Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Orima sy Tomima

Orima sy Tomima

(Orìma sy Tomìma).

Zavatra nampiasaina mba hamantarana ny sitrapon’Andriamanitra, rehefa nisy raharaha lehibe momba ny firenen’Israely nila nanontaniana an’i Jehovah.

Nataon’i Mosesy tao amin’ilay saron-tratra nampanaovina an’i Arona ny Orima sy Tomima. (Le 8:8) Azo adika hoe “eo ambonin’ny” ilay teny hebreo eo nadika hoe ‘ao amin’ny’, nefa nadika koa izy io hoe ao anatin’ny (Ek 25:16, momba ireo takela-bato roa natao tao anatin’ny Vata misy ny fifanekena). (Ek 31:18) Misy milaza fa ireo vato 12 napetaka teo amin’ny saron-tratra ny Orima sy Tomima. Efa natao teo amin’i Arona anefa ny saron-tratra misy vato 12 nozairina teo amin’izy io, vao natsofoka tao anatin’izy io ny Orima sy Tomima (rehefa napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona). Tsy ireo vato oniksa roa teo amin’ny soroky ny efodan’ny mpisoronabe koa izy ireo, rehefa jerena ny Eksodosy 28:9, 12, 30. (Ek 28:9-14) Zavatra hafa mihitsy àry izy ireo.

Fampiasana azy. Tokony hoentin’i Arona eo amin’ny fony ny Orima sy Tomima rehefa “ho eo anatrehan’i Jehovah” na hanontany Azy izy, ka nijoro tao amin’ny Masina teo anoloan’ny ridao nanasaraka azy io sy ny Masina Indrindra. Toa midika hoe natao tao anatin’ilay paosy na fivalonan’ny saron-tratra ny hoe ‘teo amin’ny fon’i Arona’ ny Orima sy Tomima. Nampiasaina tamin’ny “fitsarana ny zanak’Israely” ny Orima sy Tomima. Nampiasaina koa izy ireo rehefa te hanontany an’i Jehovah momba ny raharaha lehibe nahakasika an’ilay firenena ireo mpitondra. I Jehovah no Mpanome Lalàna, ka nolazainy tamin’ny mpisoronabe izay tokony hatao.​—Ek 28:30.

Nasain’i Davida nampiasa ny Orima sy Tomima i Abiatara (izay afa-nandositra rehefa naripaka ireo mpisorona tao Noba, anisan’izany ny rainy), rehefa nitondra efoda tany amin’i Davida. Toa ilay efodan’ny mpisoronabe izy io.​—1Sa 22:19, 20; 23:6-15.

Mety ho antsapaka. Toa fanontaniana nilana valiny hoe “eny” na “tsia”, na valiny mivantana tena fohy avy tamin’i Jehovah no nampiasana ny Orima sy Tomima, rehefa jerena ny Baiboly. Indray mandeha (1Sa 28:6), dia ny Orima ihany no voaresaka, nefa azo antoka fa nampiasaina koa ny Tomima.

Maro ny mpivaofy teny mihevitra fa antsapaka ny Orima sy Tomima. “Antsapaka masina” no ilazan’ny Baibolin’i James Moffatt azy ireo, ao amin’ny Eksodosy 28:30. Misy mihevitra hoe zavatra telo izy ireo, ka ny iray misy soratra hoe “eny”, ny iray hoe “tsia”, ary ny fahatelo tsy misy. Voavaly ny fanontaniana raha ilay “eny” na “tsia” no voaray, raha tsy hoe angaha ilay tsy misy soratra no voaray. Misy kosa milaza fa mety ho vato fisaka roa izy ireo, ka fotsy ny ambadika ary mainty ny ambadika. Rehefa atsipy ireo vato, dia midika hoe “eny” ny hoe samy fotsy no miseho, ary hoe “tsia” raha samy mainty. Tsy misy valiny kosa raha fotsy ny iray ary mainty ny iray. Tsy nahazo valiny, ohatra, i Saoly rehefa nasainy nanontany ny mpisorona raha hamely an’ireo Filistinina indray izy ireo na tsia. Nihevitra i Saoly hoe nisy olony nanota, ka niangavy izy hoe: “Omeo anay ny Tomima, ry Andriamanitry ny Israely ô!” Voatana i Saoly sy Jonatana, ary natao ny antsapaka hahitana hoe iza tamin’izy mianaka no diso. Toa tsy tamin’ilay nanao antsapaka i Saoly no niangavy hoe “Omeo anay ny Tomima.” Mety hidika ihany anefa izany hoe antsapaka ny Tomima.​—1Sa 14:36-42.

Nampifandray ny mpanjaka sy ny mpisorona. Toy izao no voalaza momba ny mpisorona taranak’i Arona: “Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia an’ilay tsy mivadika aminao.” (De 33:8-10) Angamba noho ny fokon’i Levy (niavian’ny mpisorona taranak’i Arona) tsy nivadika no ilazana hoe “an’ilay tsy mivadika [amin’i Jehovah]” ny Orima sy Tomima. Tsy nivavaka tamin’ny zanak’omby volamena, ohatra, izy ireo.​—Ek 32:25-29.

Hendry i Jehovah rehefa nankininy tamin’ny mpisoronabe ny Orima sy Tomima. Voatery niantehitra tamin’ny mpisorona mantsy ny mpanjaka, fa tsy teo am-pelatanany daholo ny fahefana rehetra. Tsy maintsy niara-niasa àry ny mpanjaka sy ny mpisorona. (No 27:18-21) Nampahafantarin’i Jehovah ao amin’ny Teniny sy tamin’ny alalan’ny mpaminany sy nofy ny sitrapony. Toa tamin’ny fotoana niavaka ihany anefa no nampiasana mpaminany sy nahazoana nofy, fa ny mpisoronabe nitondra ny Orima sy Tomima kosa teo anivon’ny vahoaka foana.

Tsy nampiasaina intsony nanomboka tamin’ny 607 T.K. Tsy nampiasaina intsony ny Orima sy Tomima, hoy ny lovantsofina jiosy, rehefa noravan’i Nebokadnezara mpanjaka babylonianina i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny 607 T.K. (Talmoda babylonianina, Sôta 48b) Manamafy izany ny bokin’i Ezra sy Nehemia. Voalaza ao fa nisy olona nilaza ho taranaka mpisorona, nefa tsy nahita ny anarany tao anaty lisitra. Tsy nahazo nihinana tamin’ny zavatra masina indrindra nomena ny mpisorona àry izy ireo, raha tsy rehefa nisy mpisorona nitondra ny Orima sy Tomima. Tsy voalaza ao anefa hoe nampiasaina tamin’izay ny Orima sy Tomima. Tsy niresaka momba ireo zava-masina ireo intsony koa ny Baiboly taorian’izay.​—Ezr 2:61-63; Ne 7:63-65.

Manontany an’i Jehovah ilay Mpisoronabe. Mpanjaka sady Mpisorona tahaka an’i Melkizedeka i Jesosy Kristy, hoy i Paoly. (He 6:19, 20; 7:1-3) Mifanitsy amin’ny asan’ny mpisoronabe teo amin’ny Israely fahiny ny asa fisoronana ataony. (He 8:3-5; 9:6-12) Ankinina aminy koa ny fitsarana ny olombelona. (Jn 5:22) Hoy anefa i Jesosy tamin’izy teto an-tany: “Tsy araka ny nahim-poko no ilazako ny teny lazaiko aminareo, fa ny Ray izay tafaray foana amiko no manao ny asany.” (Jn 14:10) “Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany.” (Jn 8:28) Hoy koa izy: “Raha mitsara aza aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery aho, fa miaraka amiko ny Ray izay naniraka ahy.” (Jn 8:16) Mbola manaiky ny Rainy foana àry ilay Mpisoronabe manana toerana ambony any an-danitra sady efa natao lavorary mandrakizay. Mbola mitady ny tari-dalany koa izy rehefa mitsara.​—He 7:28; ampit. 1Ko 11:3; 15:27, 28.