-niasa tamin’i Belzeboba lehiben’ny demonia, ohatra, ny Fariseo. Izy ireo anefa, raha ny marina, no taranaky ny Devoly, hoy i Jesosy. (Mt 9:34; 12:24; Mr 3:22; Lk 11:15; Jn 7:20; 8:44, 48-52) Fantatr’i Jesosy hoe ny fanahin’i Jehovah no hery nandreseny ny demonia, ary nilaza izany mivantana izy. (Mt 12:28; Lk 8:39; 11:20) Ny demonia koa niaiky fa i Jesosy no “Zanak’Andriamanitra” sy “Ilay Masin’Andriamanitra”, ary nisy niantso azy hoe “Jesosy, Zanak’ilay Andriamanitra Avo Indrindra.” (Mt 8:29; Mr 1:24; 3:11; 5:7; Lk 4:34, 41; As 19:15; Jk 2:19) Tsy navelan’i Jesosy hitory momba azy mihitsy anefa ny demonia. (Mr 3:12) Nasainy nitory tamin’ny havany momba ‘izay rehetra nataon’i Jehovah taminy’ kosa ny lehilahy iray nivoahan’ny demonia.​—Mr 5:18-20.

Nomen’i Jesosy fahefana hamoaka demonia koa ny apostoliny 12 sy ireo mpianatra 70 nirahiny hitory. Afaka namoaka demonia tamin’ny anaran’i Jesosy àry izy ireo. (Mt 10:8; Mr 3:15; 6:13; Lk 9:1; 10:17) Na olon-kafa tsy niaraka foana tamin’i Jesosy sy ny apostoliny aza afaka namoaka demonia tamin’ny anaran’i Jesosy. (Mr 9:38-40; Lk 9:49, 50) Mbola nanana izany fahefana izany ny apostoly, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Nodidian’i Paoly hivoaka tamin’ny mpanompovavy iray, ohatra, ny “demonia mpilaza ny hoavy”, ka tezitra ny tompon-drazazavavy tia vola be. (As 16:16-19) Mba namoaka demonia tamin’ny anaran’i “Jesosy izay torin’i Paoly” koa ireo fito mirahalahy zanak’i Skeva mpisorona, nefa nosamborin’ilay lehilahy nisy demonia izy ireo, ka noratrainy mafy sy nampitanjahany.​—As 19:13-16.

Matetika no misy demonia ny olona tsy salama saina izay mahery setra sy tsy voafehy. Misy mpamoha angatra mamoaka demonia, hono. Mampahatsiahy antsika ny tenin’i Jesosy izany. Hoy izy: “Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy ... efa namoaka demonia tamin’ny anaranao ... ?’ Hotsoriko aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo!” (Mt 7:22, 23) Aoka àry isika “hiambina” foana sy ‘hitafy ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahantsika ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly’ sy ny demoniany.​—1Pe 5:8; Ef 6:11.