Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Onana

Onana

(Onàna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “hery ahafahana manana anaka; tanjaka”].

Zanakalahy faharoa naterak’i Joda tamin’ny zanakavavin’i Soa lehilahy kananita. (Ge 38:2-4; 1Ta 2:3) Nanao ratsy i Era zokin’i Onana ka novonoin’i Jehovah. Mbola tsy niteraka anefa i Era tamin’izay. Lasa mpitondratena àry i Tamara vadiny. Nasain’i Joda nanambady an’i Tamara i Onana mba hitondra loloha an’i Tamara. Tsy ho razamben’ny fianakaviamben’i Onana anefa ny zaza hateraka, raha lahy. Ho lasany ny lovan’ny lahimatoa satria izy no ho mpandova an’i Era. Ho lasan’i Onana kosa ilay lova raha tsy misy mpandova i Era. Rehefa nanao firaisana tamin’i Tamara àry i Onana, dia “nariany tamin’ny tany ny tsirinainy.” Tena nanao firaisana mihitsy i Onana, fa tsy hoe nikasikasika ny filahiany. Milaza mantsy ny Baiboly fa “nanao firaisana tamin’ny vadin-drahalahiny” izy ary nariany ny tsirinainy. Toa niniany najanona talohan’ny handehanan’ny tsirinainy ny fanaovany firaisana, mba tsy ho lasa any amin’ny taovam-pananahan’i Tamara ny tsirinainy. Tsy nankatò an-drainy i Onana, sady naniry mafy te hanan-karena. Nanota koa izy: Tsy hoe fikasikasihana ny filahiany izany ota izany, fa fandikana ilay didy nomen’Andriamanitra momba ny fanambadiana. Novonoin’i Jehovah àry izy, ka maty tsy niteraka.​—Ge 38:6-10; 46:12; No 26:19.