Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Orpa

Orpa

(Ôrpa).

Vehivavy moabita vadin’i Kiliona, ary vinantovavin’i Naomy, toa an’i Rota ihany. (Ampitahao ny Rt 1:3-5 sy 4:10.) Samy maty vady sy tsy nanan-janaka i Naomy sy Orpa ary Rota, ka niala tany Moaba izy ireo mba ho any Betlehema. Rehefa nandeha kelikely izy ireo, dia nampirisika an’ireo vinantony roa vavy i Naomy mba hody any an-tranon-dreniny ka hanambady any Moaba. Samy nisisika niteny anefa izy ireo hoe: “Tsia, fa hiara-mody aminao any amin’ny firenenao izahay.” Tsara fanahy tamin’ny rafozambaviny i Orpa, ary azo inoana fa niraiki-po taminy. (Rt 1:8-10) Mety ho tiany ny fiainana teo anivon’ny tokantrano israelita matoa izy niaraka tamin’i Naomy. Nantitranterin’i Naomy anefa hoe raha miaraka aminy ireo Moabita maty vady ireo, dia mety ho mpitondratena foana izy ireo rehefa any Joda. Sarotra inoana mantsy hoe hanambady indray i Naomy ka hiteraka zanakalahy ho lasa vadin’i Orpa sy Rota. Ary na hitranga aza izany, dia tsy hahandry an’ireo zanany lahy ireo ho lehibe izy mirahavavy, mba hitondra loloha azy. Tsy vitan’i Orpa ny niatrika an’izany hoavy izany, na dia tia sy nankasitraka an’i Naomy aza izy. Nitomany mafy izy ary nanao veloma an’i Naomy sy Rota, ka nody tany “amin’ny fireneny sy ny andriamaniny.”​—Rt 1:3-15.