Orana
Ampahany lehibe amin’ny tsingerin’ny rano. Lasa etona ny hamandoana sy ny rano etỳ an-tany, ary miakatra eny amin’ny habakabaka. Mivadika ho rano izany, ka milatsaka ho orana. Tsingerina tsy miovaova izany, ary iankinan’ny ain’ny zavamaniry sy ny biby, satria ahazoany ny hamandoana ilainy. Manisy firesahana momba an’io tsingerina io ny Baiboly rehefa miresaka momba ny orana. Hita hoe tena hendry ilay nanao azy io.—Jb 36:27, 28; Mpto 1:7; Is 55:10.
Ankoatra an’ireo teny tany am-boalohany adika matetika hoe orana, dia misy teny hafa koa ilazana azy io saingy voafaritra kokoa ny heviny, ka nadika hoe ‘oram-be mivatravatra, orana mirotsaka’ (1Mp 18:41; Ezk 1:28), ‘orana mikija’ (Oh 27:15), “oram-pararano na orana aloha” sy “oran-dohataona na orana aoriana” (De 11:14; Jk 5:7), “erika” (De 32:2), “oram-baratra” (Is 4:6), ary “oram-be” (Sl 65:10).
Raha vao nanomboka nanao ny tany Andriamanitra, dia mbola “tsy nampilatsaka orana tamin’ny tany” izy, fa “nisy zavona kosa niakatra avy tamin’ny tany ka nandena ny tany rehetra.” Azo inoana fa teo am-piandohan’ny “andro” famoronana fahatelo izany, tamin’ny mbola tsy nisy zavamaniry teto an-tany. (Ge 1:9-13; 2:5, 6; jereo ZAVONA.) Ny fitantarana momba ny Safodrano no miresaka voalohany momba ny orana, ao amin’ny Baiboly. “Nisokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra” tamin’izay, ary “naharitra efapolo andro sy efapolo alina ny oram-be nivatravatra tamin’ny tany.”—Ge 7:11, 12; 8:2.
Ahoana no mampisy ny orana? Kely ihany no fantatry ny olona momba ny hery sy lalàna mifehy ny zavaboary sy ny tany. Manasongadina izany ny fanontanian’i Jehovah an’i Joba hoe: “Manan-dray ve ny orana?” (Jb 38:28) Ahoana tokoa no nampisy ny orana? Nandalina momba izany ireo manam-pahaizana momba ny toetrandro, saingy voalaza fa “tombantombana” fotsiny ny voka-pikarohan’izy ireo. (Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao, 1987, Boky Faha-16, p. 123, 124) Miakatra eny amin’ny habakabaka ny rivotra mafana misy eton-drano, ary mihamangatsiaka ka mivadika ho piti-drano maro be ny hamandoana ao aminy. Misy milaza hoe milatsaka ireo piti-drano lehibe kokoa ka mamakivaky rahona, ary midona amin’ny piti-drano kely kokoa sy mitambatra amin’ireny. Mavesatra, hono, izy ireny amin’ny farany ka tsy zakan’ny rivotra intsony. Misy koa milaza hoe misy potika gilasy miforona eo an-tampon’ny rahona, satria latsaka ny 0° C ny mari-pana eo. Mivadika ho orana, hono, ireny rehefa milatsaka ka mamakivaky rivotra mafana kokoa.
I Jehovah no nanao ny orana. Ninoan’ny Kananita fa i Bala no nampisy ny fotoanan’ny orana rehefa velona indray. Tsy andriamanitra toy izany anefa i Jehovah, izany hoe tsy “andriamanitry ny orana” no niheveran’ny Israely azy. Mihoatra noho izany izy. Neken’ireo Israelita tsy nivadika hoe i Jehovah, fa tsy i Bala, no mahavita mampihantona ny orana. Nampisy hain-tany teo amin’ny Israely mantsy i Jehovah rehefa nandroso be ny fivavahana tamin’i Bala, tamin’ny andron’i Elia mpaminany.—1Mp 17:1, 7; Jk 5:17, 18.
I Jehovah no nanao ny orana ho an’ny tany. (Sl 147:8; Is 30:23) “Nanao lakandrano ho an’ny rano be” izy. Angamba ny fahaizany mampilatsaka orana avy amin’ny rahona mba hanondraka faritra sasany eto an-tany no tiana holazaina amin’izany. (Jb 38:25-27; ampit. Sl 135:7; Je 10:13.) Hain’i Jehovah ny mandatsaka orana hanatanterahana ny fikasany, ary anisan’ny mampiavaka azy amin’ireo andriamanitra sampy sy tsy mananaina notompoin’ireo firenena nanodidina ny Israely izany. (Je 14:22) Takatry ny Israelita kokoa izany tao amin’ny Tany Nampanantenaina noho ny tamin’izy ireo tany Ejipta. Nahalana mantsy ny orana tany Ejipta.—De 11:10, 11.
Nanazava i Paoly sy Barnabasy, tamin’izy ireo nitory tamin’ny Grika tany Lystra, fa vavolombelona momba ilay “Andriamanitra velona” ny ranonorana sady porofo fa manao soa izy. (As 14:14-17) Tsy ny tsara fanahy sy ny marina ihany mantsy no tian’Andriamanitra sy omeny ranonorana, fa ny rehetra koa. Tokony hanahaka azy ny olona, hoy i Jesosy.—Mt 5:43-48.
Rotsakorana tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Mampiavaka ny toetrandro any ny hoe tsy mitovy ny rotsakorana manerana an’ilay tany. Be ny rotsakorana eny amin’ny faritra akaikin’ny Ranomasina Mediterane sy eny amin’ny faritra avo, amin’ny fotoanan’ny orana. Mihena kosa izy io arakaraka ny handehanana avy any avaratra mianatsimo. Matetika koa no betsaka kokoa ny rotsakorana any amin’ny havoana sy tendrombohitra, satria any no mora mivadika ho orana ny hamandoan’ny ranomasina, rehefa entin’ny rivotra miantsinanana. Tsy misy orana kosa eo amin’ny Lohasahan’i Jordana, satria efa maina ny rivotra no tonga eo rehefa avy nandalo an’ireo tendrombohitra. Rivotra mafana àry no mitsoka eo amin’ilay lohasaha. Rehefa tonga eny amin’ny faritra avo eny atsinanan’i Jordana anefa izany rivotra izany, dia manome rahona indray ka mampisy orana kely. Izany no mahatonga an’ilay faritra lavalava eo atsinanan’i Jordana hety tsara hiraofan’ny biby ary azo ambolena zavatra sasany ihany. Any atsinanana kokoa ny tany efitra. Tsy misy orana firy any, ka tsy mahavokatra sady tsy tsara hiompiana.
Fizaran-taona. Fahavaratra sy ririnina ihany no tena fahita any amin’ny Tany Nampanantenaina. Marina kokoa anefa ny ilazana ny fahavaratra hoe main-tany ary ny ririnina hoe fotoanan’ny orana. (Ampit. Sl 32:4; To 2:11.) Zara raha misy orana, manomboka eo antenatenan’ny Aprily ka hatrany antenatenan’ny Oktobra. Mandritra izany koa ny fotoam-pijinjana. Milaza tokoa ny Ohabolana 26:1 fa hafahafa raha misy orana amin’ny fotoam-pijinjana. (Ampit. 1Sa 12:17-19.) Rehefa fotoanan’ny orana, dia tsy hoe avy foana ny orana fa mba miposaka ihany ny masoandro indraindray. Mamirifiry koa ny andro amin’io fotoana io, ka mahatsiaro mangatsiaka be ny olona rehefa tratran’ny orana. (Ezr 10:9, 13) Tena mahafaly àry ny mahita toerana mety tsara azo ialofana.—Is 4:6; 25:4; 32:2; Jb 24:8.
Oram-pararano sy oran-dohataona. Miresaka momba ny “oram-pararano [orana aloha] ary oran-dohataona [orana aoriana]” ny Baiboly. Voalaza ao fa nampanantena hanome izany Andriamanitra ho fitahiana an’ireo Israelita tsy nivadika. (De 11:14; Je 5:24; Jl 2:23, 24) Tsy andrin’ny mpamboly erỳ ny hahatongavan’ny oram-pararano amin’ny faran’ny fahavaratra sy ny oran-dohataona amin’ny faran’ny ririnina. (Jk 5:7; ampit. Jb 29:23.) Tsy andrin’ny olona ny orana aloha, na oram-pararano (manomboka eo antenatenan’ny Oktobra), satria nahamay sy maina loatra ny andro nandritra ny fahavaratra. Nilaina koa ny oram-pararano mba hanombohan’ny fotoam-pambolena. Malemy kokoa mantsy ny tany rehefa tratran’ny orana, ka mora asaina. Nilaina koa ny orana aoriana, na oran-dohataona (manomboka eo antenatenan’ny Aprily eo ho eo), satria efa nihanitombo ny voly tamin’izay ka nila orana mba ho lehibe tsara. Ny vary orza sy ny varimbazaha indrindra no tena nila izany mba hahamasaka azy.—Za 10:1; Am 4:7; To 2:11-13.
Heviny an’ohatra. Be dia be ny sakafo, rehefa notahin’Andriamanitra ny Israely ka nataony nirotsaka ara-potoana ny orana. Izany no nahatonga an’i Hosea hampanantena fa ho avy “toy ny firotsahan’ny orana be dia be” sy “toy ny oran-dohataona izay mamonto ny tany” i Jehovah, ka hitahy an’izay miezaka hahalala azy. (Ho 6:3) “Hirotsaka toy ny orana” ny fampianaran’Andriamanitra, ary ‘hilatsaka tahaka ny erika eny amin’ny ahitra sy tahaka ny oram-be eny amin’ny zavamaniry’ ny teniny. (De 32:2) Milentika tsikelikely any amin’ny tany ny orana, nefa mamelombelona ny zavamaniry. Toy izany koa ny vokatry ny fampianaran’Andriamanitra eo amin’ny olombelona. Toy ny “oram-be eny amin’ny zavamaniry” ny sisa amin’i Jakoba, rehefa avy nangonina indray, satria noho izy ireo no hampisy famelombelomana sy fitahiana be dia be.—Mi 5:7.
Manazava ny Salamo faha-72 fa hanam-be sy hahazo fitahiana be dia be ny olona, rehefa mitondra ilay mpanjakan’Andriamanitra. Izany no dikan’ny hoe hidina na “hirotsaka toy ny orana eo amin’ny ahitra vao avy nanapahana [ilay mpanjaka], eny, toy ny oram-be mandena ny tany” ka mampandrobona ny zavamaniry. (Sl 72:1, 6; ampit. 2Sa 23:3, 4.) Voalaza koa fa “toy ny rahona mitondra oran-dohataona” ny fankasitrahan’ny mpanjaka. Ny rahona toy izany no antoka fa ho avy ny orana ilain’ny voly mba hahatonga azy hamoa. Toy izany ny fankasitrahan’ny mpanjaka, satria manome antoka fa hisy zavatra tsara ho avy.—Oh 16:15.
Tsy ny zavatra irin’ny mpamboly ihany anefa no maniry rehefa milatsaka ny orana. Mety haniry koa ny tsilo sy ny ahidratsy. Nataon’i Paoly ohatra izany, ka nampitoviny tamin’ny tany vonton’ny orana ny Kristianina izay “efa nanandrana ny fanomezana maimaim-poana avy any an-danitra, sy efa anisan’ny nahazo ny fanahy masina.” Nilaza izy fa hodorana toy ny tany tsy mamokatra afa-tsy tsilo izy ireny, raha tsy maneho ny vokatry ny fanahy, fa miala amin’ny fahamarinana.—He 6:4-8.
Nahazo fahitana i Jaona ka nahita ‘vavolombelona roa’ izay ‘nanana fahefana hanidy ny lanitra mba tsy Ap 11:3-6) Solontenan’Andriamanitra izy ireo ka nanao ny asan’ny ‘mpaminany’, na mpitondra tenin’Andriamanitra. Tsy nilaza mihitsy izy ireo hoe tahin’Andriamanitra na ankasitrahany ny fikasana sy ny ezaka ataon’ny olona ratsy fanahy etỳ an-tany. Toy ny hoe ‘nanidy ny lanitra’ ireo ‘vavolombelona’ ireo mba tsy hisy orana an’ohatra hilatsaka avy any amin’Andriamanitra, ka hampahomby ny ezak’ireny olona ireny. Nanao toa an’i Elia ireo ‘vavolombelona’ ireo. I Elia koa mantsy nanambara fa hisy hain-tany haharitra telo taona eo amin’ny Israely, noho i Ahaba Mpanjaka sy Jezebela vadiny nampirisika ny olona hivavaka tamin’i Bala.—1Mp 17:1–18:45; Lk 4:25, 26; Jk 5:17, 18.
hisy orana hilatsaka nandritra ny andro naminaniany.’ (