Omry
(Omrỳ).
1. Iray tamin’ireo sivy lahy zanak’i Bekera na taranany, ary ny anarany no voatonona fahadimy. Zanakalahin’i Benjamina io Bekera io.—1Ta 7:6, 8.
2. Andrianan’ny fokon’i Isakara, tamin’ny andro nanjakan’i Davida. Zanakalahin’i Mikaela izy.—1Ta 27:18, 22.
3. Mpanjaka fahenina teo amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra. Tsy voalaza ny razambeny na ny rainy na ny foko niaviany. Avy amin’i Omry ny tarana-mpanjaka fahatelo teo amin’ny Israely (fa avy amin’i Jeroboama sy Basa kosa ny tarana-mpanjaka roa teo aloha). I Ahaba zanany lahy, ary koa i Ahazia sy Jorama zafikeliny no nandimby azy, ka nitondra nandritra ny 46 taona izy efatra raha atambatra (t. 951-905 T.K.). Zafikelin’i Omry i Atalia, izay nanjaka tao Joda nandritra ny enin-taona. (2Mp 8:26; 11:1-3; 2Ta 22:2) Naripak’i Jeho ny ankohonan’i Ahaba ka ny taranany indray no nanjaka teo amin’ny Israely. Antsoina hoe “zanakalahin’i [izany hoe mpandimby an’i] Omry” i Jeho, eo amin’ny Vatolahy Maintin’i Salmanesera III. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 281) Ela be tatỳ aoriana, na dia efa tsy mpanjaka intsony aza ny taranak’i Omry, dia mbola nantsoin’ny Asyrianina hoe “tanin’i Omry” foana ny tanin’ny Israely ary “ankohonan’i Omry” ireo mpanjakan’ny Israely.
Tsy nandova seza fiandrianana i Omry, fa tamin’ny ady no nahazoany izany. Lehiben’ny tafika teo amin’ny Israely izy tamin’ny andron’i Elaha Mpanjaka (ary angamba koa tamin’ny andron’i Basa, ilay mpanjaka teo aloha). Nanongana an’i Elaha i Zimry lehiben’ny antsasak’ireo kalesy, ary namono ny ankohonan’i Basa sy ny namany rehetra. Nandre izany ny Israelita, izay nitoby tao Gibetona mba hiady tamin’ny Filistinina. Nanao an’i Omry ho mpanjaka àry ny “Israely rehetra”, izany hoe ny lohandohany teo amin’ireo foko “tao an-toby.” Tonga dia niala tao Gibetona izy ireo ka nankany Tirza renivohitr’i Zimry. Hitan’i Zimry fa tsy nisy azony natao intsony, ka niditra tao an-tranon’ny mpanjaka izy ary nodorany ilay trano mba ho kilan’ny afo tao izy. Maty àry izy, rehefa avy nitondra fito andro.—1Mp 16:8-20.
Te hahazo ny fitondrana koa anefa i Tibny zanak’i Ginata. Nizara roa àry ny vahoakan’Israely. Resy anefa ny mpomba an’i Tibny tamin’ny farany, taorian’ny ady an-trano naharitra efa-taona. Lasan’i Omry àry ny fitondrana. Tamin’ny taona faha-27 nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda (t. 951 T.K.) no maty i Zimry. (1Mp 16:15-18) Tamin’ny taona faha-31 nanjakan’i Asa (t. 947 T.K.) kosa no maty i Tibny, ary tsy voalaza ny antony. I Omry irery àry no nanjaka teo amin’ny Israely, nandritra ny valo taona teo ho eo.—1Mp 16:21-23, 29; jereo FANISAN-TAONA.
1Mp 16:27) Milaza ny andalana faha-4-8 eo amin’ny Vato Moabita, fa lasa teo ambany fahefan’i Omry i Moaba. Nitohy hatramin’ny andron’i Ahaba izany. (2Mp 3:4) Hitan’i Omry fa mora notafihina i Tirza ka tsy nataony renivohitra intsony izy io, teo antenatenan’ny taona nitondrany. Novidiny àry ny tendrombohitr’i Samera, izay nety tsara mba hasiana tanàna voaro mafy. Nanorina tanàna vaovao teo i Omry, dia ny tanànan’i Samaria, izay nahatohitra fahirano ela. (1Mp 16:23, 24) Misy soratra miendri-pantsika mihitsy aza milaza fa nanorina an’io tanàna io i Omry, sady tao izy no nalevina. (1Mp 16:28) Nisy olana maromaro nandritra ny fitondran’i Omry. Voatery nanome tanàna sasany ho an’ny mpanjakan’i Syria, ohatra, izy (1Mp 20:34), ary nanome hetra ho an’i Asyria koa, ka izy no mpanjaka israelita nanao izany voalohany.
Voalaza fa ‘mahery’ i Omry Mpanjaka. (Mbola nanaraka ny fivavahan-diso efa fanaon’ny fanjakana tany avaratra ihany i Omry, ary mbola nanohy ny fanompoan-tsampy natombok’i Jeroboama. “Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana i Omry, ary nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra talohany aza izy.” (1Mp 16:25, 26) Tokotokony ho 200 taona tatỳ aoriana, dia naniraka an’i Mika i Jehovah mba hanameloka ny Israely noho izy ireo nanaraka “ny lalàn’i Omry.”—Mi 6:16.
4. Taranak’i Joda. Nonina tao Jerosalema ny taranak’ity Omry ity, taorian’ny sesitany avy tany Babylona.—1Ta 9:3, 4.