Oria
(Orìa) [Fahazavako i Jehovah].
1. Ilay lehilahy hetita vadin’i Batseba. Anisan’ireo miaramila hafa firenena tao amin’ny tafik’i Davida i Oria. (2Sa 23:39; 1Ta 11:41) Lasa mpivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra izy, izany hoe niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ary noforana. Manaporofo izany ny teniny sy ny fitondran-tenany, ny nanambadiany vehivavy jiosy, ary ny nipetrahany tao Jerosalema, teo akaikin’ny lapan’ny mpanjaka.—2Sa 11:3, 6-11.
Niady tamin’ny Amonita tany Raba i Oria, rehefa nijangajanga tamin’i Batseba vadiny i Davida. Tsy nahalala momba an’izany hatramin’ny farany i Oria. Nampiantso azy tany Jerosalema i Davida, ary nanontany hoe nanahoana ny ady. Nasainy nody izy avy eo, mba ho toy ny hoe zanany ilay zaza tao an-kibon’ny vadiny. Tsy nety natory tany an-tranony anefa i Oria, satria mbola tany an’ady ny tafika. (De 23:9-11; ampit. 1Sa 21:5.) Nomamoin’i Davida izy, nefa mbola tsy nety nody ihany. (2Sa 11:1-13) Vao mainka niampy ny helok’i Davida tamin’i Oria taorian’izay, satria nirahiny hiverina tany an’ady izy sady nampitondrainy taratasy izay nilaza tamin’i Joaba hoe tokony hatao izay hahafaty an’ady azy.—2Sa 11:14-26.
2. Mpisorona tamin’ny andron’i Ahaza mpanjakan’ny Joda (761-746 T.K.). Nahita alitara lehibe tany Damaskosy i Ahaza, tamin’izy nankany mba hanome tsolotra ho an’i Tiglato-pilesera III. Nalefany tany amin’i Oria mpisorona ny drafitr’ilay alitara sy ny modely nanaovana azy, ary nilaza taminy izy mba hanorina alitara nitovy tamin’izy io. Io alitara io mihitsy aza, fa tsy ny an’i Jehovah, no nasainy nampiasain’i Oria tatỳ aoriana. Neken’i Oria izany. (2Mp 16:8-16) I Oria koa no vavolombelona nanamarina hoe nosoratan’i Isaia teo amin’ny takela-kazo ny anaran’ny zanany lahy hoe Mahera-salala-hasi-baza. (Is 8:1, 2) Azo inoana fa mpisoronabe i Oria, na dia tsy voalaza aza izany. Nitana toerana ambony mantsy izy ary tsy nisy olona voalaza hoe mpisoronabe tamin’izany.
3. Mpaminanin’i Jehovah ary zanakalahin’i Semaia avy any Kiriata-jearima. Tamin’ny andro nanjakan’i Joiakima, dia naminany toa an’i Jeremia i Oria hoe hisy loza hanjo an’i Joda sy Jerosalema. Ren’i Oria fa nitady hamono azy i Joiakima, ka nandositra tany Ejipta izy. Nalaina avy tany anefa izy ka novonoina, ary natsipy tany amin’ny fasam-bahoaka ny fatiny.—Je 26:20-23.
4. Azo inoana fa mpisorona i Oria, ary nijoro teo ankavanan’i Ezra izy tamin’i Ezra namaky ny Lalàna tamin’ny vahoaka tafaverina avy any an-tsesitany, teo amin’ny Vavahadin-drano tany Jerosalema.—Ne 8:1-4.
5. Zanakalahin’i Hakoza. Mpisorona i Oria ary nanan-janaka nantsoina hoe Meremota, izay anisan’ireo mpisorona nasain’i Ezra niandraikitra ny volamena sy ny volafotsy ary ny fitaovan’ny tempoly, rehefa nentina tany Jerosalema ireny. Tatỳ aoriana, dia anisan’ireo nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema koa i Meremota, zanak’i Oria.—Ezr 8:33; Ne 3:4, 21.