Oriela
(Orièla) [Fahazavana Andriamanitra].
1. Levita taranak’i Kehata, ary zanakalahin’i Tahata.—1Ta 6:22, 24.
2. Mpiadidy teo amin’ny Kehatita, rehefa nasain’i Davida nentina tany Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena.—1Ta 15:5, 11, 12, 15.
3. Rain’i Mikaia (Maka), izay vadin’i Rehoboama Mpanjaka sady renin’i Abia. (2Ta 13:1, 2; 11:21) Zafikelin’i Absaloma koa i Maka. Toa maty tanora anefa ny zanak’i Absaloma telo lahy, sady tsy niteraka. Zanak’i Tamara zanany vavy tamin’i Oriela àry i Maka. Midika izany fa tsy zanak’i Absaloma i Oriela, fa vinantolahiny.—2Sa 14:27; 18:18.