Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ombivavy

Ombivavy

[Heb.: parah; ʼelef (De 7:13); ʽeglah, vantotr’ombivavy].

Anisan’ny kitro ifaharan’ny toe-karenan’ny Israely fahiny ny ombivavy. Nampiasaina hitarika sarety izy io, nefa koa nahazoana ronono azo navadika ho fromazy, dibera, na karazana yaorta. (No 19:2; Is 7:21, 22) Ny hodiny kosa nanaovana zavatra samihafa.

Natao sorona indraindray ny vantotr’ombivavy. (Ge 15:9; 1Sa 6:10; 16:2) Nampiasain’ny Israely ho amin’ny “rano fanadiovana” ny lavenon’ny ombivavy mena iray nodorana tany ivelan’ny toby. (No 19:2, 6, 9) Raha nisy vonoan’olona nefa tsy fantatra izay nanao izany, dia nila namono vantotr’ombivavy tany amin’ny lohasaha falehan-driaka tsy nisy voly ny anti-panahy solontenan’ny tanàna akaiky indrindra an’ilay faty, ka hanasa tanana teo ambonin’ilay biby sady hilaza fa tsy nanan-tsiny izy ireo.​—De 21:1-9.

Manana heviny an’ohatra matetika ny hoe ombivavy ao amin’ny Baiboly. Nidika ho fito taona zina narahina fito taona mosarena, ohatra, ireo ombivavy fito natavy sy fito nahia nonofisin’i Farao. (Ge 41:26, 27) Nilaza tamin’izy 30 lahy mpanotrona azy i Samsona fa ny fofombadiny na ny ombivavikeliny no nampiasain’izy ireo hiasa tany, mba hahitana ny valin’ny ankamantatra nataony.​—Mpts 14:11, 12, 18.

“Ombivavin’i Basana” no niantsoana ireo vehivavy tia haitraitra mpanambaka madinika tao Samaria. (Am 3:15; 4:1) Toy ny ‘vantotr’ombivavy efa voafolaka izay tia niasa teny am-pamoloana’ i Efraima. (Ho 10:11) Mazava kokoa ilay fanoharana rehefa fantatra fa tsy nasiana fehivava ny biby niasa teny am-pamoloana, ka tonga dia nandray soa tamin’ny asa mafy nataony satria afaka nihinana an’izay voa teny. (De 25:4) Rehefa nihanatavy ny Israely satria notahin’i Jehovah, dia “nandaka” Azy na nikomy taminy. (De 32:12-15) Mety tsara àry ny nampitahana azy tamin’ny ombivavy maditra, izay tsy mety asiana zioga. (Ho 4:16) I Ejipta indray toy ny ombivavy kely tsara tarehy hahita loza eo an-tanan’ny Babylonianina. (Je 46:20, 21, 26) Ny Babylonianina nandroba an’i Joda na ny ‘lovan’Andriamanitra’ kosa hoatran’ny ombivavy kely nifalihavanja teo amin’ny ahi-maitso.​—Je 50:11.

Hihavana ny ombivavy (biby tsy dia masiaka) sy ny orsa mpiremby, hoy ny Isaia 11:7. Midika izany fa hiadana ny olona rehefa mitondra ny Mesia na Kristy Jesosy.​—Jereo OMBILAHY; VANTOTR’OMBIVAVY; ZANAK’OMBY.