Ondry
Biby mandinika anisan’ny be mpiompy. (Ge 24:35; 26:14) Toa ilay karazany manana rambo lehibe sy matavy, izay milanja 5 kg eo ho eo na mahery, no betsaka tany Palestina fahiny, toy ny ankehitriny ihany. (Ampit. Ek 29:22; Le 3:9.) Fotsy ny ondry (To 6:6), nefa nisy ihany mivolontsôkôlà sy mara. (Ge 30:32) Nanana ondry an’arivony ny mpiompy mpanefohefo, toa an’i Joba. (Jb 1:3, 16; 42:12) Toa nisy Israelita niompy zanak’ondry tao an-tranony.—2Sa 12:3; Je 11:19.
Matahotra sy tsy misy mpiaro ny ondry rehefa tsy misy mpiandry, ka mety ho very sy hiparitaka ary ho mora rembin’ny fahavalony. (No 27:16, 17; Je 23:4; Ezk 34:5, 6, 8; Mi 5:8) Manaiky hotarihin’ny mpiandry izy ireo, ka manaraka azy foana. Afaka mamantatra ny feony izy ireo, ary ny baikony ihany no arahin’ireo. (Jn 10:2-5) Hoy i J. Hartley (Fikarohana Tany Gresy sy Tany Atsinanana, Londres, 1831, p. 321, 322):
“Nisarika ny saiko halina ny teny [ao amin’ny] Jaona 10:3 ... Nanontaniako ny mpiasako raha fanao eto Gresy ny manome anarana ny ondry. Fanao eto izany, hoy izy, ary mihaino ny ondry rehefa antsoin’ny mpiandry amin’ny anarany. Androany maraina aho no afaka nijery raha marina izany. Nandalo teo akaikin’ny andiany iray aho, ka naveriko tamin’ilay mpiandry ny fanontaniana napetrako tamin’ny mpiasako, ary nitovy koa ny valiny nomeny. Nasaiko nantsoiny àry ny ondry iray. Tonga dia nandao an’ireo namany niraoka ahitra ilay ondry, ka nihazakazaka nanatona an’ilay mpiandry sady faly erỳ. Mbola tsy nahita biby hafa namaly antso haingana toy izany aho. Marina koa ny hoe tsy hanaraka olona tsy fantany ny ondry eto Gresy, fa handositra azy kosa ... Nilaza ilay mpiandry fa mbola tsy voafolaka ny ondriny maromaro ka tsy nahay ny anarany avy, fa ho hainy ihany izany rehefa ampianarina azy.”—Jereo MPIANDRY ONDRY.
Nety tsara tamin’ny fiompiana ondry fahiny i Negeba (1Sa 15:7, 9), Harana (Ge 29:2-4), ny tany Midianina (Ek 2:16), ny faritra be tendrombohitr’i Joda, izay nisy ny tanànan’i Karmela (1Sa 25:2), ny tany Oza (Jb 1:1, 3), ary Basana sy Gileada (De 32:14; Mi 7:14).
Sarobidy tamin’ny Hebreo sy ny firenen-kafa ny ondry. Nanaovana fitoeran-javatra sy anjombona ny tandroky ny ondrilahy. (Js 6:4-6, 8, 13; 1Sa 16:1) Nisy hoditr’ondry natao fitafiana (He 11:37), ary nisy nolokoana mena mba hampiasaina tamin’ny tranolay masina. (Ek 26:14) Ny fibra azo avy tamin’ny volon’ondry angamba no nanaovana akanjo be indrindra. (Jb 31:20; Oh 27:26) Be mpividy ny ondry, ary nisy aza nandoavana hetra. (Ezk 27:21; 2Mp 3:4; 2Ta 17:11) Nosotroina ny rononony, ary nohanina ny henany. (De 14:4; 32:14; 2Sa 17:29; Is 7:21, 22) Fihinan’ny mpanjaka, governora, ary olon-kafa ny henan’ny ondry lehibe sy kely.—1Sa 8:17; 1Mp 4:22, 23; Ne 5:18; Am 6:4.
Nandrahoina na natsatsika ilay hena. Natsatsika manontolo ny ondrilahy na osilahy iray herintaona natao sorona tamin’ny Paska, rehefa avy nalana ny hodiny ary nodiovina ny taova tao anatiny. (Ek 12:5, 9) Nendahan-koditra ny ondry rehefa handrahoina, ary norasarasaina teo amin’ny tonon-taolany. Nokapaina ny taolany indraindray mba hivoahan’ny tsoka. Nandrahoina tao anaty vilanibe ny hena sy taolana. (Ezk 24:3-6, 10; Mi 3:1-3) Nesorina tao anaty vilany ny hena rehefa masaka, ary naroso mitokana ny ron-kena. (Ampit. Mpts 6:19.) Henan-janak’ondry no naroso ho an’ny vahiny.—2Sa 12:4.
Tsy andrin’ny olona erỳ ny fotoana fanetezana ondry, toy ny fotoam-pijinjana ihany. Nifety sy nifaly izy ireo tamin’izay.—1Sa 25:2, 11, 36; 2Sa 13:23, 24, 28.
Noraran’ny Lalàn’i Mosesy ny mihinana tavin-kenan’ondry (Le 7:23-25), sy ny mamono ondry miaraka amin-janany ao anatin’ny indray andro. (Le 22:28) Nisy lalàna koa momba ny ondry diso lalana na very, lasa kilemaina, na nangalarina. (Ek 22:1, 4, 9-13; De 22:1, 2) Arakaraka ny nankatoavan’ny Israelita ny lalàn’Andriamanitra na tsia, no nitahiana na nanozonana ny ondry sy ombiny.—De 7:12, 13; 28:2, 4, 15, 18, 31, 51.
Efa ela ny ondry no natao sorona. (Ge 4:2, 4; 22:7, 8, 13; Jb 42:8) Notakin’ny Lalàna ny hoe hatao sorona izay lahy voalohan-teraky ny ondry, nefa taorian’izy feno valo andro. Ondry no nanavotana ny lahy voalohan-teraky ny ampondra. (Ek 34:19, 20; Le 22:27) Ondrilahy no natao fanatitra noho ny heloka (Le 5:15, 16, 18; 6:6), fanatitra dorana (Le 9:3; 16:3; 23:12), sorona iombonana (Le 9:4), ary natao sorona rehefa napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona (Arona sy ny zanany). (Ek 29:22; Le 8:22-28) Ondrilahy roa (herintaona avy) no natao fanatitra dorana natolotra tsy tapaka isan’andro. (Ek 29:38-42) Nisy ondrilahy lehibe sy kely koa ankoatra an’ireo, natao sorona isaky ny fiandohan’ny volana sy tamin’ny fety fanao isan-taona. (No 28:11, 17-19, 26, 27; 29:1-38) Ny ondrilahy no tena fanao sorona, ka nampitovin’i Samoela mpaminany tamin’ny hoe “sorona” ny hoe “tavin’ondrilahy.” (1Sa 15:22) Azo natao sorona iombonana (Le 3:6), fanatitra noho ny ota (Le 4:32; No 6:14), ary fanatitra noho ny heloka (Le 5:6) koa anefa ny ondrivavy kely indraindray.
Heviny ara-paminaniana sy an’ohatra. Matetika no ilazan’ny Baiboly ny vahoakan’i Jehovah tsy misy mpiaro, tsy manan-tsiny, na indraindray ampahorina, ny hoe “ondry.” (2Sa 24:17; Sl 44:11, 22; 95:7; 119:176; Mt 10:6, 16; Jn 21:16, 17; Ro 8:36) Nijaly be ny Israelita rehefa nivadika ireo mpiandry na mpitondra azy. Tena nampalahelo ireo ondrin’Andriamanitra ireo, satria hoy i Jehovah: “Ny andian’ondry tsy omenareo hanina. Ny osa tsy hatanjahinareo, ny marary tsy sitraninareo, ny tapaka tsy asianareo fehy lamba, ireo nania tsy averinareo, ary ny very tsy tadiavinareo. Teo ambany fifehezanareo ireny, nefa nasiaka taminy ianareo, ary lozabe mihitsy aza. Dia niparitaka tsikelikely izy ireo satria tsy nisy mpiandry. Koa lanin’ny bibidia izy ireo.” (Ezk 34:3-5) Voakarakara tsara kosa ny ondrin’i Jesosy, dia ny “ondry vitsy” sy ny “ondry hafa” manara-dia azy. (Lk 12:32; Jn 10:4, 14, 16; Ap 7:16, 17) Toy ny ondry, hoy i Jesosy, ireo manao soa amin’ny kely indrindra amin’ny rahalahiny, fa toy ny osy kosa ireo tsy mety manao izany.—Mt 25:31-45.
Indraindray ilazana olona, indrindra fa ny mpitondra firenena haringana, ny hoe “ondrilahy.” (Je 51:40; Ezk 39:18) Ny mpitondra israelita nivadika kosa ireo ondrilahy sy osilahy ary ondry matavy resahin’ny Ezekiela 34:17-22. Teo amin’ny tanimbilona tsara indrindra izy ireo no nihinana, ary nolotoiny ny tanimbilona sisa navelany ho an’ny ondry mahia sy osa, dia ny olona nampahorina sy nambakaina ary nailikilika.
Toy ny ondry entina hovonoina sy ondrivavy moana eo anoloan’ny mpanety azy i Jesosy Kristy, hoy ny faminaniana. (Is 53:7; As 8:32, 35; ampit. 1Pe 2:23.) Izy no “Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”, hoy i Jaona Mpanao Batisa, noho izy hanao sorona ny ainy. (Jn 1:29) Antsoina imbetsaka koa hoe “ny Zanak’ondry” ny Zanak’Andriamanitra, ao amin’ny Apokalypsy.—Ap 5:6; 6:16; 7:14, 17; 14:1; 17:14; 19:7.
Ny Firenena Matanjaka Medianina-Persianina ilay ondrilahy nanana tandroka roa tsy nitovy halavana, ka ny mpanjaka persianina nahery kokoa ilay tandroka lava kokoa. (Da 8:3-7, 20) Manana tandroka roa toy ny an’ny zanak’ondry, izany hoe mihambo ho tia fihavanana, ilay bibidia avy amin’ny tany. (Ap 13:11) Toy ny amboadia mitafy hodi-janak’ondry koa ny mpaminany sandoka, hoy i Jesosy, satria mody miseho ho tsara izy ireo nefa mampidi-doza.—Mt 7:15.
Toa ilay fihovotrovotry ny Tendrombohitra Sinay tamin’i Jehovah nanome ny Lalàna ho an’ny Israely (Ek 19:18) no resahina an-kolaka hoe “nitsambikimbikina toy ny ondrilahy ny tendrombohitra.”—Sl 114:4-6; ampit. Sl 29:5, 6; 68:8.
Ondridia. Nadika hoe “ombimanga” (Kat.), “antilopa” (Prot.), na “diera” (DIEM) ny hoe teʼôh (heb.). Azo adika koa hoe “ondridia” anefa izy io (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i Koehler sy Baumgartner, Leyde, 1958, p. 1016), ka izany no nandikana azy ao amin’ny Deoteronomia 14:5 sy Isaia 51:20.
Henjankenjana kokoa ny volon’ny ondridia, tsy hoatran’ny an’ny ondry fiompy. Any amin’ny tandavan-tendrombohitr’i Azia Minora sy any atsinanan’i Iran no misy ondridia akaiky indrindra an’i Palestina, dia ny ondridia armenianina (Ovis gmelini). Tsy ampy 90 sm ny haavon’ny lahiny hatreo amin’ny hatony.