Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Oreba

Oreba

(Orèba) [Goaika].

1. Andrianan’ny Midianina. Tao amin’ny tafik’i Zebaha sy Zalmona Mpanjaka i Oreba sy ilay andriana namany atao hoe Zeba. Nandositra teo anoloan’i Gideona sy ireo 300 lahy niaraka taminy io tafika io. Tratran’ny lehilahy efraimita ireo andriana roa ireo, ka novonoiny ho faty. Nentiny tany amin’i Gideona ny lohan’izy ireo avy eo.​—Mpts 7:24, 25; 8:3-5; Sl 83:11.

2. Ilay harambato namonoana an’i Oreba, andriana midianita, ka lasa nampitondraina ny anarany. Tsy fantatra hoe taiza no nisy azy io.​—Mpts 7:25; Is 10:26.