Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ona

Ona

(Ôna).

Anaran’olona sy anaran-toerana.

1. [Hery Ahafahana Manana Anaka; Tanjaka]. Zanak’i Peleta; lehilahy nanana andraikitra anisan’ny fokon’i Robena. (No 16:1) Anisan’ireo nanohitra an’i Mosesy sy Arona izy. Tsy voatonona niaraka tamin’ny an’ireo mpikomy nampitondra teny ho an’i Mosesy anefa ny anarany, ary tsy voalaza hoe anisan’ireo nosazin’i Jehovah izy ka maty. (No 16:2, 3, 12-14, 23-35) Noho izy tsy anisan’ireo nitarika an’ilay fikomiana angamba no anton’izany, na mety ho niova hevitra izy raha vao niteny mafy an’ireo mpikomy i Mosesy.

2. Tanàna nalaza tany Ejipta fahiny, tany avaratratsinanana kelin’i Le Caire. Teo amin’ny morony atsinanan’i Neily no nisy azy io, akaikin’ny toerana isampanan’ilay renirano eo amin’ny fidirana amin’ny faritry ny Vinany. Jono no anaran’ilay tanàna ao amin’ireo soratra ejipsianina. Ny soratra asyrianina-babylonianina kosa manao hoe Ana na Ono. Misy mihevitra fa midika hoe “Tanànan’ny Andry” ilay anarana ejipsianina, angamba noho ireo vatolahy nampahalaza an’ilay tanàna (Tsangambato avo be ny vatolahy ejipsianina. Mihena tsikelikely ny habeny mandra-pahatongany eny amin’ny tendrony, ary toy ny endrika piramida ny lohany.). Na, angamba noho ilay vatomasina (antsoina hoe benben) nampiasaina tamin’ny fivavahana tamin’i Ra (Reʽ), andriamanitra masoandro, no nahatonga ilay anarana. Ny Grika kosa niantso an’ilay tanàna hoe Heliopolisy, izay midika hoe “Tanànan’ny Masoandro.” Tao mantsy no foiben’ny fivavahana tamin’ny masoandro.

Miresaka voalohany momba an’i Ona ny Baiboly, ao amin’ilay andininy milaza hoe Ona no tanànan’i Potifera mpisorona. I Asenata zanakavavin’io mpisorona io no nomena ho vadin’i Josefa. (Ge 41:45, 50) Misy ny anaran’ilay andriamanitra masoandro hoe Ra mihitsy aza ny anarana hoe Potifera.

Lasa nanan-karem-be toa an’ireo mpisorona tany Memfisa ny mpisorona tao Ona, rehefa nandeha ny fotoana. Ireo mpisorona tao Thèbes (antsoin’ny Baiboly hoe No-amona) ihany no nanan-karena kokoa noho izy ireo. Nisy sekoly tao amin’ny faritr’ilay tempoly ho an’ny masoandro tao Ona. Nampiofana mpisorona sy nampianatra momba ny fitsaboana izy io. Nisy filozofa sy manam-pahaizana grika tonga tao koa mba hianatra momba ny teolojian’ny mpisorona. Nanjary nalaza ho toerana fanovozana ny fahendrena ejipsianina àry i Ona.

Nilaza i Jeremia mpaminany fa ho resin’i Nebokadnezara Mpanjaka i Ejipta, ka “hopotipotehiny ireo andry ao Beti-semesy any Ejipta.” (Je 43:10-13) Azo lazaina ho mifanitsy amin’ilay anarana grika hoe Heliopolisy ihany i Beti-semesy, izay midika hoe “Tranon’ny Masoandro.” Azo inoana àry fa i Ona ilay tanàna resahina eto, ary mety ho ireo vatolahy ejipsianina maro nanodidina ny tempoly ho an’ny masoandro ireo “andry” hopotipotehina.

Misy fampitandremana toy izany koa ao amin’ny faminanian’i Ezekiela. (Ezk 30:10, 17) Tsy mitovy amin’ilay ao amin’ny Genesisy anefa eto ny teboka solon’ny zanatsoratra hebreo nampiarahina tamin’ilay anarana hoe Ona, ka lasa hoe Avena (heb.: ʼaven) izy io, raha ny marina. Misy manam-pahaizana milaza fa karazana tsilaolaon-teny izy io, satria midika hoe “Fanaovan-dratsy; Zava-dratsy” ny hoe Avena. Foiben’ny fanompoan-tsampy rahateo i Ona.

Tsilaolaon-teny koa angamba no hita ao amin’ny Isaia 19:18. Araka ny soratra nataon’ny Masoreta, dia voalaza ao fa “Tanànan’ny Faharavana” [heb.: ʽIr ha-Heres] ny iray amin’ireo ‘tanàna dimy any Ejipta miteny ny fitenin’i Kanana sady mianiana amin’i Jehovah.’ Ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia kosa manao hoe ʽIr ha-Heres, izay midika hoe “Tanànan’ny Masoandro.” Tsy iza anefa izany fa i Ona (Heliopolisy) ihany. Teto angamba ilay niniana nasiana tsilaolaon-teny. Novana hoe heres (mariho fa mitsipika ny ‘h’ eto; teny hebreo hafa ilazana ny “masoandro” izy io, na dia tsy fampiasa matetika toy ny hoe shemesh aza) ilay heres (faharavana), noho i Jehovah nikasa handrava an’i Ona, tanàna mpanompo sampy. Toy izao no ilazan’ny Targoma Aramianina azy: “(Tanànan’ny) Tranon’ny Masoandro, izay horavana.”

Tsy hoe notafihin’i Nebokadnezara sy noravany fotsiny i Ona (Heliopolisy). Tena voa mafy koa izy io rehefa notafihin’i Cambyse II i Ejipta (araka ny fitantaran’i Strabon, Grika mpahay jeografia velona taloha kelin’ny niandohan’ny taonjato voalohany.) (Jeografia, 17, I, 27) Efa tsy tanàn-dehibe intsony i Heliopolisy tamin’ny andron’i Strabon, sady efa vitsy mponina. Tanàna kely atao hoe Al-Matariya izao no eo amin’ilay toerana nisy an’i Ona fahiny. Ny hany amantarana ny lazan’ilay tanàna fahiny, dia vatolahy ejipsianina iray vita amin’ny vato granita mena natao tamin’ny andro nanjakan’i Sesostrisy I. Any New York sy Londres ary Roma kosa no ahitana vatolahy ejipsianina hafa avy tao Heliopolisy.