Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Orsa

Orsa

[Heb.: dôv na dôhv; gr.: arkôs].

Fahita tany Palestina taloha ny orsa syrianina mivolontsôkôlà (Ursus arctos syriacus), ary mbola misy azy any avaratr’i Syria, avaratrandrefan’i Iran, ary atsimon’i Torkia. Mivolontsôkôlà tanora izy io matetika, ary milanja 140 kg eo ho eo. Somary midaikadaika izy mandeha. Afaka mirifatra anefa izy na dia ratsy aza ny lalana, ary misy efa ho 48 km/ora ny hafainganam-pandehany saingy vetivety ihany. Mahay milomano ny orsa, ary mahavita mianika hazo ny ankamaroany.

Tsy marina ilay hoe fihinin’ny orsa mafy be izay tiany hovonoina. Matanjaka sy mafonja kosa ny tanabeny sady misy hoho tsy afa-miforitra, ka atsatony amin’ny vatan’izay mifanandrina aminy rehefa mikapoka izy. Kapoka iray monja dia mety hahafaty biby iray, toy ny serfa. Tsy mahagaga àry raha milaza an-kolaka ny Baiboly fa lozabe toy ny liona ny orsa. (Am 5:19; Ft 3:10) Mampidi-doza kokoa noho ny liona sy tigra ary ny toy ireny aza ny orsa, hoy ny mpandinika zavaboary. Tsy manafika anefa izy matetika fa mitsoaka olona, toy ny biby hafa ihany, raha tsy hoe tafihina na taitra tampoka angaha.

Resahin’ny Baiboly matetika fa masiaka ny orsavavy very anaka. (2Sa 17:8; Oh 17:12; Ho 13:8) Nampiasain’Andriamanitra hampihatra ny didim-pitsarany tamin’ireo ankizy maditra naniratsira an’i Elisa mpaminany ny orsa, indray mandeha.​—2Mp 2:24.

Isan-karazany ny sakafon’ny orsa: Ravina, fakan-javamaniry, voankazo, voaroy, voanjo, atody, bibikely, trondro, biby mpikiky, sy ny toy izany, ary tantely, izay tena tiany. Toa aleony zavamaniry, na dia mihinan-kena ihany aza izy indraindray. Nila narovan’ny mpiandry ondry sy osy tamin’ny orsa ny bibiny tany Israely fahiny, rehefa tsy dia nisy ny voankazo sy zavamaniry hafa fihinan’ny orsa. Niady tamin’ny orsa, ohatra, i Davida tamin’izy tanora, mba hiarovana ny andian’ondrin-drainy.​—1Sa 17:34-37.

Tsy mahandry ny orsa ka mierona, rehefa noana sy mahare ny fofon’ny hazany. Nilaza àry i Isaia mpaminany fa ‘nierona toy ny orsa’ ireo Israelita nanantena ny hahazo rariny sy ho voavonjy, kanjo diso fanantenana matetika. (Is 59:11) Mety koa ny anoharana ny mpitondra ratsy fanahy mampahory sy mampijaly vahoaka amin’ny orsa mihazakazaka hanafika.​—Oh 28:15.

Oharina amin’ny biby mampahatahotra ny firenena matanjaka, ao amin’ny fahitan’i Daniela. Toy ny orsa, ohatra, ny Fanjakana Medianina-Persianina izay te handresy firenena maro sy handroba azy ireny. (Da 7:5, 17) Mpiremby koa ilay bibidia tao amin’ny fahitan’i Jaona. Niakatra avy tao amin’ny ranomasina izy io, nanana loha fito sy tandroka folo, ary “tahaka ny an’ny orsa” ny tongony. (Ap 13:2) Rehefa hanjaka ny Mesia dia hiara-misakafo amin’ny ombivavy ny orsa, izany hoe hiadana ny vahoakan’i Jehovah.​—Is 11:7.