Ono
(Òno).
Tanàna naorin’i Samada, Benjamita “zanakalahin’i Elpala.” (1Ta 8:1, 12) Nisy Benjamita nonina indray tao Ono taorian’ny sesitany tany Babylona. (Ezr 2:1, 33; Ne 7:6, 37; 11:31, 35) Maro no milaza azy io ho i Kafr ʽAna (Ono), tokotokony ho 11 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Jopa, sady any akaikin’ny toerana voalaza fa nisy an’i Loda sy Hadida. Mety ho ilay lohasaha midadasika misy an’i Kafr ʽAna ilay “lemak’i Ono.” (Ne 6:2) Voalaza fa io ‘lemaka’ io ihany ilay “lohasahan’ny mpanao asa tanana [geh haharashim].” (Ne 11:35) Misy anefa manam-pahaizana milaza hoe toerana hafa mihitsy no tondroin’ilay teny hebreo hoe geh haharashim. Ireo litera hebreo fotsiny àry no nadikan’izy ireo ka lasa anaran-tsamirery hoe “Ge-harasima.”—JP; ampit. 1Ta 4:14.